T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 62

Au chef de musique. Sur Jeduthun. Psaume de David.

1 [Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.

2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;

4 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.

5 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.

6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

7 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.

9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

10 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.

11 Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.

12 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

 

Psalm 62
For the Chief Musician. To Jeduthan. A Psalm by David.
1 My soul rests in God alone.
My salvation is from him.
2 He alone is my rock and my salvation, my fortress
I will never be greatly shaken.
3 How long will you assault a man,
would all of you throw him down,
Like a leaning wall, like a tottering fence?
4 They fully intend to throw him down from his lofty place.
They delight in lies.
They bless with their mouth, but they curse inwardly.
Selah.
5 My soul, wait in silence for God alone,
for my expectation is from him.
6 He alone is my rock and my salvation, my fortress.
I will not be shaken.
7 With God is my salvation and my honor.
The rock of my strength, and my refuge, is in God.
8 Trust in him at all times, you people. Pour out your heart before him. God is a refuge for us.
Selah.
9 Surely men of low degree are just a breath,
and men of high degree are a lie.
In the balances they will go up.
They are together lighter than a breath.
10 Don’t trust in oppression. Don’t become vain in robbery. If riches increase, don’t set your heart on them.
11 God has spoken once; twice I have heard this,
that power belongs to God.
12 Also to you, Lord, belongs loving kindness,
for you reward every man according to his work.

 

Psaume 62
1 (62:1) Au chef des chantres. D'après Jeduthun. Psaume de David. (62:2) Oui, c'est en Dieu que mon âme se confie; De lui vient mon salut.

2 (62:3) Oui, c'est lui qui est mon rocher et mon salut; Ma haute retraite: je ne chancellerai guère.

3 (62:4) Jusqu'à quand vous jetterez-vous sur un homme, Chercherez-vous tous à l'abattre, Comme une muraille qui penche, Comme une clôture qu'on renverse?

4 (62:5) Ils conspirent pour le précipiter de son poste élevé; Ils prennent plaisir au mensonge; Ils bénissent de leur bouche, Et ils maudissent dans leur coeur. -Pause.

5 (62:6) Oui, mon âme, confie-toi en Dieu! Car de lui vient mon espérance.

6 (62:7) Oui, c'est lui qui est mon rocher et mon salut; Ma haute retraite: je ne chancellerai pas.

7 (62:8) Sur Dieu reposent mon salut et ma gloire; Le rocher de ma force, mon refuge, est en Dieu.

8 (62:9) En tout temps, peuples, confiez-vous en lui, Répandez vos coeurs en sa présence! Dieu est notre refuge, -Pause.

9 (62:10) Oui, vanité, les fils de l'homme! Mensonge, les fils de l'homme! Dans une balance ils monteraient Tous ensemble, plus légers qu'un souffle.

10 (62:11) Ne vous confiez pas dans la violence, Et ne mettez pas un vain espoir dans la rapine; Quand les richesses s'accroissent, N'y attachez pas votre coeur.

11 (62:12) Dieu a parlé une fois; Deux fois j'ai entendu ceci: C'est que la force est à Dieu. 12 (62:13) A toi aussi, Seigneur! la bonté; Car tu rends à chacun selon ses oeuvres.