T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 1

1 Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.

2 [Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.

3 Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.

4 Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.

5 Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.

6 Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.

7 Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana* aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]

8 Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.

9 [Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.

10 Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.

11 Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.

12 Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.

13 Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.

14 Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.

15 Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]

16 Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.

17 Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.

 

Chapitre 1
1:1 The Song of songs, which is Solomon’s.

Beloved
1:2 Let him kiss me with the kisses of his mouth;
for your love is better than wine.
1:3 Your oils have a pleasing fragrance. Your name is oil poured forth, therefore the virgins love you.
1:4 Take me away with you. Let us hurry. The king has brought me into his rooms. Friends We will be glad and rejoice in you. We will praise your love more than wine! Beloved They are right to love you.
1:5 I am dark, but lovely, you daughters of Jerusalem, like Kedar’s tents, like Solomon’s curtains.
1:6 Don’t stare at me because I am dark,
because the sun has scorched me. My mother’s sons were angry with me. They made me keeper of the vineyards. I haven’t kept my own vineyard.
1:7 Tell me, you whom my soul loves, where you graze your flock, where you rest them at noon;
For why should I be as one who is veiled beside the flocks of your companions? Lover
1:8 If you don’t know, most beautiful among women
follow the tracks of the sheep. Graze your young goats beside the shepherds’ tents.
1:9 I have compared you, my love, to a steed in Pharaoh’s chariots.
1:10 Your cheeks are beautiful with earrings, your neck with strings of jewels.
1:11 We will make you earrings of gold, with studs of silver. Beloved
1:12 While the king sat at his table, my perfume spread its fragrance.
1:13 My beloved is to me a sachet of myrrh, that lies between my breasts.
1:14 My beloved is to me a cluster of henna blossoms from the vineyards of En Gedi. Lover
1:15 Behold, you are beautiful, my love. Behold, you are beautiful. Your eyes are doves. Beloved
1:16 Behold, you are beautiful, my beloved, yes, pleasant; and our couch is verdant. Lover
1:17 The beams of our house are cedars.
Our rafters are firs.
Beloved

 

Chapitre 1
1 Cantique des cantiques, de Salomon. 2 Qu'il me baise des baisers de sa bouche! Car ton amour vaut mieux que le vin, 3 Tes parfums ont une odeur suave; Ton nom est un parfum qui se répand; C'est pourquoi les jeunes filles t'aiment. 4 Entraîne-moi après toi! Nous courrons! Le roi m'introduit dans ses appartements... Nous nous égaierons, nous nous réjouirons à cause de toi; Nous célébrerons ton amour plus que le vin. C'est avec raison que l'on t'aime. 5 Je suis noire, mais je suis belle, filles de Jérusalem, Comme les tentes de Kédar, comme les pavillons de Salomon. 6 Ne prenez pas garde à mon teint noir: C'est le soleil qui m'a brûlée. Les fils de ma mère se sont irrités contre moi, Ils m'ont faite gardienne des vignes. Ma vigne, à moi, je ne l'ai pas gardée. 7 Dis-moi, ô toi que mon coeur aime, Où tu fais paître tes brebis, Où tu les fais reposer à midi; Car pourquoi serais-je comme une égarée Près des troupeaux de tes compagnons? - 8 Si tu ne le sais pas, ô la plus belle des femmes, Sors sur les traces des brebis, Et fais paître tes chevreaux Près des demeures des bergers. - 9 A ma jument qu'on attelle aux chars de Pharaon Je te compare, ô mon amie. 10 Tes joues sont belles au milieu des colliers, Ton cou est beau au milieu des rangées de perles. 11 Nous te ferons des colliers d'or, Avec des points d'argent. - 12 Tandis que le roi est dans son entourage, Mon nard exhale son parfum. 13 Mon bien-aimé est pour moi un bouquet de myrrhe, Qui repose entre mes seins. 14 Mon bien-aimé est pour moi une grappe de troëne Des vignes d'En-Guédi. - 15 Que tu es belle, mon amie, que tu es belle! Tes yeux sont des colombes. - 16 Que tu es beau, mon bien-aimé, que tu es aimable! Notre lit, c'est la verdure. - 17 Les solives de nos maisons sont des cèdres, Nos lambris sont des cyprès. -