T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 68

Au chef de musique. De David. Psaume. Cantique,

1 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.

2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.

3 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.

*

4 Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.

5 Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.

6 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.

*

7 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,

8 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.

9 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.

10 Ny olonao* tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]

11 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.

12 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.

13 Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara

14 Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.

*

15 Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.

16 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.

17 Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]

18 Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]

19 Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro*, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]

20 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.

21 Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.

22 Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,

23 Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.

*

24 Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]

25 Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.

26 Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.

27 Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.

*

28 Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.

29 Noho* ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']

30 Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady

31 Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.

*

32 Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,

33 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.

34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.

35 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.

*

 

Psalm 68

For the Chief Musician. A Psalm by David. A song.


1 Let God arise!
Let his enemies be scattered!
Let them who hate him also flee before him.
2 As smoke is driven away,
so drive them away.
As wax melts before the fire,
so let the wicked perish at the presence of God.
3 But let the righteous be glad.
Let them rejoice before God.
Yes, let them rejoice with gladness.
4 Sing to God! Sing praises to his name! Extol him who rides on the clouds: to Yah, his name! Rejoice before him!
5 A father of the fatherless, and a defender of the widows,
is God in his holy habitation.
6 God sets the lonely in families.
He brings out the prisoners with singing,
but the rebellious dwell in a sun-scorched land.
7 God, when you went forth before your people,
when you marched through the wilderness...
Selah.
8 The earth trembled.
The sky also poured down rain at the presence of the God of Sinai—
at the presence of God, the God of Israel.
9 You, God, sent a plentiful rain.
You confirmed your inheritance, when it was weary.
10 Your congregation lived therein.
You, God, prepared your goodness for the poor.
11 The Lord announced the word.
The ones who proclaim it are a great company.
12 “Kings of armies flee! They flee!”
She who waits at home divides the spoil,
13 while you sleep among the campfires,
the wings of a dove sheathed with silver,
her feathers with shining gold.
14 When the Almighty scattered kings in her,
it snowed on Zalmon.
15 The mountains of Bashan are majestic mountains.
The mountains of Bashan are rugged.
16 Why do you look in envy, you rugged mountains,
at the mountain where God chooses to reign?
Yes, Yahweh will dwell there forever.
17 The chariots of God are tens of thousands and thousands of thousands.
The Lord is among them, from Sinai, into the sanctuary.
18 You have ascended on high.
You have led away captives.
You have received gifts among men,
yes, among the rebellious also, that Yah God might dwell there.
19 Blessed be the Lord, who daily bears our burdens,
even the God who is our salvation.
Selah.
20 God is to us a God of deliverance.
To Yahweh, the Lord, belongs escape from death.
21 But God will strike through the head of his enemies,
the hairy scalp of such a one as still continues in his guiltiness.
22 The Lord said, “I will bring you again from Bashan,
I will bring you again from the depths of the sea;
23 That you may crush them, dipping your foot in blood,
that the tongues of your dogs may have their portion from your enemies.”
24 They have seen your processions, God,
even the processions of my God, my King, into the sanctuary.
25 The singers went before, the minstrels followed after,
in the midst of the ladies playing with tambourines,
26 “Bless God in the congregations,
even the Lord in the assembly of Israel!”
27 There is little Benjamin, their ruler,
the princes of Judah, their council,
the princes of Zebulun, and the princes of Naphtali.
28 Your God has commanded your strength.
Strengthen, God, that which you have done for us.
29:at Jerusalem,
kings shall bring presents to you.
30 Rebuke the wild animal of the reeds,
the multitude of the bulls, with the calves of the peoples.
Being humbled, may it bring bars of silver.
Scatter the nations that delight in war.
31 Princes shall come out of Egypt.
Ethiopia shall hurry to stretch out her hands to God.
32 Sing to God, you kingdoms of the earth!
Sing praises to the Lord!
Selah.
33 To him who rides on the heaven of heavens, which are of old;
behold, he utters his voice, a mighty voice.
34 Ascribe strength to God!
His excellency is over Israel,
his strength is in the skies.
35 You are awesome, God, in your sanctuaries.
The God of Israel gives strength and power to his people.
Praise be to God!

 

Psaume 68
1 (68:1) Au chef des chantres. De David. Psaume. Cantique. (68:2) Dieu se lève, ses ennemis se dispersent, Et ses adversaires fuient devant sa face.

2 (68:3) Comme la fumée se dissipe, tu les dissipes; Comme la cire se fond au feu, Les méchants disparaissent devant Dieu.

3 (68:4) Mais les justes se réjouissent, ils triomphent devant Dieu, Ils ont des transports d'allégresse.

4 (68:5) Chantez à Dieu, célébrez son nom! Frayez le chemin à celui qui s'avance à travers les plaines! L'Éternel est son nom: réjouissez-vous devant lui!

5 (68:6) Le père des orphelins, le défenseur des veuves, C'est Dieu dans sa demeure sainte. 6 (68:7) Dieu donne une famille à ceux qui étaient abandonnés, Il délivre les captifs et les rend heureux; Les rebelles seuls habitent des lieux arides.

7 (68:8) O Dieu! quand tu sortis à la tête de ton peuple, Quand tu marchais dans le désert, -Pause.

8 (68:9) La terre trembla, les cieux se fondirent devant Dieu, Le Sinaï s'ébranla devant Dieu, le Dieu d'Israël.

9 (68:10) Tu fis tomber une pluie bienfaisante, ô Dieu! Tu fortifias ton héritage épuisé.

10 (68:11) Ton peuple établit sa demeure dans le pays Que par ta bonté, ô Dieu! tu avais préparé pour les malheureux. 11 (68:12) Le Seigneur dit une parole, Et les messagères de bonnes nouvelles sont une grande armée: -

12 (68:13) Les rois des armées fuient, fuient, Et celle qui reste à la maison partage le butin.

13 (68:14) Tandis que vous reposez au milieu des étables, Les ailes de la colombe sont couvertes d'argent, Et son plumage est d'un jaune d'or. - 14 (68:15) Lorsque le Tout-Puissant dispersa les rois dans le pays, La terre devint blanche comme la neige du Tsalmon. 15 (68:16) Montagnes de Dieu, montagnes de Basan, Montagnes aux cimes nombreuses, montagnes de Basan,

16 (68:17) Pourquoi, montagnes aux cimes nombreuses, avez-vous de l'envie Contre la montagne que Dieu a voulue pour résidence? L'Éternel n'en fera pas moins sa demeure à perpétuité.

17 (68:18) Les chars de l'Éternel se comptent par vingt mille, Par milliers et par milliers; Le Seigneur est au milieu d'eux, le Sinaï est dans le sanctuaire.

18 (68:19) Tu es monté dans les hauteurs, tu as emmené des captifs, Tu as pris en don des hommes; Les rebelles habiteront aussi près de l'Éternel Dieu.

19 (68:20) Béni soit le Seigneur chaque jour! Quand on nous accable, Dieu nous délivre. -Pause.

20 (68:21) Dieu est pour nous le Dieu des délivrances, Et l'Éternel, le Seigneur, peut nous garantir de la mort.

21 (68:22) Oui, Dieu brisera la tête de ses ennemis, Le sommet de la tête de ceux qui vivent dans le péché.

22 (68:23) Le Seigneur dit: Je les ramènerai de Basan, Je les ramènerai du fond de la mer,

23 (68:24) Afin que tu plonges ton pied dans le sang, Et que la langue de tes chiens ait sa part des ennemis.

24 (68:25) Ils voient ta marche, ô Dieu! La marche de mon Dieu, de mon roi, dans le sanctuaire.

25 (68:26) En tête vont les chanteurs, puis ceux qui jouent des instruments, Au milieu de jeunes filles battant du tambourin.

26 (68:27) Bénissez Dieu dans les assemblées, Bénissez le Seigneur, descendants d'Israël! 27 (68:28) Là sont Benjamin, le plus jeune, qui domine sur eux, Les chefs de Juda et leur troupe, Les chefs de Zabulon, les chefs de Nephthali.

28 (68:29) Ton Dieu ordonne que tu sois puissant; Affermis, ô Dieu, ce que tu as fait pour nous!

29 (68:30) De ton temple tu règnes sur Jérusalem; Les rois t'apporteront des présents.

30 (68:31) Épouvante l'animal des roseaux, La troupe des taureaux avec les veaux des peuples, Qui se prosternent avec des pièces d'argent! Disperse les peuples qui prennent plaisir à combattre!

31 (68:32) Des grands viennent de l'Égypte; L'Éthiopie accourt, les mains tendues vers Dieu. 32 (68:33) Royaumes de la terre, chantez à Dieu, Célébrez le Seigneur! -Pause.

33 (68:34) Chantez à celui qui s'avance dans les cieux, les cieux éternels! Voici, il fait entendre sa voix, sa voix puissante.

34 (68:35) Rendez gloire à Dieu! Sa majesté est sur Israël, et sa force dans les cieux.

35 (68:36) De ton sanctuaire, ô Dieu! tu es redoutable. Le Dieu d'Israël donne à son peuple la force et la puissance. Béni soit Dieu!