toriteny.net ny alahady


Fotoam-pivavahana

FLM PARIS Isaky ny Alahady 11h30

FPMA PARIS Isaky ny Alahady 10h30

FKMP Isaky ny Alahady 16h00

FJKM WAGNER SP37 Isaky ny Alahady 16h00

FPMA PORT ROYAL ARAGO FANOMPOAM PIVAVAHANA 
ALAHADY 19 FEBROARY 2012 les KT+PREKT+SEKOLY ALAHADY COMMENCENT A 14 HEURE S     1      2   

Fanokanana, fandraisan-tànana diakona sy fametrahana ny Komitin'ny tafo alahady 19 febroary 2012 15 ora 30

FPMA VINCENNES Isaky ny Alahady 15h00

FPMA GRANDS CHAMPS Isaky ny Alahady 15h30

FPMA CERGY PONTOISE

FPMA CREIL Isaky ny Alahady 15h00

FJKM CHAMPIGNY Isaky ny Alahady 16h00

FPMA FIHOBIANA PARIS Isaky ny Alahady 10h30

FJKM MONTROUGE VAOVAO Isaky ny Alahady 17h30

FPMA ATHIS FANANTENANA Isaky ny Alahady 15h30

FLM FAHAZAVANA VAL DE MARNE Alahady 15h30

FIANGONANA ANGLIKANA MALAGASY Alahady 16h00

FPMA MELUN Isaky ny Alahady 16h00

FPMA NANTES Isaky ny Alahady 15h30

FPMA POITIERS Isaky ny Alahady 16h00

FPMA TOURS Isaky ny Alahady 15h30

FPMA RENNES Isaky ny Alahady 1er,3è 15h30

FPMA TROYES Isaky ny Alahady 1er,2è,3è 10h30

FPMA LILLE Isaky ny Alahady 15h30

FPMA ROUEN

FPMA AMIENS Isaky ny Alahady 1er, 3è 10h00

FPMA CAEN

FPMA DIJON

FPMA MULHOUSE

FPMA NICE

FPMA REIMS Famerenan-kira Sabotsy 26 novambra 18h00 Fanompoam-pivavahana Alahady 27 novambra 14h30

FPMA NANCY Isaky ny Alahady voalohany sy faha-telo manomboka 15h30

FPMA GRENOBLE

FPMA SAINT ETIENNE

FPMA LYON

FPMA BORDEAUX

FKMR ROANA AKAMA MONTPELLIER

FPMA MONTPELLEIR Isaky ny Alahady 16h00

FPMA CLERMONT FERRAND

FPMA TOULOUSE

FMPA AIX MARSEILLE

FPMA STRASBOURG Isaky ny Alahady 11h30

FLM ORLEANS

FLM BORDEAUX Isaky ny Alahady 15h00

FLM LIMOGES

FLM CHATEAUROUX

FKMT TOULOUSE

FPVM TOULOUSE Isaky ny Alahady 14h30

FPVM BORDEAUX Isaky ny Alahady 15h30 73.Avenue Marc Desbats 33600 Pessac

MKMB BENELUX BRUXELLES

FKMSM SUISSE

FJKM LA REUNION TEL:06 92 63 33 22

FPVM LA REUNION

FLMR LA REUNION

FKMA FJKM ABIDJAN / TEL:+225 22 00 30 15

toriteny.net vavaka


Vavaka ho an'ny fiangonana


1Pet 5:6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro.
 
1Jn 1:9Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
 
Heb 10:22dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio

Kol 3:16Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Kol 1:9Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy
 
Kol 1:10mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,

Efe 4:23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,

Kol 3:12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
 
Efe 4:13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
 
1Tes 5:12Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
 
1Tes 5:13ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
 
1Kor 1:10Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.

Fil 1:27Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa haharitra amin'ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
 
Heb 13:9Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
 
2Tim 2:15Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana.
 
Joda 1:16Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
 
1Tim 6:18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,

Efe 4:16Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
 
1Pet 4:10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.

Fil 2:4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
 
1Pet 1:22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo
 
2Jn 1:8Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
 
1Pet 4:7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
 
Efe 5:16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
 
Heb 12:1Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
 
Kol 3:2Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 
 
Fil 3:14eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy.
 
Efe 6:11Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 
 
Asa 4:29Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,

Asa 4:30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina.

Vavaka ho an'ny mpitondra fiangonana
Sal 31:23Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
 
Oha 28:20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina
 
Gal 6:9Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika
 
Fil 1:6mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.

Efe 2:10Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin' Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
 
Heb 13:21Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
 
2Kor 9:8Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;

2Kor 9:6Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
 
1Kor 3:6Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
 
2Kor 2:1414 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
 
Det 28:2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
 
Sal 32:8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
 
1Kor 2:10dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
 
2Tim 2:21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.

1Pet 5:2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy;

1Kor 2:4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery,
 
2Tim 4:2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
 
Josh 1:3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
 
Det 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
 
Sal 27:14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.

 

Tit 1:5Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona* amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;

 
2Kor 10:4fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy
 
Eks 17:11Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
 
Heb 12:23  Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia] 24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.
 
Sal 91: 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.

Gal 3:13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo
 
Isa 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.

1Kor 12:11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.

Liok 1:45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.

Asa 6:4Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.