T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata famarana] Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.

2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.

3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.

4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.

5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.

6 Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana* 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra [Heb. efaha]

7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana*. [Heb. efaha]

8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana* io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. [Heb. efaha]

9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7

10 Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana*. [Heb. efaha]

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.

 

 

Chapitre 5

5:1 Then again I lifted up my eyes, and saw, and behold, a flying scroll. 5:2 He said to me, “What do you see?”

I answered, “I see a flying scroll; its length is twenty cubits, and its breadth ten cubits.”

5:3 Then he said to me, “This is the curse that goes out over the surface of the whole land; for everyone who steals shall be cut off according to it on the one side; and everyone who swears falsely shall be cut off according to it on the other side. 5:4 I will cause it to go out,” says Yahweh of Armies, “and it will enter into the house of the thief, and into the house of him who swears falsely by my name; and it will remain in the midst of his house, and will destroy it with its timber and its stones.”

5:5 Then the angel who talked with me came forward, and said to me, “Lift up now your eyes, and see what is this that is appearing.”

5:6 I said, “What is it?”

He said, “This is the ephah basket that is appearing.” He said moreover, “This is their appearance in all the land 5:7 (and behold, a talent of lead was lifted up); and this is a woman sitting in the midst of the ephah basket.” 5:8 He said, “This is Wickedness”; and he threw her down into the midst of the ephah basket; and he threw the weight of lead on its mouth.

5:9 Then lifted I up my eyes, and saw, and behold, there were two women, and the wind was in their wings. Now they had wings like the wings of a stork, and they lifted up the ephah basket between earth and the sky. 5:10 Then I said to the angel who talked with me, “Where are these carrying the ephah basket?”

5:11 He said to me, “To build her a house in the land of Shinar. When it is prepared, she will be set there in her own place.”

 

Chapitre 5
1 Je levai de nouveau les yeux et je regardai, et voici, il y avait un rouleau qui volait.

2 Il me dit: Que vois-tu? Je répondis: Je vois un rouleau qui vole; il a vingt coudées de longueur, et dix coudées de largeur.

3 Et il me dit: C'est la malédiction qui se répand sur tout le pays; car selon elle tout voleur sera chassé d'ici, et selon elle tout parjure sera chassé d'ici.

4 Je la répands, dit l'Éternel des armées, afin qu'elle entre dans la maison du voleur et de celui qui jure faussement en mon nom, afin qu'elle y établisse sa demeure, et qu'elle la consume avec le bois et les pierres.

5 L'ange qui parlait avec moi s'avança, et il me dit: Lève les yeux, et regarde ce qui sort là.

6 Je répondis: Qu'est-ce? Et il dit: C'est l'épha qui sort. Il ajouta: C'est leur iniquité dans tout le pays.

7 Et voici, une masse de plomb s'éleva, et il y avait une femme assise au milieu de l'épha.

8 Il dit: C'est l'iniquité. Et il la repoussa dans l'épha, et il jeta sur l'ouverture la masse de plomb.

9 Je levai les yeux et je regardai, et voici, deux femmes parurent. Le vent soufflait dans leurs ailes; elles avaient des ailes comme celles de la cigogne. Elles enlevèrent l'épha entre la terre et le ciel.

10 Je dis à l'ange qui parlait avec moi: Où emportent-elles l'épha?

11 Il me répondit: Elles vont lui bâtir une maison dans le pays de Schinear; et quand elle sera prête, il sera déposé là dans son lieu.