T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
GENESISY
EKSODOSY
LEVITIKA
NOMERY
DETORONOMIA
MPITSARA
JOSOA
ROTA
1SAMOELA
2SAMOELA
1 MPANJAKA
2 MPANJAKA
1TANTARA
2TANTARA
EZRA
NEHEMIA
ESTERA
JOBA
SALAMO
OHABOLANA
MPITORITENY
TONONKIRA
ISAIA
JEREMIA
FITOMANIANA
EZEKIELA
DANIELA
HOSEA
JOELA
AMOSA
OBADIA
JONA
MIKA
NAHOMA
HABAKOKA
ZEFANIA
HAGAY
ZAKARIA
MALAKIA

Chapitre 1

1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.

2 [Ny hamaliana ny firenena rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;

3 Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.

4 Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,

5 Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama*, [*Na: ny mpanjakany]

6 Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.

7 Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.

8 Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.

9 Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.

10 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.

11 Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy*; Fa ringana avokoa ny mpandranto** rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [*Maktesy = Laona] [**Na: vahoakan'i Kanana]

12 Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.

13 Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

14 Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.

15 Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.

16 Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.

17 Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.

18 Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny  fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka* tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [*Na: mahatsiravina]

Chapitre 1

1:1 The word of Yahweh which came to Zephaniah, the son of Cushi, the son of Gedaliah, the son of Amariah, the son of Hezekiah, in the days of Josiah, the son of Amon, king of Judah. 1:2 I will utterly sweep away everything off of the surface of the earth, says Yahweh. 1:3 I will sweep away man and animal. I will sweep away the birds of the sky, the fish of the sea, and the heaps of rubble with the wicked. I will cut off man from the surface of the earth, says Yahweh. 1:4 I will stretch out my hand against Judah, and against all the inhabitants of Jerusalem. I will cut off the remnant of Baal from this place: the name of the idolatrous and pagan priests, 1:5 those who worship the army of the sky on the housetops, those who worship and swear by Yahweh and also swear by Malcam, 1:6 those who have turned back from following Yahweh, and those who haven’t sought Yahweh nor inquired after him. 1:7 Be silent at the presence of the Lord Yahweh, for the day of Yahweh is at hand. For Yahweh has prepared a sacrifice. He has consecrated his guests. 1:8 It will happen in the day of Yahweh’s sacrifice, that I will punish the princes, the king’s sons, and all those who are clothed with foreign clothing. 1:9 In that day, I will punish all those who leap over the threshold, who fill their master’s house with violence and deceit. 1:10 In that day, says Yahweh, there will be the noise of a cry from the fish gate, a wailing from the second quarter, and a great crashing from the hills. 1:11 Wail, you inhabitants of Maktesh, for all the people of Canaan are undone! All those who were loaded with silver are cut off. 1:12 It will happen at that time, that I will search Jerusalem with lamps, and I will punish the men who are settled on their dregs, who say in their heart, “Yahweh will not do good, neither will he do evil.” 1:13 Their wealth will become a spoil, and their houses a desolation. Yes, they will build houses, but won’t inhabit them. They will plant vineyards, but won’t drink their wine. 1:14 The great day of Yahweh is near. It is near, and hurries greatly, the voice of the day of Yahweh. The mighty man cries there bitterly. 1:15 That day is a day of wrath, a day of distress and anguish, a day of trouble and ruin, a day of darkness and gloom, a day of clouds and blackness, 1:16 a day of the trumpet and alarm, against the fortified cities, and against the high battlements. 1:17 I will bring distress on men, that they will walk like blind men, because they have sinned against Yahweh, and their blood will be poured out like dust, and their flesh like dung. 1:18 Neither their silver nor their gold will be able to deliver them in the day of Yahweh’s wrath, but the whole land will be devoured by the fire of his jealousy; for he will make an end, yes, a terrible end, of all those who dwell in the land.

Chapitre 1
1 La parole de l'Éternel qui fut adressée à Sophonie, fils de Cuschi, fils de Guedalia, fils d'Amaria, fils d'Ézéchias, au temps de Josias, fils d'Amon, roi de Juda. 2 Je détruirai tout sur la face de la terre, Dit l'Éternel. 3 Je détruirai les hommes et les bêtes, Les oiseaux du ciel et les poissons de la mer, Les objets de scandale, et les méchants avec eux; J'exterminerai les hommes de la face de la terre, Dit l'Éternel. 4 J'étendrai ma main sur Juda, Et sur tous les habitants de Jérusalem; J'exterminerai de ce lieu les restes de Baal, Le nom de ses ministres et les prêtres avec eux, 5 Ceux qui se prosternent sur les toits devant l'armée des cieux, Ceux qui se prosternent en jurant par l'Éternel Et en jurant par leur roi, 6 Ceux qui se sont détournés de l'Éternel, Et ceux qui ne cherchent pas l'Éternel, Qui ne le consultent pas. 7 Silence devant le Seigneur, l'Éternel! Car le jour de l'Éternel est proche, Car l'Éternel a préparé le sacrifice, Il a choisi ses conviés. 8 Au jour du sacrifice de l'Éternel, Je châtierai les princes et les fils du roi, Et tous ceux qui portent des vêtements étrangers. 9 En ce jour-là, je châtierai tous ceux qui sautent par-dessus le seuil, Ceux qui remplissent de violence et de fraude la maison de leur maître. 10 En ce jour-là, dit l'Éternel, Il y aura des cris à la porte des poissons, Des lamentations dans l'autre quartier de la ville, Et un grand désastre sur les collines. 11 Gémissez, habitants de Macthesch! Car tous ceux qui trafiquent sont détruits, Tous les hommes chargés d'argent sont exterminés. 12 En ce temps-là, je fouillerai Jérusalem avec des lampes, Et je châtierai les hommes qui reposent sur leurs lies, Et qui disent dans leur coeur: L'Éternel ne fait ni bien ni mal. 13 Leurs biens seront au pillage, Et leurs maisons seront dévastées; Ils auront bâti des maisons, qu'ils n'habiteront plus, Ils auront planté des vignes, dont ils ne boiront plus le vin. 14 Le grand jour de l'Éternel est proche, Il est proche, il arrive en toute hâte; Le jour de l'Éternel fait entendre sa voix, Et le héros pousse des cris amers. 15 Ce jour est un jour de fureur, Un jour de détresse et d'angoisse, Un jour de ravage et de destruction, Un jour de ténèbres et d'obscurité, Un jour de nuées et de brouillards, 16 Un jour où retentiront la trompette et les cris de guerre Contre les villes fortes et les tours élevées. 17 Je mettrai les hommes dans la détresse, Et ils marcheront comme des aveugles, Parce qu'ils ont péché contre l'Éternel; Je répandrai leur sang comme de la poussière, Et leur chair comme de l'ordure. 18 Ni leur argent ni leur or ne pourront les délivrer, Au jour de la fureur de l'Éternel; Par le feu de sa jalousie tout le pays sera consumé; Car il détruira soudain tous les habitants du pays.