T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  8

1 Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon'olona notevatevaina aho.

2 Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon'ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin'ny ranon'ampongaben-danitro ianao.

3 Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.

4 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

5 [Ny nandehanany ho any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.

6 Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita* ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola]

7 Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.

8 Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin'ny zandrivavinay***, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][**Na: hataontsika][***Na: zandrivavintsika]

9 Raha manda izy, dia hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay** hazo fisaka sedera.[*Na: hananganantsika][**Na: hotampenantsika]

10 Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.

11 Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.

12 Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.

13 Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.

14 Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela* na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]

 

Chapitre 8
8:1 Oh that you were like my brother,
who nursed from the breasts of my mother!
If I found you outside, I would kiss you;
yes, and no one would despise me.
8:2 I would lead you, bringing you into my mother’s house, who would instruct me. I would have you drink spiced wine, of the juice of my pomegranate.
8:3 His left hand would be under my head. His right hand would embrace me.
8:4 I adjure you, daughters of Jerusalem, that you not stir up, nor awaken love, until it so desires.
Friends
8:5 Who is this who comes up from the wilderness,
leaning on her beloved? Under the apple tree I aroused you. There your mother conceived you.
There she was in labor and bore you.
8:6 Set me as a seal on your heart, as a seal on your arm; for love is strong as death. Jealousy is as cruel as Sheol. Its flashes are flashes of fire,
a very flame of Yahweh.
8:7 Many waters can’t quench love, neither can floods drown it. If a man would give all the wealth of his house for love, he would be utterly scorned.
Friends
8:8 We have a little sister. She has no breasts.
What shall we do for our sister in the day when she is to be spoken for?
8:9 If she is a wall, we will build on her a turret of silver. if she is a door, we will enclose her with boards of cedar. Beloved
8:10 I am a wall, and my breasts like towers,
then I was in his eyes like one who found peace.
8:11 Solomon had a vineyard at Baal Hamon.
He leased out the vineyard to keepers.
Each was to bring a thousand shekels of silver for its fruit.
8:12 My own vineyard is before me. The thousand are for you, Solomon; two hundred for those who tend its fruit. Lover
8:13 You who dwell in the gardens, with friends in attendance, let me hear your voice! Beloved
8:14 Come away, my beloved! Be like a gazelle or a young stag on the mountains of spices!

 

Chapitre  8
1 Oh! Que n'es-tu mon frère, Allaité des mamelles de ma mère! Je te rencontrerais dehors, je t'embrasserais, Et l'on ne me mépriserait pas. 2 Je veux te conduire, t'amener à la maison de ma mère; Tu me donneras tes instructions, Et je te ferai boire du vin parfumé, Du moût de mes grenades. 3 Que sa main gauche soit sous ma tête, Et que sa droite m'embrasse! - 4 Je vous en conjure, filles de Jérusalem, Ne réveillez pas, ne réveillez pas l'amour, Avant qu'elle le veuille. - 5 Qui est celle qui monte du désert, Appuyée sur son bien-aimé? -Je t'ai réveillée sous le pommier; Là ta mère t'a enfantée, C'est là qu'elle t'a enfantée, qu'elle t'a donné le jour. - 6 Mets-moi comme un sceau sur ton coeur, Comme un sceau sur ton bras; Car l'amour est fort comme la mort, La jalousie est inflexible comme le séjour des morts; Ses ardeurs sont des ardeurs de feu, Une flamme de l'Éternel. 7 Les grandes eaux ne peuvent éteindre l'amour, Et les fleuves ne le submergeraient pas; Quand un homme offrirait tous les biens de sa maison contre l'amour, Il ne s'attirerait que le mépris. 8 Nous avons une petite soeur, Qui n'a point encore de mamelles; Que ferons-nous de notre soeur, Le jour où on la recherchera? 9 Si elle est un mur, Nous bâtirons sur elle des créneaux d'argent; Si elle est une porte, Nous la fermerons avec une planche de cèdre. - 10 Je suis un mur, Et mes seins sont comme des tours; J'ai été à ses yeux comme celle qui trouve la paix. 11 Salomon avait une vigne à Baal-Hamon; Il remit la vigne à des gardiens; Chacun apportait pour son fruit mille sicles d'argent. 12 Ma vigne, qui est à moi, je la garde. A toi, Salomon, les mille sicles, Et deux cents à ceux qui gardent le fruit! - 13 Habitante des jardins! Des amis prêtent l'oreille à ta voix. Daigne me la faire entendre! - 14 Fuis, mon bien-aimé! Sois semblable à la gazelle ou au faon des biches, Sur les montagnes des aromates!