T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 [Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);

2 ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony* hifona amin'i Jehovah [na: ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka]

3 ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?

4 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:

5 Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?

6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo*? [na: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro]

7 Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka*? [na: sefela]

8 Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;

10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.

11 Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.

12 Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,

13 Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;

14 fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.

 

Chapitre 7

1 It happened in the fourth year of king Darius that the word of Yahweh came to Zechariah in the fourth day of the ninth month, the month of Chislev.

2 The people of Bethel sent Sharezer and Regem Melech, and their men, to entreat Yahweh’s favor,

3 and to speak to the priests of the house of Yahweh of Armies, and to the prophets, saying, “Should I weep in the fifth month, separating myself, as I have done these so many years?”

4 Then the word of Yahweh of Armies came to me, saying,

5 “Speak to all the people of the land, and to the priests, saying, ‘When you fasted and mourned in the fifth and in the seventh month for these seventy years, did you at all fast to me, really to me?

6 When you eat, and when you drink, don’t you eat for yourselves, and drink for yourselves?

7 Aren’t these the words which Yahweh proclaimed by the former prophets, when Jerusalem was inhabited and in prosperity, and its cities around her, and the South and the lowland were inhabited?’”

8 The word of Yahweh came to Zechariah, saying,

9 “Thus has Yahweh of Armies spoken, saying, ‘Execute true judgment, and show kindness and compassion every man to his brother.

10 Don’t oppress the widow, nor the fatherless, the foreigner, nor the poor; and let none of you devise evil against his brother in your heart.’

11 But they refused to listen, and turned their backs, and stopped their ears, that they might not hear.

12 Yes, they made their hearts as hard as flint, lest they might hear the law, and the words which Yahweh of Armies had sent by his Spirit by the former prophets. Therefore great wrath came from Yahweh of Armies.

13 It has come to pass that, as he called, and they refused to listen, so they will call, and I will not listen,” said Yahweh of Armies;

14 “but I will scatter them with a whirlwind among all the nations which they have not known. Thus the land was desolate after them, so that no man passed through nor returned: for they made the pleasant land desolate.”

 

Chapitre 7
1 La quatrième année du roi Darius, la parole de l'Éternel fut adressée à Zacharie, le quatrième jour du neuvième mois, qui est le mois de Kisleu.

2 On avait envoyé de Béthel Scharetser et Réguem-Mélec avec ses gens pour implorer l'Éternel,

3 et pour dire aux sacrificateurs de la maison de l'Éternel des armées et aux prophètes: Faut-il que je pleure au cinquième mois et que je fasse abstinence, comme je l'ai fait tant d'années?

4 La parole de l'Éternel des armées me fut adressée, en ces mots:

5 Dis à tout le peuple du pays et aux sacrificateurs: Quand vous avez jeûné et pleuré au cinquième et au septième mois, et cela depuis soixante-dix ans, est-ce pour moi que vous avez jeûné?

6 Et quand vous mangez et buvez, n'est-ce pas vous qui mangez et vous qui buvez?

7 Ne connaissez-vous pas les paroles qu'a proclamées l'Éternel par les premiers prophètes, lorsque Jérusalem était habitée et tranquille avec ses villes à l'entour, et que le midi et la plaine étaient habités?

8 La parole de l'Éternel fut adressée à Zacharie, en ces mots:

9 Ainsi parlait l'Éternel des armées: Rendez véritablement la justice, Et ayez l'un pour l'autre de la bonté et de la miséricorde.

10 N'opprimez pas la veuve et l'orphelin, l'étranger et le pauvre, Et ne méditez pas l'un contre l'autre le mal dans vos coeurs.

11 Mais ils refusèrent d'être attentifs, ils eurent l'épaule rebelle, et ils endurcirent leurs oreilles pour ne pas entendre.

12 Ils rendirent leur coeur dur comme le diamant, pour ne pas écouter la loi et les paroles que l'Éternel des armées leur adressait par son esprit, par les premiers prophètes. Ainsi l'Éternel des armées s'enflamma d'une grande colère. 13 Quand il appelait, ils n'ont pas écouté: aussi n'ai-je pas écouté, quand ils ont appelé, dit l'Éternel des armées. 14 Je les ai dispersés parmi toutes les nations qu'ils ne connaissaient pas; le pays a été dévasté derrière eux, il n'y a plus eu ni allants ni venants; et d'un pays de délices ils ont fait un désert.