T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  7

1 Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima*.[Na: ataon'ny mpandihy roa tonta;]

2 Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro*, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]

3 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.

4 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.

5 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona*; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin'i Beta-rabina]

6 Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!

7 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala*, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao![Heb. ry fitiavana]

8 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia*, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]

9 Hoy izaho: Hananika ny rofia* aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,[palma]

10 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.

11 An'ny malalako aho, sady manina ahy* izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]

12 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.

13 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.

14 Mamerovero tsara ny dodaima*, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]

 

Chapitre 7
7:1 How beautiful are your feet in sandals, prince’s daughter! Your rounded thighs are like jewels,
the work of the hands of a skillful workman.
7:2 Your body is like a round goblet, no mixed wine is wanting. Your waist is like a heap of wheat,
set about with lilies.
7:3 Your two breasts are like two fawns, that are twins of a roe.
7:4 Your neck is like an ivory tower. Your eyes are like the pools in Heshbon by the gate of Bathrabbim. Your nose is like the tower of Lebanon which looks toward Damascus.
7:5 Your head on you is like Carmel. The hair of your head like purple. The king is held captive in its tresses.
7:6 How beautiful and how pleasant you are, love, for delights!
7:7 This, your stature, is like a palm tree, your breasts like its fruit.
7:8 I said, “I will climb up into the palm tree. I will take hold of its fruit.” Let your breasts be like clusters of the vine, the smell of your breath like apples, Beloved
7:9 Your mouth like the best wine, that goes down smoothly for my beloved, gliding through the lips of those who are asleep.
7:10 I am my beloved’s. His desire is toward me.
7:11 Come, my beloved, let us go forth into the field.
Let us lodge in the villages.
7:12 Let’s go early up to the vineyards. Let’s see whether the vine has budded, its blossom is open,
and the pomegranates are in flower. There I will give you my love.
7:13 The mandrakes give forth fragrance.
At our doors are all kinds of precious fruits, new and old, which I have stored up for you, my beloved.

Chapitre 7
1 (7:2) Que tes pieds sont beaux dans ta chaussure, fille de prince! Les contours de ta hanche sont comme des colliers, Oeuvre des mains d'un artiste. 2 (7:3) Ton sein est une coupe arrondie, Où le vin parfumé ne manque pas; Ton corps est un tas de froment, Entouré de lis. 3 (7:4) Tes deux seins sont comme deux faons, Comme les jumeaux d'une gazelle. 4 (7:5) Ton cou est comme une tour d'ivoire; Tes yeux sont comme les étangs de Hesbon, Près de la porte de Bath-Rabbim; Ton nez est comme la tour du Liban, Qui regarde du côté de Damas. 5 (7:6) Ta tête est élevée comme le Carmel, Et les cheveux de ta tête sont comme la pourpre; Un roi est enchaîné par des boucles!... 6 (7:7) Que tu es belle, que tu es agréable, O mon amour, au milieu des délices! 7 (7:8) Ta taille ressemble au palmier, Et tes seins à des grappes. 8 (7:9) Je me dis: Je monterai sur le palmier, J'en saisirai les rameaux! Que tes seins soient comme les grappes de la vigne, Le parfum de ton souffle comme celui des pommes, 9 (7:10) Et ta bouche comme un vin excellent,... -Qui coule aisément pour mon bien-aimé, Et glisse sur les lèvres de ceux qui s'endorment! 10 (7:11) Je suis à mon bien-aimé, Et ses désirs se portent vers moi. 11 (7:12) Viens, mon bien-aimé, sortons dans les champs, Demeurons dans les villages! 12 (7:13) Dès le matin nous irons aux vignes, Nous verrons si la vigne pousse, si la fleur s'ouvre, Si les grenadiers fleurissent. Là je te donnerai mon amour. 13 (7:14) Les mandragores répandent leur parfum, Et nous avons à nos portes tous les meilleurs fruits, Nouveaux et anciens: Mon bien-aimé, je les ai gardés pour toi