T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 [Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona* Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]

2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.

3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.

4 Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.

5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.

6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.

7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.

8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary* tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]

9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho atỳ aminao][**heb. voavonjy]

10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]

11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.

12 Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.

13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,

14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.

15 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.

16 Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.

17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]

 

Chapitre 9

9:1 An oracle.

The word of Yahweh is against the land of Hadrach,
and will rest upon Damascus;
for the eye of man
and of all the tribes of Israel is toward Yahweh;
9:2 and Hamath, also, which borders on it;
Tyre and Sidon, because they are very wise.
9:3 Tyre built herself a stronghold,
and heaped up silver like the dust,
and fine gold like the mire of the streets.
9:4 Behold, the Lord will dispossess her,
and he will strike her power in the sea;
and she will be devoured with fire.
9:5 Ashkelon will see it, and fear;
Gaza also, and will writhe in agony;
as will Ekron, for her expectation will be disappointed;
and the king will perish from Gaza,
and Ashkelon will not be inhabited.
9:6 Foreigners will dwell in Ashdod,
and I will cut off the pride of the Philistines.
9:7 I will take away his blood out of his mouth,
and his abominations from between his teeth;
and he also will be a remnant for our God;
and he will be as a chieftain in Judah,
and Ekron as a Jebusite.
9:8 I will encamp around my house against the army,
that none pass through or return;
and no oppressor will pass through them any more:
for now I have seen with my eyes.
9:9 Rejoice greatly, daughter of Zion!
Shout, daughter of Jerusalem!
Behold, your King comes to you!
He is righteous, and having salvation;
lowly, and riding on a donkey,
even on a colt, the foal of a donkey.
9:10 I will cut off the chariot from Ephraim,
and the horse from Jerusalem;
and the battle bow will be cut off;
and he will speak peace to the nations:
and his dominion will be from sea to sea,
and from the River to the ends of the earth.
9:11 As for you also,
because of the blood of your covenant,
I have set free your prisoners from the pit in which is no water.
9:12 Turn to the stronghold, you prisoners of hope!
Even today I declare that I will restore double to you.
9:13 For indeed I bend Judah as a bow for me.
I have filled the bow with Ephraim;
and I will stir up your sons, Zion,
against your sons, Greece,
and will make you like the sword of a mighty man.
9:14 Yahweh will be seen over them;
and his arrow will go flash like lightning;
and the Lord Yahweh will blow the trumpet,
and will go with whirlwinds of the south.
9:15 Yahweh of Armies will defend them;
and they will destroy and overcome with sling stones;
and they will drink, and roar as through wine;
and they will be filled like bowls,
like the corners of the altar.
9:16 Yahweh their God will save them in that day as the flock of his people;
for they are like the jewels of a crown,
lifted on high over his land.
9:17 For how great is his goodness,
and how great is his beauty!
Grain will make the young men flourish,
and new wine the virgins.

 

Chapitre 9
1 Oracle, parole de l'Éternel sur le pays de Hadrac. Elle s'arrête sur Damas, Car l'Éternel a l'oeil sur les hommes Comme sur toutes les tribus d'Israël; 2 Elle s'arrête aussi sur Hamath, à la frontière de Damas, Sur Tyr et Sidon, malgré toute leur sagesse. 3 Tyr s'est bâti une forteresse; Elle a amassé l'argent comme la poussière, Et l'or comme la boue des rues. 4 Voici, le Seigneur s'en emparera, Il précipitera sa puissance dans la mer, Et elle sera consumée par le feu. 5 Askalon le verra, et elle sera dans la crainte; Gaza aussi, et un violent tremblement la saisira; Ékron aussi, car son espoir sera confondu. Le roi disparaîtra de Gaza, Et Askalon ne sera plus habitée. 6 L'étranger s'établira dans Asdod, Et j'abattrai l'orgueil des Philistins. 7 J'ôterai le sang de sa bouche, Et les abominations d'entre ses dents; Lui aussi restera pour notre Dieu; Il sera comme un chef en Juda, Et Ékron sera comme les Jébusiens. 8 Je camperai autour de ma maison pour la défendre contre une armée, Contre les allants et les venants, Et l'oppresseur ne passera plus près d'eux; Car maintenant mes yeux sont fixés sur elle. 9 Sois transportée d'allégresse, fille de Sion! Pousse des cris de joie, fille de Jérusalem! Voici, ton roi vient à toi; Il est juste et victorieux, Il est humble et monté sur un âne, Sur un âne, le petit d'une ânesse. 10 Je détruirai les chars d'Éphraïm, Et les chevaux de Jérusalem; Et les arcs de guerre seront anéantis. Il annoncera la paix aux nations, Et il dominera d'une mer à l'autre, Depuis le fleuve jusqu'aux extrémités de la terre. 11 Et pour toi, à cause de ton alliance scellée par le sang, Je retirerai tes captifs de la fosse où il n'y a pas d'eau. 12 Retournez à la forteresse, captifs pleins d'espérance! Aujourd'hui encore je le déclare, Je te rendrai le double. 13 Car je bande Juda comme un arc, Je m'arme d'Éphraïm comme d'un arc, Et je soulèverai tes enfants, ô Sion, Contre tes enfants, ô Javan! Je te rendrai pareille à l'épée d'un vaillant homme. 14 L'Éternel au-dessus d'eux apparaîtra, Et sa flèche partira comme l'éclair; Le Seigneur, l'Éternel, sonnera de la trompette, Il s'avancera dans l'ouragan du midi. 15 L'Éternel des armées les protégera; Ils dévoreront, ils vaincront les pierres de la fronde; Ils boiront, ils seront bruyants comme pris de vin; Ils seront pleins comme une coupe, Comme les coins de l'autel. 16 L'Éternel, leur Dieu, les sauvera en ce jour-là, Comme le troupeau de son peuple; Car ils sont les pierres d'un diadème, Qui brilleront dans son pays. 17 Oh! quelle prospérité pour eux! quelle beauté! Le froment fera croître les jeunes hommes, Et le moût les jeunes filles.