T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 74

Pour instruire. D’Asaph.

1 [Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?

2 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.

3 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.

4 Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.

5 Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;

6 Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.

7 Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany* ny fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]

8 Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.

9 Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.

10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?

11 Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.

*

12 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.

13 Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.

14 Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.

15 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.

17 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.

18 Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.

19 Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.

20 Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.

21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.

22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.

23 Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.

 

Psalm 74
A contemplation by Asaph.

1 God, why have you rejected us forever?
Why does your anger smolder against the sheep of your pasture?
2 Remember your congregation, which you purchased of old,
which you have redeemed to be the tribe of your inheritance;
Mount Zion, in which you have lived.
3 Lift up your feet to the perpetual ruins,
all the evil that the enemy has done in the sanctuary.
4 Your adversaries have roared in the midst of your assembly.
They have set up their standards as signs.
5 They behaved like men wielding axes,
cutting through a thicket of trees.
6 Now they break all its carved work down with hatchet and hammers.
7 They have burned your sanctuary to the ground.
They have profaned the dwelling place of your Name.
8 They said in their heart, “We will crush them completely.”
They have burned up all the places in the land where God was worshiped.
9 We see no miraculous signs.
There is no longer any prophet,
neither is there among us anyone who knows how long.
10 How long, God, shall the adversary reproach?
Shall the enemy blaspheme your name forever?
11 Why do you draw back your hand, even your right hand?
Take it out of your pocket and consume them!
12 Yet God is my King of old,
working salvation in the midst of the earth.
13 You divided the sea by your strength.
You broke the heads of the sea monsters in the waters.
14 You broke the heads of Leviathan in pieces.
You gave him as food to people and desert creatures.
15 You opened up spring and stream.
You dried up mighty rivers.
16 The day is yours, the night is also yours.
You have prepared the light and the sun.
17 You have set all the boundaries of the earth.
You have made summer and winter.
18 Remember this, that the enemy has mocked you, Yahweh.
Foolish people have blasphemed your name.
19 Don’t deliver the soul of your dove to wild beasts.
Don’t forget the life of your poor forever.
20 Honor your covenant, for haunts of violence fill the dark places of the earth.
21 Don’t let the oppressed return ashamed.
Let the poor and needy praise your name.
22 Arise, God! Plead your own cause.
Remember how the foolish man mocks you all day.
23 Don’t forget the voice of your adversaries.
The tumult of those who rise up against you ascends continually.

 

Psaume 74
1 Cantique d'Asaph. Pourquoi, ô Dieu! rejettes-tu pour toujours? Pourquoi t'irrites-tu contre le troupeau de ton pâturage?

2 Souviens-toi de ton peuple que tu as acquis autrefois, Que tu as racheté comme la tribu de ton héritage! Souviens-toi de la montagne de Sion, où tu faisais ta résidence;

3 Porte tes pas vers ces lieux constamment dévastés! L'ennemi a tout ravagé dans le sanctuaire.

4 Tes adversaires ont rugi au milieu de ton temple; Ils ont établi pour signes leurs signes. 5 On les a vus, pareils à celui qui lève La cognée dans une épaisse forêt;

6 Et bientôt ils ont brisé toutes les sculptures, A coups de haches et de marteaux.

7 Ils ont mis le feu à ton sanctuaire; Ils ont abattu, profané la demeure de ton nom. 8 Ils disaient en leur coeur: Traitons-les tous avec violence! Ils ont brûlé dans le pays tous les lieux saints.

9 Nous ne voyons plus nos signes; Il n'y a plus de prophète, Et personne parmi nous qui sache jusqu'à quand... 10 Jusqu'à quand, ô Dieu! l'oppresseur outragera-t-il, L'ennemi méprisera-t-il sans cesse ton nom?

11 Pourquoi retires-tu ta main et ta droite? Sors-la de ton sein! détruis!

12 Dieu est mon roi dès les temps anciens, Lui qui opère des délivrances au milieu de la terre.

13 Tu as fendu la mer par ta puissance, Tu as brisé les têtes des monstres sur les eaux;

14 Tu as écrasé la tête du crocodile, Tu l'as donné pour nourriture au peuple du désert. 15 Tu as fait jaillir des sources et des torrents. Tu as mis à sec des fleuves qui ne tarissent point.

16 A toi est le jour, à toi est la nuit; Tu as créé la lumière et le soleil.

17 Tu as fixé toutes les limites de la terre, Tu as établi l'été et l'hiver.

18 Souviens-toi que l'ennemi outrage l'Éternel, Et qu'un peuple insensé méprise ton nom!

19 Ne livre pas aux bêtes l'âme de ta tourterelle, N'oublie pas à toujours la vie de tes malheureux!

20 Aie égard à l'alliance! Car les lieux sombres du pays sont pleins de repaires de brigands. 21 Que l'opprimé ne retourne pas confus! Que le malheureux et le pauvre célèbrent ton nom!

22 Lève-toi, ô Dieu! défends ta cause! Souviens-toi des outrages que te fait chaque jour l'insensé!

23 N'oublie pas les clameurs de tes adversaires, Le tumulte sans cesse croissant de ceux qui s'élèvent contre toi!