T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Anatra ho fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina]

2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

3 Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.

4 Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.

5 Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,

6 Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan*'ny mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy, [*Na: trano-bongon']

7 Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.

8 Efa reko ny fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.

9 Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.

10 Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.

11 Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.

12 Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo*. [*Heb. izy]

 

13 Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.

14 Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.

15 Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.

 

Chapitre 2

:1 Gather yourselves together, yes, gather together, you nation that has no shame, 2:2 before the appointed time when the day passes as the chaff, before the fierce anger of Yahweh comes on you, before the day of Yahweh’s anger comes on you. 2:3 Seek Yahweh, all you humble of the land, who have kept his ordinances. Seek righteousness. Seek humility. It may be that you will be hidden in the day of Yahweh’s anger. 2:4 For Gaza will be forsaken, and Ashkelon a desolation. They will drive out Ashdod at noonday, and Ekron will be rooted up. 2:5 Woe to the inhabitants of the sea coast, the nation of the Cherethites! The word of Yahweh is against you, Canaan, the land of the Philistines. I will destroy you, that there will be no inhabitant. 2:6 The sea coast will be pastures, with cottages for shepherds and folds for flocks. 2:7 The coast will be for the remnant of the house of Judah. They will find pasture. In the houses of Ashkelon, they will lie down in the evening, for Yahweh, their God, will visit them, and restore them. 2:8 I have heard the reproach of Moab, and the insults of the children of Ammon, with which they have reproached my people, and magnified themselves against their border. 2:9 Therefore as I live, says Yahweh of Armies, the God of Israel, surely Moab will be as Sodom, and the children of Ammon as Gomorrah, a possession of nettles, and salt pits, and a perpetual desolation. The remnant of my people will plunder them, and the survivors of my nation will inherit them. 2:10 This they will have for their pride, because they have reproached and magnified themselves against the people of Yahweh of Armies. 2:11 Yahweh will be awesome to them, for he will famish all the gods of the land. Men will worship him, everyone from his place, even all the shores of the nations. 2:12 You Cushites also, you will be killed by my sword. 2:13 He will stretch out his hand against the north, destroy Assyria, and will make Nineveh a desolation, as dry as the wilderness. 2:14 Herds will lie down in the midst of her, all the animals of the nations. Both the pelican and the porcupine will lodge in its capitals. Their calls will echo through the windows. Desolation will be in the thresholds, for he has laid bare the cedar beams. 2:15 This is the joyous city that lived carelessly, that said in her heart, “I am, and there is none besides me.” How she has become a desolation, a place for animals to lie down in! Everyone who passes by her will hiss, and shake their fists.

 

Chapitre 2

1 Rentrez en vous-mêmes, examinez-vous, Nation sans pudeur,

2 Avant que le décret s'exécute Et que ce jour passe comme la balle, Avant que la colère ardente de l'Éternel fonde sur vous, Avant que le jour de la colère de l'Éternel fonde sur vous!

3 Cherchez l'Éternel, vous tous, humbles du pays, Qui pratiquez ses ordonnances! Recherchez la justice, recherchez l'humilité! Peut-être serez-vous épargnés au jour de la colère de l'Éternel.

4 Car Gaza sera délaissée, Askalon sera réduite en désert, Asdod sera chassée en plein midi, Ékron sera déracinée.

5 Malheur aux habitants des côtes de la mer, à la nation des Kéréthiens! L'Éternel a parlé contre toi, Canaan, pays des Philistins! Je te détruirai, tu n'auras plus d'habitants.

6 Les côtes de la mer seront des pâturages, des demeures pour les bergers, Et des parcs pour les troupeaux. 7 Ces côtes seront pour les restes de la maison de Juda; C'est là qu'ils paîtront; Ils reposeront le soir dans les maisons d'Askalon; Car l'Éternel, leur Dieu, ne les oubliera pas, Et il ramènera leurs captifs.

8 J'ai entendu les injures de Moab Et les outrages des enfants d'Ammon, Quand ils insultaient mon peuple Et s'élevaient avec arrogance contre ses frontières. 9 C'est pourquoi, je suis vivant! dit l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, Moab sera comme Sodome, et les enfants d'Ammon comme Gomorrhe, Un lieu couvert de ronces, une mine de sel, un désert pour toujours; Le reste de mon peuple les pillera, Le reste de ma nation les possédera.

10 Cela leur arrivera pour leur orgueil, Parce qu'ils ont insulté et traité avec arrogance Le peuple de l'Éternel des armées.

11 L'Éternel sera terrible contre eux, Car il anéantira tous les dieux de la terre; Et chacun se prosternera devant lui dans son pays, Dans toutes les îles des nations.

12 Vous aussi, Éthiopiens, Vous serez frappés par mon épée.

13 Il étendra sa main sur le septentrion, Il détruira l'Assyrie, Et il fera de Ninive une solitude, Une terre aride comme le désert.

14 Des troupeaux se coucheront au milieu d'elle, Des animaux de toute espèce; Le pélican et le hérisson Habiteront parmi les chapiteaux de ses colonnes; Des cris retentiront aux fenêtres; La dévastation sera sur le seuil, Car les lambris de cèdre seront arrachés.

15 Voilà donc cette ville joyeuse, Qui s'assied avec assurance, Et qui dit en son coeur: Moi, et rien que moi! Eh quoi! elle est en ruines, C'est un repaire pour les bêtes! Tous ceux qui passeront près d'elle Siffleront et agiteront la main.