T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.

2 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.

3 Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.

4 Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,

5 fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]

6 Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin*'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny. [heb. anelanelan']

7 [Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.

8 Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.

9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.

 

Chapitre 13

13:1 “In that day there will be a spring opened to the house of David and to the inhabitants of Jerusalem, for sin and for uncleanness. 13:2 It will come to pass in that day, says Yahweh of Armies, that I will cut off the names of the idols out of the land, and they will be remembered no more. I will also cause the prophets and the spirit of impurity to pass out of the land. 13:3 It will happen that, when anyone still prophesies, then his father and his mother who bore him will tell him, ‘You must die, because you speak lies in the name of Yahweh;’ and his father and his mother who bore him will stab him when he prophesies. 13:4 It will happen in that day, that the prophets will each be ashamed of his vision, when he prophesies; neither will they wear a hairy mantle to deceive: 13:5 but he will say, ‘I am no prophet, I am a tiller of the ground; for I have been made a bondservant from my youth.’ 13:6 One will say to him, ‘What are these wounds between your arms?’ Then he will answer, ‘Those with which I was wounded in the house of my friends.’

13:7 “Awake, sword, against my shepherd,
and against the man who is close to me,” says Yahweh of Armies.
“Strike the shepherd, and the sheep will be scattered;
and I will turn my hand against the little ones.
13:8 It shall happen that in all the land,” says Yahweh,
“two parts in it will be cut off and die;
but the third will be left in it.
13:9 I will bring the third part into the fire,
and will refine them as silver is refined,
and will test them like gold is tested.
They will call on my name, and I will hear them.
I will say, ‘It is my people;’
and they will say, ‘Yahweh is my God.’”

 

Chapitre 13
1 En ce jour-là, une source sera ouverte Pour la maison de David et les habitants de Jérusalem, Pour le péché et pour l'impureté. 2 En ce jour-là, dit l'Éternel des armées, J'exterminerai du pays les noms des idoles, Afin qu'on ne s'en souvienne plus; J'ôterai aussi du pays les prophètes et l'esprit d'impureté. 3 Si quelqu'un prophétise encore, Son père et sa mère, qui l'ont engendré, lui diront: Tu ne vivras pas, car tu dis des mensonges au nom de l'Éternel! Et son père et sa mère, qui l'ont engendré, le transperceront Quand il prophétisera. 4 En ce jour-là, les prophètes rougiront de leurs visions Quand ils prophétiseront, Et ils ne revêtiront plus un manteau de poil pour mentir. 5 Chacun d'eux dira: Je ne suis pas prophète, Je suis laboureur, Car on m'a acheté dès ma jeunesse. 6 Et si on lui demande: D'où viennent ces blessures que tu as aux mains? Il répondra: C'est dans la maison de ceux qui m'aimaient que je les ai reçues. 7 Épée, lève-toi sur mon pasteur Et sur l'homme qui est mon compagnon! Dit l'Éternel des armées. Frappe le pasteur, et que les brebis se dispersent! Et je tournerai ma main vers les faibles. 8 Dans tout le pays, dit l'Éternel, Les deux tiers seront exterminés, périront, Et l'autre tiers restera. 9 Je mettrai ce tiers dans le feu, Et je le purifierai comme on purifie l'argent, Je l'éprouverai comme on éprouve l'or. Il invoquera mon nom, et je l'exaucerai; Je dirai: C'est mon peuple! Et il dira: L'Éternel est mon Dieu!