T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!

2 Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.

3 Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia* hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela** ho tra-maraina. [*Lopa] [**Na: tsy mamela taolana]

4 Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.

5 Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.

6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.

7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao*, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao**; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[*Heb. fonenany] [*Heb. azy]

 

8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.

9 [Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina*. [*Heb. soroka iray]

10 Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy*. [*Na: hitondran'ny mpivavaka amiko ... ny fanatitra ho ahy]

11 Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.

12 Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,

13 Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.

15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.

16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.

17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina]

18 Hangoniko izay manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]

19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]

20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.

 

Chapitre 3

3:1 Woe to her who is rebellious and polluted, the oppressing city! 3:2 She didn’t obey the voice. She didn’t receive correction. She didn’t trust in Yahweh. She didn’t draw near to her God. 3:3 Her princes in the midst of her are roaring lions. Her judges are evening wolves. They leave nothing until the next day. 3:4 Her prophets are arrogant and treacherous people. Her priests have profaned the sanctuary. They have done violence to the law. 3:5 Yahweh, in the midst of her, is righteous. He will do no wrong. Every morning he brings his justice to light. He doesn’t fail, but the unjust know no shame. 3:6 I have cut off nations. Their battlements are desolate. I have made their streets waste, so that no one passes by. Their cities are destroyed, so that there is no man, so that there is no inhabitant. 3:7 I said, “Just fear me. Receive correction, so that her dwelling won’t be cut off, according to all that I have appointed concerning her.” But they rose early and corrupted all their doings. 3:8 “Therefore wait for me,” says Yahweh, “until the day that I rise up to the prey, for my determination is to gather the nations, that I may assemble the kingdoms, to pour on them my indignation, even all my fierce anger, for all the earth will be devoured with the fire of my jealousy. 3:9 For then I will purify the lips of the peoples, that they may all call on the name of Yahweh, to serve him shoulder to shoulder. 3:10 From beyond the rivers of Cush, my worshipers, even the daughter of my dispersed people, will bring my offering. 3:11 In that day you will not be disappointed for all your doings, in which you have transgressed against me; for then I will take away out of the midst of you your proudly exulting ones, and you will no more be haughty in my holy mountain. 3:12 But I will leave in the midst of you an afflicted and poor people, and they will take refuge in the name of Yahweh. 3:13 The remnant of Israel will not do iniquity, nor speak lies, neither will a deceitful tongue be found in their mouth, for they will feed and lie down, and no one will make them afraid.”

3:14 Sing, daughter of Zion! Shout, Israel! Be glad and rejoice with all your heart, daughter of Jerusalem. 3:15 Yahweh has taken away your judgments. He has thrown out your enemy. The King of Israel, Yahweh, is in the midst of you. You will not be afraid of evil any more. 3:16 In that day, it will be said to Jerusalem, “Don’t be afraid, Zion. Don’t let your hands be weak.” 3:17 Yahweh, your God, is in the midst of you, a mighty one who will save. He will rejoice over you with joy. He will calm you in his love. He will rejoice over you with singing. 3:18 I will remove those who grieve about the appointed feasts from you. They are a burden and a reproach to you. 3:19 Behold, at that time I will deal with all those who afflict you, and I will save those who are lame, and gather those who were driven away. I will give them praise and honor, whose shame has been in all the earth. 3:20 At that time will I bring you in, and at that time will I gather you; for I will give you honor and praise among all the peoples of the earth, when I restore your fortunes before your eyes, says Yahweh.

 

Chapitre 3
1 Malheur à la ville rebelle et souillée, A la ville pleine d'oppresseurs!

2 Elle n'écoute aucune voix, Elle n'a point égard à la correction, Elle ne se confie pas en l'Éternel, Elle ne s'approche pas de son Dieu.

3 Ses chefs au milieu d'elle sont des lions rugissants; Ses juges sont des loups du soir qui ne gardent rien pour le matin.

4 Ses prophètes sont téméraires, infidèles; Ses sacrificateurs profanent les choses saintes, violent la loi.

5 L'Éternel est juste au milieu d'elle, Il ne commet point d'iniquité; Chaque matin il produit à la lumière ses jugements, Sans jamais y manquer; Mais celui qui est inique ne connaît pas la honte.

6 J'ai exterminé des nations; leurs tours sont détruites; J'ai dévasté leurs rues, plus de passants! Leurs villes sont ravagées, plus d'hommes, plus d'habitants!

7 Je disais: Si du moins tu voulais me craindre, Avoir égard à la correction, Ta demeure ne serait pas détruite, Tous les châtiments dont je t'ai menacée n'arriveraient pas; Mais ils se sont hâtés de pervertir toutes leurs actions.

8 Attendez-moi donc, dit l'Éternel, Au jour où je me lèverai pour le butin, Car j'ai résolu de rassembler les nations, De rassembler les royaumes, Pour répandre sur eux ma fureur, Toute l'ardeur de ma colère; Car par le feu de ma jalousie tout le pays sera consumé. 9 Alors je donnerai aux peuples des lèvres pures, Afin qu'ils invoquent tous le nom de l'Éternel, Pour le servir d'un commun accord.

10 D'au delà des fleuves de l'Éthiopie Mes adorateurs, mes dispersés, m'apporteront des offrandes.

11 En ce jour-là, tu n'auras plus à rougir de toutes tes actions Par lesquelles tu as péché contre moi; Car alors j'ôterai du milieu de toi ceux qui triomphaient avec arrogance, Et tu ne t'enorgueilliras plus sur ma montagne sainte.

12 Je laisserai au milieu de toi un peuple humble et petit, Qui trouvera son refuge dans le nom de l'Éternel.

13 Les restes d'Israël ne commettront point d'iniquité, Ils ne diront point de mensonges, Et il ne se trouvera pas dans leur bouche une langue trompeuse; Mais ils paîtront, ils se reposeront, et personne ne les troublera.

14 Pousse des cris de joie, fille de Sion! Pousse des cris d'allégresse, Israël! Réjouis-toi et triomphe de tout ton coeur, fille de Jérusalem!

15 L'Éternel a détourné tes châtiments, Il a éloigné ton ennemi; Le roi d'Israël, l'Éternel, est au milieu de toi; Tu n'as plus de malheur à éprouver.

16 En ce jour-là, on dira à Jérusalem: Ne crains rien! Sion, que tes mains ne s'affaiblissent pas!

17 L'Éternel, ton Dieu, est au milieu de toi, comme un héros qui sauve; Il fera de toi sa plus grande joie; Il gardera le silence dans son amour; Il aura pour toi des transports d'allégresse.

18 Je rassemblerai ceux qui sont dans la tristesse, loin des fêtes solennelles, Ceux qui sont sortis de ton sein; L'opprobre pèse sur eux.

19 Voici, en ce temps-là, j'agirai contre tous tes oppresseurs; Je délivrerai les boiteux et je recueillerai ceux qui ont été chassés, Je ferai d'eux un sujet de louange et de gloire Dans tous les pays où ils sont en opprobre.

20 En ce temps-là, je vous ramènerai; En ce temps-là, je vous rassemblerai; Car je ferai de vous un sujet de gloire et de louange Parmi tous les peuples de la terre, Quand je ramènerai vos captifs sous vos yeux, Dit l'Éternel.