T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 52

1 [Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.

2 Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

3 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.

4 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.

5 Andriamanitra kosa hanimba* anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana]

6 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:

7 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.

8 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.

9 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.

 

Psalm 52

For the Chief Musician. A contemplation by David, when Doeg the Edomite came and told Saul, “David has come to Abimelech’s house.”


1 Why do you boast of mischief, mighty man?
God’s loving kindness endures continually.
2 Your tongue plots destruction,
like a sharp razor, working deceitfully.
3 You love evil more than good,
lying rather than speaking the truth.
Selah.
4 You love all devouring words,
you deceitful tongue.
5 God will likewise destroy you forever. He will take you up, and pluck you out of your tent, and root you out of the land of the living. Selah.
6 The righteous also will see it, and fear,
and laugh at him, saying,
7 “Behold, this is the man who didn’t make God his strength,
but trusted in the abundance of his riches, and strengthened himself in his wickedness.”
8 But as for me, I am like a green olive tree in God’s house.I trust in God’s loving kindness forever and ever.
9 I will give you thanks forever, because you have done it. I will hope in your name, for it is good,
in the presence of your saints.

 

Psaume 52
1 (52:1) Au chef des chantres. Cantique de David. (52:2) A l'occasion du rapport que Doëg, l'Édomite, vint faire à Saül, en lui disant: David s'est rendu dans la maison d'Achimélec. (52:3) Pourquoi te glorifies-tu de ta méchanceté, tyran? La bonté de Dieu subsiste toujours.

2 (52:4) Ta langue n'invente que malice, comme un rasoir affilé, fourbe que tu es!

3 (52:5) Tu aimes le mal plutôt que le bien, Le mensonge plutôt que la droiture. -Pause.

4 (52:6) Tu aimes toutes les paroles de destruction, Langue trompeuse!

5 (52:7) Aussi Dieu t'abattra pour toujours, Il te saisira et t'enlèvera de ta tente; Il te déracinera de la terre des vivants. -Pause.

6 (52:8) Les justes le verront, et auront de la crainte, Et ils feront de lui le sujet de leurs moqueries:

7 (52:9) Voilà l'homme qui ne prenait point Dieu pour protecteur, Mais qui se confiait en ses grandes richesses, Et qui triomphait dans sa malice! 8 (52:10) Et moi, je suis dans la maison de Dieu comme un olivier verdoyant, Je me confie dans la bonté de Dieu, éternellement et à jamais.

9 (52:11) Je te louerai toujours, parce que tu as agi; Et je veux espérer en ton nom, parce qu'il est favorable, En présence de tes fidèles.