T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
MATIO
MARKA
LIOKA
JAONA
ASAN'NY APOSTOLY
ROMANA
1KORINTIANA
2KORINTIANA
GALATIANA
EFESIANA
FILIPIANA
KOLOSIANA
1TESALONIANA
2TESALONIANA
1TIMOTY
2TIMOTY
TITOSY
FILEMONA
HEBREO
JAKOBA
1PETERA
2PETERA
1JAONA
2JAONA
3JAONA
JODA
APOKALIPSY

Chapitre 1 

1 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.

2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,

3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;

4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,

5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.

6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,

7 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.

8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.

9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,

10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy. 

Chapitre 1 
1:1 Paul, Silvanus, and Timothy, to the assembly of the Thessalonians in God the Father and the Lord Jesus Christ: Grace to you and peace from God our Father and the Lord Jesus Christ.

1:2 We always give thanks to God for all of you, mentioning you in our prayers, 1:3 remembering without ceasing your work of faith and labor of love and patience of hope in our Lord Jesus Christ, before our God and Father. 1:4 We know, brothers loved by God, that you are chosen, 1:5 and that our Good News came to you not in word only, but also in power, and in the Holy Spirit, and with much assurance. You know what kind of men we showed ourselves to be among you for your sake. 1:6 You became imitators of us, and of the Lord, having received the word in much affliction, with joy of the Holy Spirit, 1:7 so that you became an example to all who believe in Macedonia and in Achaia. 1:8 For from you the word of the Lord has been declared, not only in Macedonia and Achaia, but also in every place your faith toward God has gone out; so that we need not to say anything. 1:9 For they themselves report concerning us what kind of a reception we had from you; and how you turned to God from idols, to serve a living and true God, 1:10 and to wait for his Son from heaven, whom he raised from the dead—Jesus, who delivers us from the wrath to come. 
Chapitre 1 
1 Paul, et Silvain, et Timothée, à l'Église des Thessaloniciens, qui est en Dieu le Père et en Jésus-Christ le Seigneur: que la grâce et la paix vous soient données! 2 Nous rendons continuellement grâces à Dieu pour vous tous, faisant mention de vous dans nos prières, 3 nous rappelant sans cesse l'oeuvre de votre foi, le travail de votre charité, et la fermeté de votre espérance en notre Seigneur Jésus-Christ, devant Dieu notre Père. 4 Nous savons, frères bien-aimés de Dieu, que vous avez été élus, 5 notre Évangile ne vous ayant pas été prêché en paroles seulement, mais avec puissance, avec l'Esprit Saint, et avec une pleine persuasion; car vous n'ignorez pas que nous nous sommes montrés ainsi parmi vous, à cause de vous. 6 Et vous-mêmes, vous avez été mes imitateurs et ceux du Seigneur, en recevant la parole au milieu de beaucoup de tribulations, avec la joie du Saint Esprit, 7 en sorte que vous êtes devenus un modèle pour tous les croyants de la Macédoine et de l'Achaïe. 8 Non seulement, en effet, la parole du Seigneur a retenti de chez vous dans la Macédoine et dans l'Achaïe, mais votre foi en Dieu s'est fait connaître en tout lieu, de telle manière que nous n'avons pas besoin d'en parler. 9 Car on raconte, à notre sujet, quel accès nous avons eu auprès de vous, et comment vous vous êtes convertis à Dieu, en abandonnant les idoles pour servir le Dieu vivant et vrai, 10 et pour attendre des cieux son Fils, qu'il a ressuscité des morts, Jésus, qui nous délivre de la colère à venir.