T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 86

Prière de David.

1 [Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.

4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.

*

6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.

7 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.

8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.

9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.

10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.

*

11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.

12 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.

13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ambany indrindra.[Heb. Shoela]

*

14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.

15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.

16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.

17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.

 

Psalm 86
A Prayer by David.

1 Hear, Yahweh, and answer me,
for I am poor and needy.
2 Preserve my soul, for I am godly.
You, my God, save your servant who trusts in you.
3 Be merciful to me, Lord,
for I call to you all day long.
4 Bring joy to the soul of your servant,
for to you, Lord, do I lift up my soul.
5 For you, Lord, are good, and ready to forgive;
abundant in loving kindness to all those who call on you.
6 Hear, Yahweh, my prayer.
Listen to the voice of my petitions.
7 In the day of my trouble I will call on you,
for you will answer me.
8 There is no one like you among the gods, Lord,
nor any deeds like your deeds.
9 All nations you have made will come and worship before you, Lord.
They shall glorify your name.
10 For you are great, and do wondrous things.
You are God alone.
11 Teach me your way, Yahweh.
I will walk in your truth.
Make my heart undivided to fear your name.
12 I will praise you, Lord my God, with my whole heart.
I will glorify your name forevermore.
13 For your loving kindness is great toward me.
You have delivered my soul from the lowest Sheol.
14 God, the proud have risen up against me.
A company of violent men have sought after my soul,
and they don’t hold regard for you before them.
15 But you, Lord, are a merciful and gracious God,
slow to anger, and abundant in loving kindness and truth.
16 Turn to me, and have mercy on me!
Give your strength to your servant.
Save the son of your handmaid.
17 Show me a sign of your goodness,
that those who hate me may see it, and be shamed,
because you, Yahweh, have helped me, and comforted me.

Psaume 86
1 Prière de David. Éternel, prête l'oreille, exauce-moi! Car je suis malheureux et indigent.

2 Garde mon âme, car je suis pieux! Mon Dieu, sauve ton serviteur qui se confie en toi!

3 Aie pitié de moi, Seigneur! Car je crie à toi tout le jour.

4 Réjouis l'âme de ton serviteur, Car à toi, Seigneur, j'élève mon âme.

5 Car tu es bon, Seigneur, tu pardonnes, Tu es plein d'amour pour tous ceux qui t'invoquent. 6 Éternel, prête l'oreille à ma prière, Sois attentif à la voix de mes supplications!

7 Je t'invoque au jour de ma détresse, Car tu m'exauces.

8 Nul n'est comme toi parmi les dieux, Seigneur, Et rien ne ressemble à tes oeuvres.

9 Toutes les nations que tu as faites viendront Se prosterner devant ta face, Seigneur, Et rendre gloire à ton nom.

10 Car tu es grand, et tu opères des prodiges; Toi seul, tu es Dieu.

11 Enseigne-moi tes voies, ô Éternel! Je marcherai dans ta fidélité. Dispose mon coeur à la crainte de ton nom.

12 Je te louerai de tout mon coeur, Seigneur, mon Dieu! Et je glorifierai ton nom à perpétuité.

13 Car ta bonté est grande envers moi, Et tu délivres mon âme du séjour profond des morts.

14 O Dieu! des orgueilleux se sont levés contre moi, Une troupe d'hommes violents en veulent à ma vie; Ils ne portent pas leurs pensées sur toi.

15 Mais toi, Seigneur, tu es un Dieu miséricordieux et compatissant, Lent à la colère, riche en bonté et en fidélité;

16 Tourne vers moi les regards et aie pitié de moi, Donne la force à ton serviteur, Et sauve le fils de ta servante!

17 Opère un signe en ma faveur! Que mes ennemis le voient et soient confus! Car tu me secours et tu me consoles, ô Éternel!