T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 65

Au chef de musique. Psaume de David. Cantique.

1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]

2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.

3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.

4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.

5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.

6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.

7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.

8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

9 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.

10 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.

11 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.

12 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.

13 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.

 

Psalm 65
For the Chief Musician. A Psalm by David. A song.
1 Praise waits for you, God, in Zion.
To you shall vows be performed.
2 You who hear prayer,
to you all men will come.
3 Sins overwhelmed me,
but you atoned for our transgressions.
4 Blessed is one whom you choose, and cause to come near,
that he may live in your courts.
We will be filled with the goodness of your house,
your holy temple.
5 By awesome deeds of righteousness, you answer us,
God of our salvation.
You who are the hope of all the ends of the earth,
of those who are far away on the sea;
6 Who by his power forms the mountains,
having armed yourself with strength;
7 who stills the roaring of the seas,
the roaring of their waves,
and the turmoil of the nations.
8 They also who dwell in faraway places are afraid at your wonders.
You call the morning’s dawn and the evening with songs of joy.
9 You visit the earth, and water it.
You greatly enrich it.
The river of God is full of water.
You provide them grain, for so you have ordained it.
10 You drench its furrows.
You level its ridges.
You soften it with showers.
You bless it with a crop.
11 You crown the year with your bounty.
Your carts overflow with abundance.
12 The wilderness grasslands overflow.
The hills are clothed with gladness.
13 The pastures are covered with flocks.
The valleys also are clothed with grain.
They shout for joy!
They also sing.

 

Psaume 65
1 (65:1) Au chef des chantres. Psaume de David. Cantique. (65:2) Avec confiance, ô Dieu! on te louera dans Sion, Et l'on accomplira les voeux qu'on t'a faits.

2 (65:3) O toi, qui écoutes la prière! Tous les hommes viendront à toi.

3 (65:4) Les iniquités m'accablent: Tu pardonneras nos transgressions.

4 (65:5) Heureux celui que tu choisis et que tu admets en ta présence, Pour qu'il habite dans tes parvis! Nous nous rassasierons du bonheur de ta maison, De la sainteté de ton temple.

5 (65:6) Dans ta bonté, tu nous exauces par des prodiges, Dieu de notre salut, Espoir de toutes les extrémités lointaines de la terre et de la mer!

6 (65:7) Il affermit les montagnes par sa force, Il est ceint de puissance;

7 (65:8) Il apaise le mugissement des mers, le mugissement de leurs flots, Et le tumulte des peuples.

8 (65:9) Ceux qui habitent aux extrémités du monde s'effraient de tes prodiges; Tu remplis d'allégresse l'orient et l'occident.

9 (65:10) Tu visites la terre et tu lui donnes l'abondance, Tu la combles de richesses; Le ruisseau de Dieu est plein d'eau; Tu prépares le blé, quand tu la fertilises ainsi.

10 (65:11) En arrosant ses sillons, en aplanissant ses mottes, Tu la détrempes par des pluies, tu bénis son germe. 11 (65:12) Tu couronnes l'année de tes biens, Et tes pas versent l'abondance;

12 (65:13) Les plaines du désert sont abreuvées, Et les collines sont ceintes d'allégresse;

13 (65:14) Les pâturages se couvrent de brebis, Et les vallées se revêtent de froment. Les cris de joie et les chants retentissent.