T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 58

Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam.

1 [Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]

2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.

3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.

4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,

5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.

6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.

7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;

8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.

9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.

10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;

11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany

 

Psalm 58
For the Chief Musician. To the tune of “Do Not Destroy.” A poem by David.

1 Do you indeed speak righteousness, silent ones?
Do you judge blamelessly, you sons of men?
2 No, in your heart you plot injustice. You measure out the violence of your hands in the earth.
3 The wicked go astray from the womb. They are wayward as soon as they are born, speaking lies.
4 Their poison is like the poison of a snake;
like a deaf cobra that stops its ear,
5 which doesn’t listen to the voice of charmers,
no matter how skillful the charmer may be.
6 Break their teeth, God, in their mouth.
Break out the great teeth of the young lions, Yahweh.
7 Let them vanish as water that flows away.
When they draw the bow, let their arrows be made blunt.
8 Let them be like a snail which melts and passes away, like the stillborn child, who has not seen the sun.
9 Before your pots can feel the heat of the thorns,
he will sweep away the green and the burning alike.
10 The righteous shall rejoice when he sees the vengeance.
He shall wash his feet in the blood of the wicked;
11 so that men shall say, “Most certainly there is a reward for the righteous.
Most certainly there is a God who judges the earth.”

 

Psaume 58
1 (58:1) Au chef des chantres. <> Hymne de David. (58:2) Est-ce donc en vous taisant que vous rendez la justice? Est-ce ainsi que vous jugez avec droiture, fils de l'homme?

2 (58:3) Loin de là! Dans le coeur, vous consommez des iniquités; Dans le pays, c'est la violence de vos mains que vous placez sur la balance.

3 (58:4) Les méchants sont pervertis dès le sein maternel, Les menteurs s'égarent au sortir du ventre de leur mère.

4 (58:5) Ils ont un venin pareil au venin d'un serpent, D'un aspic sourd qui ferme son oreille,

5 (58:6) Qui n'entend pas la voix des enchanteurs, Du magicien le plus habile.

6 (58:7) O Dieu, brise-leur les dents dans la bouche! Éternel, arrache les mâchoires des lionceaux!

7 (58:8) Qu'ils se dissipent comme des eaux qui s'écoulent! Qu'ils ne lancent que des traits émoussés!

8 (58:9) Qu'ils périssent en se fondant, comme un limaçon; Sans voir le soleil, comme l'avorton d'une femme!

9 (58:10) Avant que vos chaudières sentent l'épine, Verte ou enflammée, le tourbillon l'emportera.

10 (58:11) Le juste sera dans la joie, à la vue de la vengeance; Il baignera ses pieds dans le sang des méchants.

11 (58:12) Et les hommes diront: Oui, il est une récompense pour le juste; Oui, il est un Dieu qui juge sur la terre.