| Chapitre 6 1 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. 2 Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia. 3 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia. 4 Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva. 5 Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada. 6 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, 7 Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao*.[Na : ny volonao milantolanto] 8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. 9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. 10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva? 11 Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo* aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza] 12 Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra. | | Chapitre 6 6:1 Where has your beloved gone, you fairest among women? Where has your beloved turned, that we may seek him with you? Beloved 6:2 My beloved has gone down to his garden, to the beds of spices, to feed in the gardens, and to gather lilies. 6:3 I am my beloved’s, and my beloved is mine. He browses among the lilies, 6:4 You are beautiful, my love, as Tirzah, lovely as Jerusalem, awesome as an army with banners. 6:5 Turn away your eyes from me, for they have overcome me. Your hair is like a flock of goats, that lie along the side of Gilead. 6:6 Your teeth are like a flock of ewes, which have come up from the washing; of which every one has twins; none is bereaved among them. 6:7 Your temples are like a piece of a pomegranate behind your veil. 6:8 There are sixty queens, eighty concubines, and virgins without number. 6:9 My dove, my perfect one, is unique. She is her mother’s only daughter. She is the favorite one of her who bore her. The daughters saw her, and called her blessed; the queens and the concubines, and they praised her. 6:10 Who is she who looks forth as the morning, beautiful as the moon, clear as the sun, and awesome as an army with banners? 6:11 I went down into the nut tree grove, to see the green plants of the valley, to see whether the vine budded, and the pomegranates were in flower. 6:12 Without realizing it, my desire set me with my royal people’s chariots. Friends 6:13 Return, return, Shulammite! Return, return, that we may gaze at you. Lover Why do you desire to gaze at the Shulammite, as at the dance of Mahanaim? | | Chapitre 6 1 Où est allé ton bien-aimé, O la plus belle des femmes? De quel côté ton bien-aimé s'est-il dirigé? Nous le chercherons avec toi. 2 Mon bien-aimé est descendu à son jardin, Au parterre d'aromates, Pour faire paître son troupeau dans les jardins, Et pour cueillir des lis. 3 Je suis à mon bien-aimé, et mon bien-aimé est à moi; Il fait paître son troupeau parmi les lis. - 4 Tu es belle, mon amie, comme Thirtsa, Agréable comme Jérusalem, Mais terrible comme des troupes sous leurs bannières. 5 Détourne de moi tes yeux, car ils me troublent. Tes cheveux sont comme un troupeau de chèvres, Suspendues aux flancs de Galaad. 6 Tes dents sont comme un troupeau de brebis, Qui remontent de l'abreuvoir; Toutes portent des jumeaux, Aucune d'elles n'est stérile. 7 Ta joue est comme une moitié de grenade, Derrière ton voile... 8 Il y a soixante reines, quatre-vingts concubines, Et des jeunes filles sans nombre. 9 Une seule est ma colombe, ma parfaite; Elle est l'unique de sa mère, La préférée de celle qui lui donna le jour. Les jeunes filles la voient, et la disent heureuse; Les reines et les concubines aussi, et elles la louent. - 10 Qui est celle qui apparaît comme l'aurore, Belle comme la lune, pure comme le soleil, Mais terrible comme des troupes sous leurs bannières? - 11 Je suis descendue au jardin des noyers, Pour voir la verdure de la vallée, Pour voir si la vigne pousse, Si les grenadiers fleurissent. 12 Je ne sais, mais mon désir m'a rendue semblable Aux chars de mon noble peuple. - 13 (7:1) Reviens, reviens, Sulamithe! Reviens, reviens, afin que nous te regardions. -Qu'avez-vous à regarder la Sulamithe Comme une danse de deux choeurs? | |