T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 96

1 [Hira fifaliana noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.

2 Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.

3 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.

4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.

5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.

6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.

7 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.

8 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9 Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.

10 Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.

11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.

12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala

13 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.

 

 

Psalm 96

1 Sing to Yahweh a new song!
Sing to Yahweh, all the earth.
2 Sing to Yahweh!
Bless his name!
Proclaim his salvation from day to day!
3 Declare his glory among the nations,
his marvelous works among all the peoples.
4 For great is Yahweh, and greatly to be praised!
He is to be feared above all gods.
5 For all the gods of the peoples are idols,
but Yahweh made the heavens.
6 Honor and majesty are before him.
Strength and beauty are in his sanctuary.
7 Ascribe to Yahweh, you families of nations,
ascribe to Yahweh glory and strength.
8 Ascribe to Yahweh the glory due to his name.
Bring an offering, and come into his courts.
9 Worship Yahweh in holy array.
Tremble before him, all the earth.
10 Say among the nations, “Yahweh reigns.”
The world is also established.
It can’t be moved.
He will judge the peoples with equity.
11 Let the heavens be glad, and let the earth rejoice.
Let the sea roar, and its fullness!
12 Let the field and all that is in it exult!
Then all the trees of the woods shall sing for joy
13 before Yahweh; for he comes,
for he comes to judge the earth.
He will judge the world with righteousness,
the peoples with his truth.

 

 

Chapitre 96
1 Chantez à l'Éternel un cantique nouveau! Chantez à l'Éternel, vous tous, habitants de la terre!

2 Chantez à l'Éternel, bénissez son nom, Annoncez de jour en jour son salut!

3 Racontez parmi les nations sa gloire, Parmi tous les peuples ses merveilles!

4 Car l'Éternel est grand et très digne de louange, Il est redoutable par-dessus tous les dieux;

5 Car tous les dieux des peuples sont des idoles, Et l'Éternel a fait les cieux.

6 La splendeur et la magnificence sont devant sa face, La gloire et la majesté sont dans son sanctuaire.

7 Familles des peuples, rendez à l'Éternel, Rendez à l'Éternel gloire et honneur!

8 Rendez à l'Éternel gloire pour son nom! Apportez des offrandes, et entrez dans ses parvis!

9 Prosternez-vous devant l'Éternel avec des ornements sacrés. Tremblez devant lui, vous tous, habitants de la terre! 10 Dites parmi les nations: L'Éternel règne; Aussi le monde est ferme, il ne chancelle pas; L'Éternel juge les peuples avec droiture.

11 Que les cieux se réjouissent, et que la terre soit dans l'allégresse, Que la mer retentisse avec tout ce qu'elle contient,

12 Que la campagne s'égaie avec tout ce qu'elle renferme, Que tous les arbres des forêts poussent des cris de joie,

13 Devant l'Éternel! Car il vient, Car il vient pour juger la terre; Il jugera le monde avec justice, Et les peuples selon sa fidélité.