T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Fahitana faharoa: ny amin'ny tandroka efatra sy ny mpiasa efatra] Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.

2 Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.

3 Ary dia nanehoan'i Jehovah mpiasa efatra aho.

4 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.

5 [Fahitana fahatelo: ny amin-dralehilahy nitondra famolaina] Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.

 

6 Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.

7 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy

8 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

9 Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.

 

10 He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.

11 He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.

12 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. [Heb. aorian'ny]

13 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy.

14 Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.

15 Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.

16 Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

17 Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.

 

Chapitre 2

2:1 I lifted up my eyes, and saw, and behold, a man with a measuring line in his hand. 2:2 Then I asked, “Where are you going?”

He said to me, “To measure Jerusalem, to see what is its breadth and what is its length.”

2:3 Behold, the angel who talked with me went forth, and another angel went out to meet him, 2:4 and said to him, “Run, speak to this young man, saying, ‘Jerusalem will be inhabited as villages without walls, because of the multitude of men and livestock in it. 2:5 For I,’ says Yahweh, ‘will be to her a wall of fire around it, and I will be the glory in the midst of her. 2:6 Come! Come! Flee from the land of the north,’ says Yahweh; ‘for I have spread you abroad as the four winds of the sky,’ says Yahweh. 2:7 ‘Come, Zion! Escape, you who dwell with the daughter of Babylon.’ 2:8 For thus says Yahweh of Armies: ‘For honor he has sent me to the nations which plundered you; for he who touches you touches the apple of his eye. 2:9 For, behold, I will shake my hand over them, and they will be a spoil to those who served them; and you will know that Yahweh of Armies has sent me. 2:10 Sing and rejoice, daughter of Zion; for, behold, I come, and I will dwell in the midst of you,’ says Yahweh. 2:11 Many nations shall join themselves to Yahweh in that day, and shall be my people; and I will dwell in the midst of you, and you shall know that Yahweh of Armies has sent me to you. 2:12 Yahweh will inherit Judah as his portion in the holy land, and will again choose Jerusalem. 2:13 Be silent, all flesh, before Yahweh; for he has roused himself from his holy habitation!”

 

Chapitre 2
1 Je levai les yeux et je regardai, et voici, il y avait un homme tenant dans la main un cordeau pour mesurer.

2 Je dis: Où vas-tu? Et il me dit: Je vais mesurer Jérusalem, pour voir de quelle largeur et de quelle longueur elle doit être.

3 Et voici, l'ange qui parlait avec moi s'avança, et un autre ange vint à sa rencontre.

4 Il lui dit: Cours, parle à ce jeune homme, et dis: Jérusalem sera une ville ouverte, à cause de la multitude d'hommes et de bêtes qui seront au milieu d'elle;

5 je serai pour elle, dit l'Éternel, une muraille de feu tout autour, et je serai sa gloire au milieu d'elle.

6 Fuyez, fuyez du pays du septentrion! Dit l'Éternel. Car je vous ai dispersés aux quatre vents des cieux, Dit l'Éternel. 7 Sauve-toi, Sion, Toi qui habites chez la fille de Babylone!

8 Car ainsi parle l'Éternel des armées: Après cela, viendra la gloire! Il m'a envoyé vers les nations qui vous ont dépouillés; Car celui qui vous touche touche la prunelle de son oeil.

9 Voici, je lève ma main contre elles, Et elles seront la proie de ceux qui leur étaient asservis. Et vous saurez que l'Éternel des armées m'a envoyé. 10 Pousse des cris d'allégresse et réjouis-toi, Fille de Sion! Car voici, je viens, et j'habiterai au milieu de toi, Dit l'Éternel.

11 Beaucoup de nations s'attacheront à l'Éternel en ce jour-là, Et deviendront mon peuple; J'habiterai au milieu de toi, Et tu sauras que l'Éternel des armées m'a envoyé vers toi.

12 L'Éternel possédera Juda comme sa part Dans la terre sainte, Et il choisira encore Jérusalem.

13 Que toute chair fasse silence devant l'Éternel! Car il s'est réveillé de sa demeure sainte.