T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 80

Au chef de musique. Sur Shoshannim*. Témoignage d’Asaph. Psaume.

1 [Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.

2 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.

3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

*

4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]

5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.

6 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.

7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

*

8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.

9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.

10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb: sederan'Andriamanitra]

11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata]

12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?

13 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.

14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.

15 Arovy* izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]

16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.

*

17 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.

18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.

19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.

 

Psalm 80
For the Chief Musician. To the tune of “The Lilies of the Covenant.” A Psalm by Asaph.


1 Hear us, Shepherd of Israel,
you who lead Joseph like a flock,
you who sit above the cherubim, shine forth.
2 Before Ephraim and Benjamin and Manasseh, stir up your might!
Come to save us!
3 Turn us again, God.
Cause your face to shine,
and we will be saved.
4 Yahweh God of Armies,
How long will you be angry against the prayer of your people?
5 You have fed them with the bread of tears,
and given them tears to drink in large measure.
6 You make us a source of contention to our neighbors.
Our enemies laugh among themselves.
7 Turn us again, God of Armies.
Cause your face to shine,
and we will be saved.
8 You brought a vine out of Egypt.
You drove out the nations, and planted it.
9 You cleared the ground for it.
It took deep root, and filled the land.
10 The mountains were covered with its shadow.
Its boughs were like God’s cedars.
11 It sent out its branches to the sea,
Its shoots to the River.
12 Why have you broken down its walls,
so that all those who pass by the way pluck it?
13 The boar out of the wood ravages it.
The wild animals of the field feed on it.
14 Turn again, we beg you, God of Armies.
Look down from heaven, and see, and visit this vine,
15 the stock which your right hand planted,
the branch that you made strong for yourself.
16 It’s burned with fire.
It’s cut down.
They perish at your rebuke.
17 Let your hand be on the man of your right hand,
on the son of man whom you made strong for yourself.
18 So we will not turn away from you.
Revive us, and we will call on your name.
19 Turn us again, Yahweh God of Armies.
Cause your face to shine, and we will be saved.

 

Psaume 80
1 (80:1) Au chef des chantres. Sur les lis lyriques. D'Asaph. Psaume. (80:2) Prête l'oreille, berger d'Israël, Toi qui conduis Joseph comme un troupeau! Parais dans ta splendeur, Toi qui es assis sur les chérubins!

2 (80:3) Devant Éphraïm, Benjamin et Manassé, réveille ta force, Et viens à notre secours!

3 (80:4) O Dieu, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!

4 (80:5) Éternel, Dieu des armées! Jusques à quand t'irriteras-tu contre la prière de ton peuple?

5 (80:6) Tu les nourris d'un pain de larmes. Tu les abreuves de larmes à pleine mesure.

6 (80:7) Tu fais de nous un objet de discorde pour nos voisins, Et nos ennemis se raillent de nous.

7 (80:8) Dieu des armées, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!

8 (80:9) Tu avais arraché de l'Égypte une vigne; Tu as chassé des nations, et tu l'as plantée.

9 (80:10) Tu as fait place devant elle: Elle a jeté des racines et rempli la terre;

10 (80:11) Les montagnes étaient couvertes de son ombre, Et ses rameaux étaient comme des cèdres de Dieu;

11 (80:12) Elle étendait ses branches jusqu'à la mer, Et ses rejetons jusqu'au fleuve.

12 (80:13) Pourquoi as-tu rompu ses clôtures, En sorte que tous les passants la dépouillent?

13 (80:14) Le sanglier de la forêt la ronge, Et les bêtes des champs en font leur pâture.

14 (80:15) Dieu des armées, reviens donc! Regarde du haut des cieux, et vois! considère cette vigne!

15 (80:16) Protège ce que ta droite a planté, Et le fils que tu t'es choisi!...

16 (80:17) Elle est brûlée par le feu, elle est coupée! Ils périssent devant ta face menaçante.

17 (80:18) Que ta main soit sur l'homme de ta droite, Sur le fils de l'homme que tu t'es choisi! 18 (80:19) Et nous ne nous éloignerons plus de toi. Fais-nous revivre, et nous invoquerons ton nom.

19 (80:20) Éternel, Dieu des armées, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!