T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 69

Au chef de musique. Sur Shoshannim*. De David.

1 [Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.

2 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.

3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.

4 Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.

5 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.

6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.

7 Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.

8 Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.

9 Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.

10 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.

11 Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.

12 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.

13 Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.

14 Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.

15 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.

16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.

17 Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.

18 Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.

19 Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.

20 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.

21 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.

22 Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.

23 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.

24 Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.

25 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.

26 Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.

27 Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.

28 Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.

29 Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.

30 Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.

31 Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.

32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.

33 Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.

34 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.

35 Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;

36 Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.

 

Psalm 69
For the Chief Musician. To the tune of “Lilies.” By David.

1 Save me, God,
for the waters have come up to my neck!
2 I sink in deep mire, where there is no foothold.
I have come into deep waters, where the floods overflow me.
3 I am weary with my crying.
My throat is dry.
My eyes fail, looking for my God.
4 Those who hate me without a cause are more than the hairs of my head.
Those who want to cut me off, being my enemies wrongfully, are mighty.
I have to restore what I didn’t take away.
5 God, you know my foolishness.
My sins aren’t hidden from you.
6 Don’t let those who wait for you be shamed through me, Lord Yahweh of Armies.
Don’t let those who seek you be brought to dishonor through me, God of Israel.
7 Because for your sake, I have borne reproach.
Shame has covered my face.
8 I have become a stranger to my brothers,
an alien to my mother’s children.
9 For the zeal of your house consumes me.
The reproaches of those who reproach you have fallen on me.
10 When I wept and I fasted,
that was to my reproach.
69:11 When I made sackcloth my clothing,
I became a byword to them.
12 Those who sit in the gate talk about me.
I am the song of the drunkards.
13 But as for me, my prayer is to you, Yahweh, in an acceptable time.
God, in the abundance of your loving kindness, answer me in the truth of your salvation.
14 Deliver me out of the mire, and don’t let me sink.
Let me be delivered from those who hate me, and out of the deep waters.
15 Don’t let the flood waters overwhelm me,
neither let the deep swallow me up.
Don’t let the pit shut its mouth on me.
16 Answer me, Yahweh, for your loving kindness is good.
According to the multitude of your tender mercies, turn to me.
17 Don’t hide your face from your servant,
for I am in distress.
Answer me speedily!
18 Draw near to my soul, and redeem it.
Ransom me because of my enemies.
19 You know my reproach, my shame, and my dishonor.
My adversaries are all before you.
20 Reproach has broken my heart, and I am full of heaviness.
I looked for some to take pity, but there was none;
for comforters, but I found none.
21 They also gave me gall for my food.
In my thirst, they gave me vinegar to drink.
22 Let their table before them become a snare.
May it become a retribution and a trap.
23 Let their eyes be darkened, so that they can’t see.
Let their backs be continually bent.
24 Pour out your indignation on them.
Let the fierceness of your anger overtake them.
25desolate.
Let no one dwell in their tents.
26 For they persecute him whom you have wounded.
They tell of the sorrow of those whom you have hurt.
27 Charge them with crime upon crime.
Don’t let them come into your righteousness.
28 Let them be blotted out of the book of life,
and not be written with the righteous.
29 But I am in pain and distress.
Let your salvation, God, protect me.
30 I will praise the name of God with a song,
and will magnify him with thanksgiving.
31 It will please Yahweh better than an ox,
or a bull that has horns and hoofs.
32 The humble have seen it, and are glad.
You who seek after God, let your heart live.
33 For Yahweh hears the needy,
and doesn’t despise his captive people.
34 Let heaven and earth praise him;
the seas, and everything that moves therein!
35 For God will save Zion, and build the cities of Judah.
They shall settle there, and own it.
36 The children also of his servants shall inherit it.
Those who love his name shall dwell therein.

 

Psaume 69
1 (69:1) Au chef des chantres. Sur les lis. De David. (69:2) Sauve-moi, ô Dieu! Car les eaux menacent ma vie.

2 (69:3) J'enfonce dans la boue, sans pouvoir me tenir; Je suis tombé dans un gouffre, et les eaux m'inondent.

3 (69:4) Je m'épuise à crier, mon gosier se dessèche, Mes yeux se consument, tandis que je regarde vers mon Dieu.

4 (69:5) Ils sont plus nombreux que les cheveux de ma tête, Ceux qui me haïssent sans cause; Ils sont puissants, ceux qui veulent me perdre, Qui sont à tort mes ennemis. Ce que je n'ai pas dérobé, il faut que je le restitue.

5 (69:6) O Dieu! tu connais ma folie, Et mes fautes ne te sont point cachées.

6 (69:7) Que ceux qui espèrent en toi ne soient pas confus à cause de moi, Seigneur, Éternel des armées! Que ceux qui te cherchent ne soient pas dans la honte à cause de moi, Dieu d'Israël!

7 (69:8) Car c'est pour toi que je porte l'opprobre, Que la honte couvre mon visage;

8 (69:9) Je suis devenu un étranger pour mes frères, Un inconnu pour les fils de ma mère.

9 (69:10) Car le zèle de ta maison me dévore, Et les outrages de ceux qui t'insultent tombent sur moi.

10 (69:11) Je verse des larmes et je jeûne, Et c'est ce qui m'attire l'opprobre;

11 (69:12) Je prends un sac pour vêtement, Et je suis l'objet de leurs sarcasmes.

12 (69:13) Ceux qui sont assis à la porte parlent de moi, Et les buveurs de liqueurs fortes me mettent en chansons.

13 (69:14) Mais je t'adresse ma prière, ô Éternel! Que ce soit le temps favorable, ô Dieu, par ta grande bonté! Réponds-moi, en m'assurant ton secours!

14 (69:15) Retire-moi de la boue, et que je n'enfonce plus! Que je sois délivré de mes ennemis et du gouffre!

15 (69:16) Que les flots ne m'inondent plus, Que l'abîme ne m'engloutisse pas, Et que la fosse ne se ferme pas sur moi! 16 (69:17) Exauce-moi, Éternel! car ta bonté est immense. Dans tes grandes compassions, tourne vers moi les regards,

17 (69:18) Et ne cache pas ta face à ton serviteur! Puisque je suis dans la détresse, hâte-toi de m'exaucer!

18 (69:19) Approche-toi de mon âme, délivre-la! Sauve-moi, à cause de mes ennemis!

19 (69:20) Tu connais mon opprobre, ma honte, mon ignominie; Tous mes adversaires sont devant toi.

20 (69:21) L'opprobre me brise le coeur, et je suis malade; J'attends de la pitié, mais en vain, Des consolateurs, et je n'en trouve aucun.

21 (69:22) Ils mettent du fiel dans ma nourriture, Et, pour apaiser ma soif, ils m'abreuvent de vinaigre.

22 (69:23) Que leur table soit pour eux un piège, Et un filet au sein de leur sécurité!

23 (69:24) Que leurs yeux s'obscurcissent et ne voient plus, Et fais continuellement chanceler leurs reins!

24 (69:25) Répands sur eux ta colère, Et que ton ardente fureur les atteigne!

 25 (69:26) Que leur demeure soit dévastée, Qu'il n'y ait plus d'habitants dans leurs tentes! 26 (69:27) Car ils persécutent celui que tu frappes, Ils racontent les souffrances de ceux que tu blesses.

27 (69:28) Ajoute des iniquités à leurs iniquités, Et qu'ils n'aient point part à ta miséricorde!

28 (69:29) Qu'ils soient effacés du livre de vie, Et qu'ils ne soient point inscrits avec les justes!

29 (69:30) Moi, je suis malheureux et souffrant: O Dieu, que ton secours me relève!

30 (69:31) Je célébrerai le nom de Dieu par des cantiques, Je l'exalterai par des louanges.

31 (69:32) Cela est agréable à l'Éternel, plus qu'un taureau Avec des cornes et des sabots. 32 (69:33) Les malheureux le voient et se réjouissent; Vous qui cherchez Dieu, que votre coeur vive!

33 (69:34) Car l'Éternel écoute les pauvres, Et il ne méprise point ses captifs.

34 (69:35) Que les cieux et la terre le célèbrent, Les mers et tout ce qui s'y meut!

35 (69:36) Car Dieu sauvera Sion, et bâtira les villes de Juda; On s'y établira, et l'on en prendra possession;

36 (69:37) La postérité de ses serviteurs en fera son héritage, Et ceux qui aiment son nom y auront leur demeure.