T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 [Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.

2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;

3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?

5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.

6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .

7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao*; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]

8 Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

9 Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.

10 Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra

11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?

12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.

14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra

 

Chapitre 4

4:1 The angel who talked with me came again, and wakened me, as a man who is wakened out of his sleep. 4:2 He said to me, “What do you see?”

I said, “I have seen, and behold, a lampstand all of gold, with its bowl on the top of it, and its seven lamps thereon; there are seven pipes to each of the lamps, which are on the top of it; 4:3 and two olive trees by it, one on the right side of the bowl, and the other on the left side of it.”

4:4 I answered and spoke to the angel who talked with me, saying, “What are these, my lord?”

4:5 Then the angel who talked with me answered me, “Don’t you know what these are?”

I said, “No, my lord.”

4:6 Then he answered and spoke to me, saying, “This is the word of Yahweh to Zerubbabel, saying, ‘Not by might, nor by power, but by my Spirit,’ says Yahweh of Armies. 4:7 Who are you, great mountain? Before Zerubbabel you are a plain; and he will bring out the capstone with shouts of ‘Grace, grace, to it!’”

4:8 Moreover the word of Yahweh came to me, saying, 4:9 “The hands of Zerubbabel have laid the foundation of this house. His hands shall also finish it; and you will know that Yahweh of Armies has sent me to you. 4:10 Indeed, who despises the day of small things? For these seven shall rejoice, and shall see the plumb line in the hand of Zerubbabel. These are the eyes of Yahweh, which run back and forth through the whole earth.”

4:11 Then I asked him, “What are these two olive trees on the right side of the lampstand and on the left side of it?”

4:12 I asked him the second time, “What are these two olive branches, which are beside the two golden spouts, that pour the golden oil out of themselves?”

4:13 He answered me, “Don’t you know what these are?”

I said, “No, my lord.”

4:14 Then he said, “These are the two anointed ones who stand by the Lord of the whole earth.”

 

Chapitre 4
1 L'ange qui parlait avec moi revint, et il me réveilla comme un homme que l'on réveille de son sommeil. 2 Il me dit: Que vois-tu? Je répondis: Je regarde, et voici, il y a un chandelier tout d'or, surmonté d'un vase et portant sept lampes, avec sept conduits pour les lampes qui sont au sommet du chandelier; 3 et il y a près de lui deux oliviers, l'un à la droite du vase, et l'autre à sa gauche. 4 Et reprenant la parole, je dis à l'ange qui parlait avec moi: Que signifient ces choses, mon seigneur? 5 L'ange qui parlait avec moi me répondit: Ne sais-tu pas ce que signifient ces choses? Je dis: Non, mon seigneur. 6 Alors il reprit et me dit: C'est ici la parole que l'Éternel adresse à Zorobabel: Ce n'est ni par la puissance ni par la force, mais c'est par mon esprit, dit l'Éternel des armées. 7 Qui es-tu, grande montagne, devant Zorobabel? Tu seras aplanie. Il posera la pierre principale au milieu des acclamations: Grâce, grâce pour elle! 8 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 9 Les mains de Zorobabel ont fondé cette maison, et ses mains l'achèveront; et tu sauras que l'Éternel des armées m'a envoyé vers vous. 10 Car ceux qui méprisaient le jour des faibles commencements se réjouiront en voyant le niveau dans la main de Zorobabel. Ces sept sont les yeux de l'Éternel, qui parcourent toute la terre. 11 Je pris la parole et je lui dis: Que signifient ces deux oliviers, à la droite du chandelier et à sa gauche? 12 Je pris une seconde fois la parole, et je lui dis: Que signifient les deux rameaux d'olivier, qui sont près des deux conduits d'or d'où découle l'or? 13 Il me répondit: Ne sais-tu pas ce qu'ils signifient? Je dis: Non, mon seigneur. 14 Et il dit: Ce sont les deux oints qui se tiennent devant le Seigneur de toute la terre.