T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.

2 [Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako* ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko]

3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?

4 Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.

5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.

6 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.

7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.

8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.

9 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?

10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.

11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.

13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina* misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.[Heb. tilikambo]

14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;

15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga* miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]

16 Mamy dia mamy ny vavany*, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]

 

Chapitre 5
5:1 I have come into my garden, my sister, my bride. I have gathered my myrrh with my spice;
I have eaten my honeycomb with my honey;
I have drunk my wine with my milk. Friends
Eat, friends! Drink, yes, drink abundantly, beloved.
Beloved
5:2 I was asleep, but my heart was awake.
It is the voice of my beloved who knocks: “Open to me, my sister, my love, my dove, my undefiled;
for my head is filled with dew,
and my hair with the dampness of the night.”
5:3 I have taken off my robe. Indeed, must I put it on? I have washed my feet. Indeed, must I soil them?
5:4 My beloved thrust his hand in through the latch opening. My heart pounded for him.
5:5 I rose up to open for my beloved. My hands dripped with myrrh, my fingers with liquid myrrh,
on the handles of the lock.
5:6 I opened to my beloved; but my beloved left; and had gone away. My heart went out when he spoke.
I looked for him, but I didn’t find him. I called him, but he didn’t answer.
5:7 The watchmen who go about the city found me.
They beat me. They bruised me. The keepers of the walls took my cloak away from me.
5:8 I adjure you, daughters of Jerusalem, If you find my beloved, that you tell him that I am faint with love. Friends
5:9 How is your beloved better than another beloved
you fairest among women? How is your beloved better than another beloved, that you do so adjure us? Beloved
5:10 My beloved is white and ruddy. The best among ten thousand. 5:11 His head is like the purest gold. His hair is bushy, black as a raven.
5:12 His eyes are like doves beside the water brooks, washed with milk, mounted like jewels.
5:13 His cheeks are like a bed of spices with towers of perfumes. His lips are like lilies, dropping liquid myrrh.
5:14 His hands are like rings of gold set with beryl.
His body is like ivory work overlaid with sapphires.
5:15 His legs are like pillars of marble set on sockets of fine gold. His appearance is like Lebanon, excellent as the cedars.
5:16 His mouth is sweetness; yes, he is altogether lovely. This is my beloved, and this is my friend,
daughters of Jerusalem.
Friends

Chapitre 5
1 J'entre dans mon jardin, ma soeur, ma fiancée; Je cueille ma myrrhe avec mes aromates, Je mange mon rayon de miel avec mon miel, Je bois mon vin avec mon lait... -Mangez, amis, buvez, enivrez-vous d'amour! - 2 J'étais endormie, mais mon coeur veillait... C'est la voix de mon bien-aimé, qui frappe: -Ouvre-moi, ma soeur, mon amie, Ma colombe, ma parfaite! Car ma tête est couverte de rosée, Mes boucles sont pleines des gouttes de la nuit. - 3 J'ai ôté ma tunique; comment la remettrais-je? J'ai lavé mes pieds; comment les salirais-je? 4 Mon bien-aimé a passé la main par la fenêtre, Et mes entrailles se sont émues pour lui. 5 Je me suis levée pour ouvrir à mon bien-aimé; Et de mes mains a dégoutté la myrrhe, De mes doigts, la myrrhe répandue Sur la poignée du verrou. 6 J'ai ouvert à mon bien-aimé; Mais mon bien-aimé s'en était allé, il avait disparu. J'étais hors de moi, quand il me parlait. Je l'ai cherché, et je ne l'ai point trouvé; Je l'ai appelé, et il ne m'a point répondu. 7 Les gardes qui font la ronde dans la ville m'ont rencontrée; Ils m'ont frappée, ils m'ont blessée; Ils m'ont enlevé mon voile, les gardes des murs. 8 Je vous en conjure, filles de Jérusalem, Si vous trouvez mon bien-aimé, Que lui direz-vous?... Que je suis malade d'amour. - 9 Qu'a ton bien-aimé de plus qu'un autre, O la plus belle des femmes? Qu'a ton bien-aimé de plus qu'un autre, Pour que tu nous conjures ainsi? - 10 Mon bien-aimé est blanc et vermeil; Il se distingue entre dix mille. 11 Sa tête est de l'or pur; Ses boucles sont flottantes, Noires comme le corbeau. 12 Ses yeux sont comme des colombes au bord des ruisseaux, Se baignant dans le lait, Reposant au sein de l'abondance. 13 Ses joues sont comme un parterre d'aromates, Une couche de plantes odorantes; Ses lèvres sont des lis, D'où découle la myrrhe. 14 Ses mains sont des anneaux d'or, Garnis de chrysolithes; Son corps est de l'ivoire poli, Couvert de saphirs; 15 Ses jambes sont des colonnes de marbre blanc, Posées sur des bases d'or pur. Son aspect est comme le Liban, Distingué comme les cèdres. 16 Son palais n'est que douceur, Et toute sa personne est pleine de charme. Tel est mon bien-aimé, tel est mon ami, Filles de Jérusalem! -