T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 89

Instruction d’Éthan, l’Ezrakhite.

1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.

2 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.

*

3 Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:

4 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.

5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.

6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,

7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?

8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.

9 Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.

10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.

11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.

12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.

13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.

14 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.

15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.

16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.

17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.

18 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay*.

19 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]

20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;

21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.

22 Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]

23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.

24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.

25 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.

26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.

27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.

28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.

29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.

30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,

31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,

32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.

33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,

34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.

35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:

36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;

37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]

38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.

39 Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.

40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.

41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.

42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.

43 Efa nampihemotra* ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na: nampilefitra]

44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.

45 Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.

46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?

47 Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!

48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita*? [Heb. Sheola]

49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?

50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra*,

51 Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.

52 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.

 

Psalm 89
A contemplation by Ethan, the Ezrahite.

1 I will sing of the loving kindness of Yahweh forever.
With my mouth, I will make known your faithfulness to all generations.
2 I indeed declare, “Love stands firm forever.
You established the heavens.
Your faithfulness is in them.”
3 “I have made a covenant with my chosen one,
I have sworn to David, my servant,
4 ‘I will establish your seed forever,
and build up your throne to all generations.’”
Selah.
5 The heavens will praise your wonders, Yahweh;
your faithfulness also in the assembly of the holy ones.
6 For who in the skies can be compared to Yahweh?
Who among the sons of the heavenly beings is like Yahweh,
7 a very awesome God in the council of the holy ones,
to be feared above all those who are around him?
8 Yahweh, God of Armies, who is a mighty one, like you?
Yah, your faithfulness is around you.
9 You rule the pride of the sea.
When its waves rise up, you calm them.
10 You have broken Rahab in pieces, like one of the slain.
You have scattered your enemies with your mighty arm.
11 The heavens are yours.
The earth also is yours;
the world and its fullness.
You have founded them.
12 The north and the south, you have created them.
Tabor and Hermon rejoice in your name.
13 You have a mighty arm.
Your hand is strong, and your right hand is exalted.
14 Righteousness and justice are the foundation of your throne.
Loving kindness and truth go before your face.
15 Blessed are the people who learn to acclaim you.
They walk in the light of your presence, Yahweh.
16 In your name they rejoice all day.
In your righteousness, they are exalted.
17 For you are the glory of their strength.
In your favor, our horn will be exalted.
18 For our shield belongs to Yahweh;
our king to the Holy One of Israel.
19 Then you spoke in vision to your saints,
and said, “I have bestowed strength on the warrior.
I have exalted a young man from the people.
20 I have found David, my servant.
I have anointed him with my holy oil,
21 with whom my hand shall be established.
My arm will also strengthen him.
22 No enemy will tax him.
No wicked man will oppress him.
23 I will beat down his adversaries before him,
and strike those who hate him.
24 But my faithfulness and my loving kindness will be with him.
In my name, his horn will be exalted.
25 I will set his hand also on the sea,
and his right hand on the rivers.
26 He will call to me, ‘You are my Father,
my God, and the rock of my salvation!’
27 I will also appoint him my firstborn,
the highest of the kings of the earth.
28 I will keep my loving kindness for him forevermore.
My covenant will stand firm with him.
29 I will also make his seed endure forever,
and his throne as the days of heaven.
30 If his children forsake my law,
and don’t walk in my ordinances;
31 if they break my statutes,
and don’t keep my commandments;
32 then I will punish their sin with the rod,
and their iniquity with stripes.
33 But I will not completely take my loving kindness from him,
nor allow my faithfulness to fail.
34 I will not break my covenant,
nor alter what my lips have uttered.
35 Once have I sworn by my holiness,
I will not lie to David.
36 His seed will endure forever,
his throne like the sun before me.
37 It will be established forever like the moon,
the faithful witness in the sky.”
Selah.
38 But you have rejected and spurned.
You have been angry with your anointed.
39 You have renounced the covenant of your servant.
You have defiled his crown in the dust.
40 You have broken down all his hedges.
You have brought his strongholds to ruin.
41 All who pass by the way rob him.
He has become a reproach to his neighbors.
42 You have exalted the right hand of his adversaries.
You have made all of his enemies rejoice.
43 Yes, you turn back the edge of his sword,
and haven’t supported him in battle.
44 You have ended his splendor,
and thrown his throne down to the ground.
45 You have shortened the days of his youth.
You have covered him with shame.
Selah.
46 How long, Yahweh?
Will you hide yourself forever?
Will your wrath burn like fire?
47 Remember how short my time is!
For what vanity have you created all the children of men!
48 What man is he who shall live and not see death,
who shall deliver his soul from the power of Sheol?
Selah.
49 Lord, where are your former loving kindnesses,
which you swore to David in your faithfulness?
50 Remember, Lord, the reproach of your servants,
how I bear in my heart the taunts of all the mighty peoples,
51 With which your enemies have mocked, Yahweh,
with which they have mocked the footsteps of your anointed one.
52 Blessed be Yahweh forevermore.
Amen, and Amen.

 

Psaume 89
1 (89:1) Cantique d'Éthan, l'Ézrachite. (89:2) Je chanterai toujours les bontés de l'Éternel; Ma bouche fera connaître à jamais ta fidélité.

2(89:3) Car je dis: La bonté a des fondements éternels; Tu établis ta fidélité dans les cieux.

3 (89:4) J'ai fait alliance avec mon élu; Voici ce que j'ai juré à David, mon serviteur:

4 (89:5) J'affermirai ta postérité pour toujours, Et j'établirai ton trône à perpétuité. Pause.

5 (89:6) Les cieux célèbrent tes merveilles, ô Éternel! Et ta fidélité dans l'assemblée des saints.

6 (89:7) Car qui, dans le ciel, peut se comparer à l'Éternel? Qui est semblable à toi parmi les fils de Dieu?

7 (89:8) Dieu est terrible dans la grande assemblée des saints, Il est redoutable pour tous ceux qui l'entourent.

8 (89:9) Éternel, Dieu des armées! qui est comme toi puissant, ô Éternel? Ta fidélité t'environne.

9 (89:10) Tu domptes l'orgueil de la mer; Quand ses flots se soulèvent, tu les apaises.

10 (89:11) Tu écrasas l'Égypte comme un cadavre, Tu dispersas tes ennemis par la puissance de ton bras.

11 (89:12) C'est à toi qu'appartiennent les cieux et la terre, C'est toi qui as fondé le monde et ce qu'il renferme.

12 (89:13) Tu as créé le nord et le midi; Le Thabor et l'Hermon se réjouissent à ton nom.

13 (89:14) Ton bras est puissant, Ta main forte, ta droite élevée.

14 (89:15) La justice et l'équité sont la base de ton trône. La bonté et la fidélité sont devant ta face.

15 (89:16) Heureux le peuple qui connaît le son de la trompette; Il marche à la clarté de ta face, ô Éternel!

16 (89:17) Il se réjouit sans cesse de ton nom, Et il se glorifie de ta justice.

17 (89:18) Car tu es la gloire de sa puissance; C'est ta faveur qui relève notre force.

18 (89:19) Car l'Éternel est notre bouclier, Le Saint d'Israël est notre roi.

19 (89:20) Alors tu parlas dans une vision à ton bien-aimé, Et tu dis: J'ai prêté mon secours à un héros, J'ai élevé du milieu du peuple un jeune homme;

20 (89:21) J'ai trouvé David, mon serviteur, Je l'ai oint de mon huile sainte.

21 (89:22) Ma main le soutiendra, Et mon bras le fortifiera.

22 (89:23) L'ennemi ne le surprendra pas, Et le méchant ne l'opprimera point;

23 (89:24) J'écraserai devant lui ses adversaires, Et je frapperai ceux qui le haïssent.

24 (89:25) Ma fidélité et ma bonté seront avec lui, Et sa force s'élèvera par mon nom.

25 (89:26) Je mettrai sa main sur la mer, Et sa droite sur les fleuves.

26 (89:27) Lui, il m'invoquera: Tu es mon père, Mon Dieu et le rocher de mon salut!

27 (89:28) Et moi, je ferai de lui le premier-né, Le plus élevé des rois de la terre.

28 (89:29) Je lui conserverai toujours ma bonté, Et mon alliance lui sera fidèle;

29 (89:30) Je rendrai sa postérité éternelle, Et son trône comme les jours des cieux.

30 (89:31) Si ses fils abandonnent ma loi Et ne marchent pas selon ses ordonnances,

31 (89:32) S'ils violent mes préceptes Et n'observent pas mes commandements,

32 (89:33) Je punirai de la verge leurs transgressions, Et par des coups leurs iniquités;

33 (89:34) Mais je ne lui retirerai point ma bonté Et je ne trahirai pas ma fidélité,

34 (89:35) Je ne violerai point mon alliance Et je ne changerai pas ce qui est sorti de mes lèvres.

35 (89:36) J'ai juré une fois par ma sainteté: Mentirai-je à David?

36 (89:37) Sa postérité subsistera toujours; Son trône sera devant moi comme le soleil,

37 (89:38) Comme la lune il aura une éternelle durée. Le témoin qui est dans le ciel est fidèle. Pause.

38 (89:39) Et pourtant, tu as rejeté, tu as repoussé! Tu t'es irrité contre ton oint!

39 (89:40) Tu as dédaigné l'alliance avec ton serviteur; Tu as abattu, profané sa couronne. 40 (89:41) Tu as détruit toutes ses murailles, Tu as mis en ruines ses forteresses.

41 (89:42) Tous les passants le dépouillent; Il est un objet d'opprobre pour ses voisins.

42 (89:43) Tu as élevé la droite de ses adversaires, Tu as réjoui tous ses ennemis;

43 (89:44) Tu as fait reculer le tranchant de son glaive, Et tu ne l'as pas soutenu dans le combat.

44 (89:45) Tu as mis un terme à sa splendeur, Et tu as jeté son trône à terre;

45 (89:46) Tu as abrégé les jours de sa jeunesse, Tu l'as couvert de honte. Pause.

46 (89:47) Jusques à quand, Éternel! te cacheras-tu sans cesse, Et ta fureur s'embrasera-t-elle comme le feu?

47 (89:48) Rappelle-toi ce qu'est la durée de ma vie, Et pour quel néant tu as créé tous les fils de l'homme.

48 (89:49) Y a-t-il un homme qui puisse vivre et ne pas voir la mort, Qui puisse sauver son âme du séjour des morts? Pause.

49 (89:50) Où sont, Seigneur! tes bontés premières, Que tu juras à David dans ta fidélité? 50 (89:51) Souviens-toi, Seigneur! de l'opprobre de tes serviteurs, Souviens-toi que je porte en mon sein tous les peuples nombreux;

51 (89:52) Souviens-toi des outrages de tes ennemis, ô Éternel! De leurs outrages contre les pas de ton oint.

52 (89:53) Béni soit à jamais l'Éternel! Amen! Amen!