T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 81

Au chef de musique. Sur Guitthith*. D’Asaph.

1 [Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.

2 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.

3 Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.

4 Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.

5 Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.

*

6 Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.

7 Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.

8 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.

9 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.

10 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.

11 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;

12 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.

*

13 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;

14 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;

15 Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;

16 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.

 

Psalm 81
For the Chief Musician. On an instrument of Gath. By Asaph.

1 Sing aloud to God, our strength!
Make a joyful shout to the God of Jacob!
2 Raise a song, and bring here the tambourine,
the pleasant lyre with the harp.
3 Blow the trumpet at the New Moon,
at the full moon, on our feast day.
4 For it is a statute for Israel,
an ordinance of the God of Jacob.
5 He appointed it in Joseph for a testimony,
when he went out over the land of Egypt,
I heard a language that I didn’t know.
6 “I removed his shoulder from the burden.
His hands were freed from the basket.
7 You called in trouble, and I delivered you.
I answered you in the secret place of thunder.
I tested you at the waters of Meribah.”
Selah.
8 “Hear, my people, and I will testify to you,
Israel, if you would listen to me!
9 There shall be no strange god in you,
neither shall you worship any foreign god.
10 I am Yahweh, your God,
who brought you up out of the land of Egypt.
Open your mouth wide, and I will fill it.
11 But my people didn’t listen to my voice.
Israel desired none of me.
12 So I let them go after the stubbornness of their hearts,
that they might walk in their own counsels.
13 Oh that my people would listen to me,
that Israel would walk in my ways!
14 I would soon subdue their enemies,
and turn my hand against their adversaries.
15 The haters of Yahweh would cringe before him,
and their punishment would last forever.
16 But he would have also fed them with the finest of the wheat.
I will satisfy you with honey out of the rock.”

Psaume 81
1 (81:1) Au chef des chantres. Sur la guitthith. D'Asaph. (81:2) Chantez avec allégresse à Dieu, notre force! Poussez des cris de joie vers le Dieu de Jacob!

2 (81:3) Entonnez des cantiques, faites résonner le tambourin, La harpe mélodieuse et le luth!

3 (81:4) Sonnez de la trompette à la nouvelle lune, A la pleine lune, au jour de notre fête!

4 (81:5) Car c'est une loi pour Israël, Une ordonnance du Dieu de Jacob.

5 (81:6) Il en fit un statut pour Joseph, Quand il marcha contre le pays d'Égypte... J'entends une voix qui m'est inconnue:

6 (81:7) J'ai déchargé son épaule du fardeau, Et ses mains ont lâché la corbeille.

7 (81:8) Tu as crié dans la détresse, et je t'ai délivré; Je t'ai répondu dans la retraite du tonnerre; Je t'ai éprouvé près des eaux de Meriba. Pause.

8 (81:9) Écoute, mon peuple! et je t'avertirai; Israël, puisses-tu m'écouter!

9 (81:10) Qu'il n'y ait au milieu de toi point de dieu étranger! Ne te prosterne pas devant des dieux étrangers!

10 (81:11) Je suis l'Éternel, ton Dieu, qui t'ai fait monter du pays d'Égypte; Ouvre ta bouche, et je la remplirai.

11 (81:12) Mais mon peuple n'a point écouté ma voix, Israël ne m'a point obéi.

12 (81:13) Alors je les ai livrés aux penchants de leur coeur, Et ils ont suivi leurs propres conseils.

13 (81:14) Oh! si mon peuple m'écoutait, Si Israël marchait dans mes voies!

14 (81:15) En un instant je confondrais leurs ennemis, Je tournerais ma main contre leurs adversaires;

15 (81:16) Ceux qui haïssent l'Éternel le flatteraient, Et le bonheur d'Israël durerait toujours;

16 (81:17) Je le nourrirais du meilleur froment, Et je le rassasierais du miel du rocher.