T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 56

Au chef de musique. Sur Jonath-Élem-Rekhokim*. De David. Mictam ; quand les Philistins le prirent dans Gath.

1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.

4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?

5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]

6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]

8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?

9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?

12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina]

 

Psalm 56

For the Chief Musician. To the tune of “Silent Dove in Distant Lands.” A poem by David, when the Philistines seized him in Gath.

1 Be merciful to me, God, for man wants to swallow me up. All day long, he attacks and oppresses me.
2 My enemies want to swallow me up all day long,
for they are many who fight proudly against me.
3 When I am afraid, I will put my trust in you.
4 In God, I praise his word. In God, I put my trust.
I will not be afraid. What can flesh do to me?
5 All day long they twist my words. All their thoughts are against me for evil.
6 They conspire and lurk, watching my steps, they are eager to take my life.
7 Shall they escape by iniquity? In anger cast down the peoples, God.
8 You number my wanderings. You put my tears into your bottle. Aren’t they in your book?
9 Then my enemies shall turn back in the day that I call. I know this, that God is for me.
10 In God, I will praise his word. In Yahweh, I will praise his word.
11 I have put my trust in God. I will not be afraid.
What can man do to me?
12 Your vows are on me, God. I will give thank offerings to you.
13 For you have delivered my soul from death,
and prevented my feet from falling, that I may walk before God in the light of the living.

 

Psaume 56
1 Au chef des chantres. Sur <>. Hymne de David. Lorsque les Philistins le saisirent à Gath. (56:2) Aie pitié de moi, ô Dieu! car des hommes me harcèlent; Tout le jour ils me font la guerre, ils me tourmentent.

2  Tout le jour mes adversaires me harcèlent; Ils sont nombreux, ils me font la guerre comme des hautains.

3  Quand je suis dans la crainte, En toi je me confie.

4  Je me glorifierai en Dieu, en sa parole; Je me confie en Dieu, je ne crains rien: Que peuvent me faire des hommes?

5  Sans cesse ils portent atteinte à mes droits, Ils n'ont à mon égard que de mauvaises pensées.

6  Ils complotent, ils épient, ils observent mes traces, Parce qu'ils en veulent à ma vie.

7  C'est par l'iniquité qu'ils espèrent échapper: Dans ta colère, ô Dieu, précipite les peuples!

8  Tu comptes les pas de ma vie errante; Recueille mes larmes dans ton outre: Ne sont-elles pas inscrites dans ton livre?

9  Mes ennemis reculent, au jour où je crie; Je sais que Dieu est pour moi.

10  Je me glorifierai en Dieu, en sa parole; Je me glorifierai en l'Éternel, en sa parole;

11  Je me confie en Dieu, je ne crains rien: Que peuvent me faire des hommes?

12 O Dieu! je dois accomplir les voeux que je t'ai faits; Je t'offrirai des actions de grâces.

13  Car tu as délivré mon âme de la mort, Tu as garanti mes pieds de la chute, Afin que je marche devant Dieu, à la lumière des vivants.