| Psaumes 59 1 [Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko. 2 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà. 3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. 4 Tsy heloko* no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo 5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy. 6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. 7 Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre? 8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra. 9 Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. 10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho. 11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay. 12 Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony. 13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany. 14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. 15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina. 16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. 17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko. | | Psalm 59 For the Chief Musician. To the tune of “Do Not Destroy.” A poem by David, when Saul sent, and they watched the house to kill him. 1 Deliver me from my enemies, my God. Set me on high from those who rise up against me. 2 Deliver me from the workers of iniquity. Save me from the bloodthirsty men. 3 For, behold, they lie in wait for my soul. The mighty gather themselves together against me, not for my disobedience, nor for my sin, Yahweh. 4 I have done no wrong, yet they are ready to attack me. Rise up, behold, and help me! 5 You, Yahweh God of Armies, the God of Israel, rouse yourself to punish the nations. Show no mercy to the wicked traitors. Selah. 6 They return at evening, howling like dogs, and prowl around the city. 7 Behold, they spew with their mouth. Swords are in their lips, “For,” they say, “who hears us?” 8 But you, Yahweh, laugh at them. You scoff at all the nations. :9 Oh, my Strength, I watch for you, for God is my high tower. 10 My God will go before me with his loving kindness. God will let me look at my enemies in triumph. 11 Don’t kill them, or my people may forget. Scatter them by your power, and bring them down, Lord our shield. 12 For the sin of their mouth, and the words of their lips, let them be caught in their pride, for the curses and lies which they utter. 13 Consume them in wrath. Consume them, and they will be no more. Let them know that God rules in Jacob, to the ends of the earth. Selah. 14 At evening let them return. Let them howl like a dog, and go around the city. 15 They shall wander up and down for food, and wait all night if they aren’t satisfied. 16 But I will sing of your strength. Yes, I will sing aloud of your loving kindness in the morning. For you have been my high tower, a refuge in the day of my distress. 17 To you, my strength, I will sing praises. For God is my high tower, the God of my mercy.
| | Psaume 59 1 (59:1) Au chef des chantres. <> Hymne de David. Lorsque Saül envoya cerner la maison, pour le faire mourir. (59:2) Mon Dieu! délivre-moi de mes ennemis, Protège-moi contre mes adversaires! 2 (59:3) Délivre-moi des malfaiteurs, Et sauve-moi des hommes de sang! 3 (59:4) Car voici, ils sont aux aguets pour m'ôter la vie; Des hommes violents complotent contre moi, Sans que je sois coupable, sans que j'aie péché, ô Éternel! 4 (59:5) Malgré mon innocence, ils courent, ils se préparent: Réveille-toi, viens à ma rencontre, et regarde! 5 (59:6) Toi, Éternel, Dieu des armées, Dieu d'Israël, Lève-toi, pour châtier toutes les nations! N'aie pitié d'aucun de ces méchants infidèles! -Pause. 6 (59:7) Ils reviennent chaque soir, ils hurlent comme des chiens, Ils font le tour de la ville. 7 (59:8) Voici, de leur bouche ils font jaillir le mal, Des glaives sont sur leurs lèvres; Car, qui est-ce qui entend? 8 (59:9) Et toi, Éternel, tu te ris d'eux, Tu te moques de toutes les nations. 9 (59:10) Quelle que soit leur force, c'est en toi que j'espère, Car Dieu est ma haute retraite. 10 (59:11) Mon Dieu vient au-devant de moi dans sa bonté, Dieu me fait contempler avec joie ceux qui me persécutent. 11 (59:12) Ne les tue pas, de peur que mon peuple ne l'oublie; Fais-les errer par ta puissance, et précipite-les, Seigneur, notre bouclier! 12 (59:13) Leur bouche pèche à chaque parole de leurs lèvres: Qu'ils soient pris dans leur propre orgueil! Ils ne profèrent que malédictions et mensonges. 13 (59:14) Détruis-les, dans ta fureur, détruis-les, et qu'ils ne soient plus! Qu'ils sachent que Dieu règne sur Jacob, Jusqu'aux extrémités de la terre! -Pause. 14 (59:15) Ils reviennent chaque soir, ils hurlent comme des chiens, Ils font le tour de la ville. 15 (59:16) Ils errent çà et là, cherchant leur nourriture, Et ils passent la nuit sans être rassasiés. 16 (59:17) Et moi, je chanterai ta force; Dès le matin, je célébrerai ta bonté. Car tu es pour moi une haute retraite, Un refuge au jour de ma détresse. 17 (59:18) O ma force! c'est toi que je célébrerai, Car Dieu, mon Dieu tout bon, est ma haute retraite. | |