T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny amin'ny hihavian'ny loza, ary ny hahafoizana ny ondrin'i Jehovah noho ny fandavany Azy, sy ny hanolorana ireny ho amin'ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao

2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro

3 Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana [heb. reharehany]

 

4 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,

5 dia ireo vonoin'ny tompony* nefa tsy ananany heloka**; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [*na: izay nividy azy][**na: nefa tsy atao ho meloka ireny]

6 Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.

7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.

8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo* Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. [na: telo amin'ireo mpiandry ireo]

9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.

10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra.

11 Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.

12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.

13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy tanimanga tao an-tranon'i Jehovah.

14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy Isiraely.

15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny mpiandry ondry adala.

16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka*; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]

17 Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.

 

Chapitre 11
11:1 Open your doors, Lebanon,
that the fire may devour your cedars.
11:2 Wail, fir tree, for the cedar has fallen,
because the stately ones are destroyed.
Wail, you oaks of Bashan,
for the strong forest has come down.
11:3 A voice of the wailing of the shepherds!
For their glory is destroyed: a voice of the roaring of young lions!
For the pride of the Jordan is ruined.
11:4 Thus says Yahweh my God: “Feed the flock of slaughter. 11:5 Their buyers slaughter them, and go unpunished. Those who sell them say, ‘Blessed be Yahweh, for I am rich;’ and their own shepherds don’t pity them. 11:6 For I will no more pity the inhabitants of the land,” says Yahweh; “but, behold, I will deliver the men everyone into his neighbor’s hand, and into the hand of his king. They will strike the land, and out of their hand I will not deliver them.”

11:7 So I fed the flock of slaughter, especially the oppressed of the flock. I took for myself two staffs. The one I called “Favor,” and the other I called “Union,” and I fed the flock. 11:8 I cut off the three shepherds in one month; for my soul was weary of them, and their soul also loathed me. 11:9 Then I said, “I will not feed you. That which dies, let it die; and that which is to be cut off, let it be cut off; and let those who are left eat each other’s flesh.” 11:10 I took my staff Favor, and cut it apart, that I might break my covenant that I had made with all the peoples. 11:11 It was broken in that day; and thus the poor of the flock that listened to me knew that it was the word of Yahweh. 11:12 I said to them, “If you think it best, give me my wages; and if not, keep them.” So they weighed for my wages thirty pieces of silver. 11:13 Yahweh said to me, “Throw it to the potter, the handsome price that I was valued at by them!” I took the thirty pieces of silver, and threw them to the potter, in the house of Yahweh. 11:14 Then I cut apart my other staff, even Union, that I might break the brotherhood between Judah and Israel.

11:15 Yahweh said to me, “Take for yourself yet again the equipment of a foolish shepherd. 11:16 For, behold, I will raise up a shepherd in the land, who will not visit those who are cut off, neither will seek those who are scattered, nor heal that which is broken, nor feed that which is sound; but he will eat the flesh of the fat sheep, and will tear their hoofs in pieces. 11:17 Woe to the worthless shepherd who leaves the flock! The sword will be on his arm, and on his right eye. His arm will be completely withered, and his right eye will be totally blinded!”

 

Chapitre 11
1 Liban, ouvre tes portes, Et que le feu dévore tes cèdres! 2 Gémis, cyprès, car le cèdre est tombé, Ceux qui s'élevaient sont détruits! Gémissez, chênes de Basan, Car la forêt inaccessible est renversée! 3 Les bergers poussent des cris lamentables, Parce que leur magnificence est détruite; Les lionceaux rugissent, Parce que l'orgueil du Jourdain est abattu. 4 Ainsi parle l'Éternel, mon Dieu: Pais les brebis destinées à la boucherie! 5 Ceux qui les achètent les égorgent impunément; Celui qui les vend dit: Béni soit l'Éternel, car je m'enrichis! Et leurs pasteurs ne les épargnent pas. 6 Car je n'ai plus de pitié pour les habitants du pays, Dit l'Éternel; Et voici, je livre les hommes Aux mains les uns des autres et aux mains de leur roi; Ils ravageront le pays, Et je ne délivrerai pas de leurs mains. 7 Alors je me mis à paître les brebis destinées à la boucherie, assurément les plus misérables du troupeau. Je pris deux houlettes: j'appelai l'une Grâce, et j'appelai l'autre Union. Et je fis paître les brebis. 8 J'exterminai les trois pasteurs en un mois; mon âme était impatiente à leur sujet, et leur âme avait aussi pour moi du dégoût. 9 Et je dis: Je ne vous paîtrai plus! Que celle qui va mourir meure, que celle qui va périr périsse, et que celles qui restent se dévorent les unes les autres! 10 Je pris ma houlette Grâce, et je la brisai, pour rompre mon alliance que j'avais traitée avec tous les peuples. 11 Elle fut rompue ce jour-là; et les malheureuses brebis, qui prirent garde à moi, reconnurent ainsi que c'était la parole de l'Éternel. 12 Je leur dis: Si vous le trouvez bon, donnez-moi mon salaire; sinon, ne le donnez pas. Et ils pesèrent pour mon salaire trente sicles d'argent. 13 L'Éternel me dit: Jette-le au potier, ce prix magnifique auquel ils m'ont estimé! Et je pris les trente sicles d'argent, et je les jetai dans la maison de l'Éternel, pour le potier. 14 Puis je brisai ma seconde houlette Union, pour rompre la fraternité entre Juda et Israël. 15 L'Éternel me dit: Prends encore l'équipage d'un pasteur insensé! 16 Car voici, je susciterai dans le pays un pasteur qui n'aura pas souci des brebis qui périssent; il n'ira pas à la recherche des plus jeunes, il ne guérira pas les blessées, il ne soignera pas les saines; mais il dévorera la chair des plus grasses, et il déchirera jusqu'aux cornes de leurs pieds. 17 Malheur au pasteur de néant, qui abandonne ses brebis! Que l'épée fonde sur son bras et sur son oeil droit! Que son bras se dessèche, Et que son oeil droit s'éteigne!