T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.

2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.

 

3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.

4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.

5 Dia handositra ho any amin*'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy**. [na: hamaky][heb. Anao]

 

6 Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;

7 fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.

8 Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.

9 Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.

10 Ho tonga tahaka ny tani-hay* ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. [heb. Arabà]

11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona* intsony, fa Jerosalema handry fahizay. [heb. herema]

12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.

13 Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.

14 Ary ny Joda koa hamely an'i* Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka. [na: hiady any]

15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.

16 Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

17 Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.

18 Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

19 Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana]

20 Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.

21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita* intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. [na: mpandranto]

 

Chapitre 14
14:1 Behold, a day of Yahweh comes, when your spoil will be divided in your midst. 14:2 For I will gather all nations against Jerusalem to battle; and the city will be taken, the houses rifled, and the women ravished. Half of the city will go out into captivity, and the rest of the people will not be cut off from the city. 14:3 Then Yahweh will go out and fight against those nations, as when he fought in the day of battle. 14:4 His feet will stand in that day on the Mount of Olives, which is before Jerusalem on the east; and the Mount of Olives will be split in two, from east to west, making a very great valley. Half of the mountain will move toward the north, and half of it toward the south. 14:5 You shall flee by the valley of my mountains; for the valley of the mountains shall reach to Azel; yes, you shall flee, just like you fled from before the earthquake in the days of Uzziah king of Judah. Yahweh my God will come, and all the holy ones with you. 14:6 It will happen in that day, that there will not be light, cold, or frost. 14:7 It will be a unique day which is known to Yahweh; not day, and not night; but it will come to pass, that at evening time there will be light.

14:8 It will happen in that day, that living waters will go out from Jerusalem; half of them toward the eastern sea, and half of them toward the western sea; in summer and in winter will it be.

14:9 Yahweh will be King over all the earth. In that day Yahweh will be one, and his name one. 14:10 All the land will be made like the Arabah, from Geba to Rimmon south of Jerusalem; and she will be lifted up, and will dwell in her place, from Benjamin’s gate to the place of the first gate, to the corner gate, and from the tower of Hananel to the king’s winepresses. 14:11 Men will dwell therein, and there will be no more curse; but Jerusalem will dwell safely. 14:12 This will be the plague with which Yahweh will strike all the peoples who have warred against Jerusalem: their flesh will consume away while they stand on their feet, and their eyes will consume away in their sockets, and their tongue will consume away in their mouth. 14:13 It will happen in that day, that a great panic from Yahweh will be among them; and they will lay hold everyone on the hand of his neighbor, and his hand will rise up against the hand of his neighbor. 14:14 Judah also will fight at Jerusalem; and the wealth of all the surrounding nations will be gathered together: gold, and silver, and clothing, in great abundance.

14:15 So will be the plague of the horse, of the mule, of the camel, and of the donkey, and of all the animals that will be in those camps, as that plague. 14:16 It will happen that everyone who is left of all the nations that came against Jerusalem will go up from year to year to worship the King, Yahweh of Armies, and to keep the feast of tents. 14:17 It will be, that whoever of all the families of the earth doesn’t go up to Jerusalem to worship the King, Yahweh of Armies, on them there will be no rain. 14:18 If the family of Egypt doesn’t go up, and doesn’t come, neither will it rain on them. This will be the plague with which Yahweh will strike the nations that don’t go up to keep the feast of tents. 14:19 This will be the punishment of Egypt, and the punishment of all the nations that don’t go up to keep the feast of tents. 14:20 In that day there will be on the bells of the horses, “HOLY TO YAHWEH”; and the pots in Yahweh’s house will be like the bowls before the altar. 14:21 Yes, every pot in Jerusalem and in Judah will be holy to Yahweh of Armies; and all those who sacrifice will come and take of them, and cook in them. In that day there will no longer be a Canaanite in the house of Yahweh of Armies.

 

Chapitre 14
1 Voici, le jour de l'Éternel arrive, Et tes dépouilles seront partagées au milieu de toi. 2 Je rassemblerai toutes les nations pour qu'elles attaquent Jérusalem; La ville sera prise, les maisons seront pillées, et les femmes violées; La moitié de la ville ira en captivité, Mais le reste du peuple ne sera pas exterminé de la ville. 3 L'Éternel paraîtra, et il combattra ces nations, Comme il combat au jour de la bataille. 4 Ses pieds se poseront en ce jour sur la montagne des oliviers, Qui est vis-à-vis de Jérusalem, du côté de l'orient; La montagne des oliviers se fendra par le milieu, à l'orient et à l'occident, Et il se formera une très grande vallée: Une moitié de la montagne reculera vers le septentrion, Et une moitié vers le midi. 5 Vous fuirez alors dans la vallée de mes montagnes, Car la vallée des montagnes s'étendra jusqu'à Atzel; Vous fuirez comme vous avez fui devant le tremblement de terre, Au temps d'Ozias, roi de Juda. Et l'Éternel, mon Dieu, viendra, et tous ses saints avec lui. 6 En ce jour-là, il n'y aura point de lumière; Il y aura du froid et de la glace. 7 Ce sera un jour unique, connu de l'Éternel, Et qui ne sera ni jour ni nuit; Mais vers le soir la lumière paraîtra. 8 En ce jour-là, des eaux vives sortiront de Jérusalem, Et couleront moitié vers la mer orientale, Moitié vers la mer occidentale; Il en sera ainsi été et hiver. 9 L'Éternel sera roi de toute la terre; En ce jour-là, l'Éternel sera le seul Éternel, Et son nom sera le seul nom. 10 Tout le pays deviendra comme la plaine, de Guéba à Rimmon, Au midi de Jérusalem; Et Jérusalem sera élevée et restera à sa place, Depuis la porte de Benjamin jusqu'au lieu de la première porte, Jusqu'à la porte des angles, Et depuis la tour de Hananeel jusqu'aux pressoirs du roi. 11 On habitera dans son sein, et il n'y aura plus d'interdit; Jérusalem sera en sécurité. 12 Voici la plaie dont l'Éternel frappera tous les peuples Qui auront combattu contre Jérusalem: Leur chair tombera en pourriture tandis qu'ils seront sur leurs pieds, Leurs yeux tomberont en pourriture dans leurs orbites, Et leur langue tombera en pourriture dans leur bouche. 13 En ce jour-là, l'Éternel produira un grand trouble parmi eux; L'un saisira la main de l'autre, Et ils lèveront la main les uns sur les autres. 14 Juda combattra aussi dans Jérusalem, Et l'on amassera les richesses de toutes les nations d'alentour, L'or, l'argent, et des vêtements en très grand nombre. 15 La plaie frappera de même les chevaux, Les mulets, les chameaux, les ânes, Et toutes les bêtes qui seront dans ces camps: Cette plaie sera semblable à l'autre. 16 Tous ceux qui resteront de toutes les nations Venues contre Jérusalem Monteront chaque année Pour se prosterner devant le roi, l'Éternel des armées, Et pour célébrer la fête des tabernacles. 17 S'il y a des familles de la terre qui ne montent pas à Jérusalem Pour se prosterner devant le roi, l'Éternel des armées, La pluie ne tombera pas sur elles. 18 Si la famille d'Égypte ne monte pas, si elle ne vient pas, La pluie ne tombera pas sur elle; Elle sera frappée de la plaie dont l'Éternel frappera les nations Qui ne monteront pas pour célébrer la fête des tabernacles. 19 Ce sera le châtiment de l'Égypte, Le châtiment de toutes les nations Qui ne monteront pas pour célébrer la fête des tabernacles. 20 En ce jour-là, il sera écrit sur les clochettes des chevaux: Sainteté à L'Éternel! Et les chaudières dans la maison de l'Éternel Seront comme les coupes devant l'autel. 21 Toute chaudière à Jérusalem et dans Juda Sera consacrée à l'Éternel des armées; Tous ceux qui offriront des sacrifices viendront Et s'en serviront pour cuire les viandes; Et il n'y aura plus de marchands dans la maison de l'Éternel des armées, En ce jour-là.