T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 73

Psaume d’Asaph.

1 [Ny amin'ny tsy hahaketraka ny olon'Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.

2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,

3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.

5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.

6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.

7 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.

8 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.

9 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.

10 Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;

11 Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?

12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.

13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.

14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.

15 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.

16 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.

17 Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.

18 Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.

19 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!

20 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.

21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,

22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]

23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.

24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.

25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.

28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

 

Psalm 73
A Psalm by Asaph.
1 Surely God is good to Israel,
to those who are pure in heart.
2 But as for me, my feet were almost gone.
My steps had nearly slipped.
3 For I was envious of the arrogant,
when I saw the prosperity of the wicked.
4 For there are no struggles in their death,
but their strength is firm.
5 They are free from burdens of men,
neither are they plagued like other men.
6 Therefore pride is like a chain around their neck.
Violence covers them like a garment.
7 Their eyes bulge with fat.
Their minds pass the limits of conceit.
8 They scoff and speak with malice.
In arrogance, they threaten oppression.
9 They have set their mouth in the heavens.
Their tongue walks through the earth.
10 Therefore their people return to them,
and they drink up waters of abundance.
11 They say, “How does God know?
Is there knowledge in the Most High?”
12 Truly, such are the sinners; they do well at all times, and their wealth is increased.
13 Surely in vain I have cleansed my heart,
and washed my hands in innocence,
14 For all day long have I been plagued,
and punished every morning.
15 If I had said, “I will speak thus”; behold, I would have betrayed the generation of your children.
16 When I tried to understand this, it was too painful for me;
17 Until I entered God’s sanctuary, and considered their latter end.
18 Surely you set them in slippery places.
You throw them down to destruction.
19 How they are suddenly destroyed!
They are completely swept away with terrors.
20 As a dream when one wakes up, so, Lord, when you awake, you will despise their fantasies.
21 For my soul was grieved. I was embittered in my heart.
22 I was so senseless and ignorant. I was a brute beast before you.
23 Nevertheless, I am continually with you. You have held my right hand.
24 You will guide me with your counsel, and afterward receive me to glory.
25 Whom do I have in heaven? There is no one on earth whom I desire besides you.
26 My flesh and my heart fails, but God is the strength of my heart and my portion forever.
27 For, behold, those who are far from you shall perish. You have destroyed all those who are unfaithful to you.
28 But it is good for me to come close to God.
I have made the Lord Yahweh my refuge,
that I may tell of all your works.

 

Psaume 73
1 Psaume d'Asaph. Oui, Dieu est bon pour Israël, Pour ceux qui ont le coeur pur.

2 Toutefois, mon pied allait fléchir, Mes pas étaient sur le point de glisser;

3 Car je portais envie aux insensés, En voyant le bonheur des méchants.

4 Rien ne les tourmente jusqu'à leur mort, Et leur corps est chargé d'embonpoint;

5 Ils n'ont aucune part aux souffrances humaines, Ils ne sont point frappés comme le reste des hommes.

6 Aussi l'orgueil leur sert de collier, La violence est le vêtement qui les enveloppe;

7 L'iniquité sort de leurs entrailles, Les pensées de leur coeur se font jour.

8 Ils raillent, et parlent méchamment d'opprimer; Ils profèrent des discours hautains,

9 Ils élèvent leur bouche jusqu'aux cieux, Et leur langue se promène sur la terre.

10 Voilà pourquoi son peuple se tourne de leur côté, Il avale l'eau abondamment,

11 Et il dit: Comment Dieu saurait-il, Comment le Très-Haut connaîtrait-il?

12 Ainsi sont les méchants: Toujours heureux, ils accroissent leurs richesses.

13 C'est donc en vain que j'ai purifié mon coeur, Et que j'ai lavé mes mains dans l'innocence:

14 Chaque jour je suis frappé, Tous les matins mon châtiment est là.

15 Si je disais: Je veux parler comme eux, Voici, je trahirais la race de tes enfants.

16 Quand j'ai réfléchi là-dessus pour m'éclairer, La difficulté fut grande à mes yeux,

17 Jusqu'à ce que j'eusse pénétré dans les sanctuaires de Dieu, Et que j'eusse pris garde au sort final des méchants.

18 Oui, tu les places sur des voies glissantes, Tu les fais tomber et les mets en ruines. 19 Eh quoi! en un instant les voilà détruits! Ils sont enlevés, anéantis par une fin soudaine! 20 Comme un songe au réveil, Seigneur, à ton réveil, tu repousses leur image.

21 Lorsque mon coeur s'aigrissait, Et que je me sentais percé dans les entrailles,

22 J'étais stupide et sans intelligence, J'étais à ton égard comme les bêtes.

23 Cependant je suis toujours avec toi, Tu m'as saisi la main droite;

24 Tu me conduiras par ton conseil, Puis tu me recevras dans la gloire.

25 Quel autre ai-je au ciel que toi! Et sur la terre je ne prends plaisir qu'en toi.

26 Ma chair et mon coeur peuvent se consumer: Dieu sera toujours le rocher de mon coeur et mon partage.

27 Car voici, ceux qui s'éloignent de toi périssent; Tu anéantis tous ceux qui te sont infidèles.

28 Pour moi, m'approcher de Dieu, c'est mon bien: Je place mon refuge dans le Seigneur, l'Éternel, Afin de raconter toutes tes oeuvres.