T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Fahitana fahafito: ny amin'ny kalesy efatra] Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.

2 Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;

3 tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena*. [na: sada sady matanjaka]

4 Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?

5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.

6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.

7 Ary ny mena* dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy. [na: matanjaka]

8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.

9 [Ny satro-boninahitra teo an-dohan'i Josoa] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

10 Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,

11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;

12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana*; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy** sady hanao ny tempolin'i Jehovah. [*na: solofo] [**na: ary hisy hitsimoka eo ambaniny]

13 Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy*; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany]

14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.

15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

 

Chapitre 6

6:1 Again I lifted up my eyes, and saw, and behold, four chariots came out from between two mountains; and the mountains were mountains of brass. 6:2 In the first chariot were red horses; in the second chariot black horses; 6:3 in the third chariot white horses; and in the fourth chariot dappled horses, all of them powerful. 6:4 Then I asked the angel who talked with me, “What are these, my lord?”

6:5 The angel answered me, “These are the four winds of the sky, which go forth from standing before the Lord of all the earth. 6:6 The one with the black horses goes out toward the north country; and the white went out after them; and the dappled went forth toward the south country.” 6:7 The strong went out, and sought to go that they might walk back and forth through the earth: and he said, “Go around and through the earth!” So they walked back and forth through the earth.

6:8 Then he called to me, and spoke to me, saying, “Behold, those who go toward the north country have quieted my spirit in the north country.”

6:9 The word of Yahweh came to me, saying, 6:10 “Take of them of the captivity, even of Heldai, of Tobijah, and of Jedaiah; and come the same day, and go into the house of Josiah the son of Zephaniah, where they have come from Babylon. 6:11 Yes, take silver and gold, and make crowns, and set them on the head of Joshua the son of Jehozadak, the high priest; 6:12 and speak to him, saying, ‘Thus says Yahweh of Armies, “Behold, the man whose name is the Branch: and he shall grow up out of his place; and he shall build Yahweh’s temple; 6:13 even he shall build Yahweh’s temple; and he shall bear the glory, and shall sit and rule on his throne; and he shall be a priest on his throne; and the counsel of peace shall be between them both. 6:14 The crowns shall be to Helem, and to Tobijah, and to Jedaiah, and to Hen the son of Zephaniah, for a memorial in Yahweh’s temple. 6:15 Those who are far off shall come and build in Yahweh’s temple; and you shall know that Yahweh of Armies has sent me to you. This will happen, if you will diligently obey the voice of Yahweh your God.”’”

 

Chapitre 6
1 Je levai de nouveau les yeux et je regardai, et voici, quatre chars sortaient d'entre deux montagnes; et les montagnes étaient des montagnes d'airain. 2 Au premier char il y avait des chevaux roux, au second char des chevaux noirs, 3 au troisième char des chevaux blancs, et au quatrième char des chevaux tachetés, rouges. 4 Je pris la parole et je dis à l'ange qui parlait avec moi: Qu'est-ce, mon seigneur? 5 L'ange me répondit: Ce sont les quatre vents des cieux, qui sortent du lieu où ils se tenaient devant le Seigneur de toute la terre. 6 Les chevaux noirs attelés à l'un des chars se dirigent vers le pays du septentrion, et les blancs vont après eux; les tachetés se dirigent vers le pays du midi. 7 Les rouges sortent et demandent à aller parcourir la terre. L'ange leur dit: Allez, parcourez la terre! Et ils parcoururent la terre. 8 Il m'appela, et il me dit: Vois, ceux qui se dirigent vers le pays du septentrion font reposer ma colère sur le pays du septentrion. 9 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 10 Tu recevras les dons des captifs, Heldaï, Tobija et Jedaeja, et tu iras toi-même ce jour-là, tu iras dans la maison de Josias, fils de Sophonie, où ils se sont rendus en arrivant de Babylone. 11 Tu prendras de l'argent et de l'or, et tu en feras des couronnes, que tu mettras sur la tête de Josué, fils de Jotsadak, le souverain sacrificateur. 12 Tu lui diras: Ainsi parle l'Éternel des armées: Voici, un homme, dont le nom est germe, germera dans son lieu, et bâtira le temple de l'Éternel. 13 Il bâtira le temple de l'Éternel; il portera les insignes de la majesté; il s'assiéra et dominera sur son trône, il sera sacrificateur sur son trône, et une parfaite union régnera entre l'un et l'autre. 14 Les couronnes seront pour Hélem, Tobija et Jedaeja, et pour Hen, fils de Sophonie, un souvenir dans le temple de l'Éternel. 15 Ceux qui sont éloignés viendront et travailleront au temple de l'Éternel; et vous saurez que l'Éternel des armées m'a envoyé vers vous. Cela arrivera, si vous écoutez la voix de l'Éternel, votre Dieu.