| Chapitre 4 1 Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao*; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto] 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana. 3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao*; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao**,[*Heb. fitenenanao][**Na: volonao milantolanto] 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery. 5 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia. 6 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka] 7 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao. 8 Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda. 9 Efa lasanao ny foko, ry havako* ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko] 10 Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako* ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko] 11 Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona. 12 Saha voahidy ny havako* ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko] 13 Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda, 14 Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra* Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota] 15 Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona. 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara. | | Chapitre 4 4:1 Behold, you are beautiful, my love. Behold, you are beautiful. Your eyes are doves behind your veil. Your hair is as a flock of goats, that descend from Mount Gilead. 4:2 Your teeth are like a newly shorn flock, which have come up from the washing, where every one of them has twins. None is bereaved among them. 4:3 Your lips are like scarlet thread. Your mouth is lovely. Your temples are like a piece of a pomegranate behind your veil. 4:4 Your neck is like David’s tower built for an armory, whereon a thousand shields hang, all the shields of the mighty men. 4:5 Your two breasts are like two fawns that are twins of a roe, which feed among the lilies. 4:6 Until the day is cool, and the shadows flee away, I will go to the mountain of myrrh, to the hill of frankincense. 4:7 You are all beautiful, my love. There is no spot in you. 4:8 Come with me from Lebanon, my bride, with me from Lebanon. Look from the top of Amana, from the top of Senir and Hermon, from the lions’ dens, from the mountains of the leopards. 4:9 You have ravished my heart, my sister, my bride. You have ravished my heart with one of your eyes, with one chain of your neck. 4:10 How beautiful is your love, my sister, my bride How much better is your love than wine! The fragrance of your perfumes than all kinds of spices! 4:11 Your lips, my bride, drip like the honeycomb. Honey and milk are under your tongue. The smell of your garments is like the smell of Lebanon. 4:12 A locked up garden is my sister, my bride; a locked up spring, a sealed fountain. 4:13 Your shoots are an orchard of pomegranates, with precious fruits: henna with spikenard plants, 4:14 spikenard and saffron, calamus and cinnamon, with every kind of incense tree; myrrh and aloes, with all the best spices, 4:15 a fountain of gardens, a well of living waters, flowing streams from Lebanon. Beloved 4:16 Awake, north wind; and come, you south! Blow on my garden, that its spices may flow out. Let my beloved come into his garden, and taste his precious fruits. Lover | | Chapitre 4 1 Que tu es belle, mon amie, que tu es belle! Tes yeux sont des colombes, Derrière ton voile. Tes cheveux sont comme un troupeau de chèvres, Suspendues aux flancs de la montagne de Galaad. 2 Tes dents sont comme un troupeau de brebis tondues, Qui remontent de l'abreuvoir; Toutes portent des jumeaux, Aucune d'elles n'est stérile. 3 Tes lèvres sont comme un fil cramoisi, Et ta bouche est charmante; Ta joue est comme une moitié de grenade, Derrière ton voile. 4 Ton cou est comme la tour de David, Bâtie pour être un arsenal; Mille boucliers y sont suspendus, Tous les boucliers des héros. 5 Tes deux seins sont comme deux faons, Comme les jumeaux d'une gazelle, Qui paissent au milieu des lis. 6 Avant que le jour se rafraîchisse, Et que les ombres fuient, J'irai à la montagne de la myrrhe Et à la colline de l'encens. 7 Tu es toute belle, mon amie, Et il n'y a point en toi de défaut. 8 Viens avec moi du Liban, ma fiancée, Viens avec moi du Liban! Regarde du sommet de l'Amana, Du sommet du Senir et de l'Hermon, Des tanières des lions, Des montagnes des léopards. 9 Tu me ravis le coeur, ma soeur, ma fiancée, Tu me ravis le coeur par l'un de tes regards, Par l'un des colliers de ton cou. 10 Que de charmes dans ton amour, ma soeur, ma fiancée! Comme ton amour vaut mieux que le vin, Et combien tes parfums sont plus suaves que tous les aromates! 11 Tes lèvres distillent le miel, ma fiancée; Il y a sous ta langue du miel et du lait, Et l'odeur de tes vêtements est comme l'odeur du Liban. 12 Tu es un jardin fermé, ma soeur, ma fiancée, Une source fermée, une fontaine scellée. 13 Tes jets forment un jardin, où sont des grenadiers, Avec les fruits les plus excellents, Les troënes avec le nard; 14 Le nard et le safran, le roseau aromatique et le cinnamome, Avec tous les arbres qui donnent l'encens; La myrrhe et l'aloès, Avec tous les principaux aromates; 15 Une fontaine des jardins, Une source d'eaux vives, Des ruisseaux du Liban. 16 Lève-toi, aquilon! viens, autan! Soufflez sur mon jardin, et que les parfums s'en exhalent! -Que mon bien-aimé entre dans son jardin, Et qu'il mange de ses fruits excellents! - | |