T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Psaumes 45

Au chef de musique. Sur Shoshannim. Des fils de Coré. Instruction. Un cantique du bien-aimé.

1 [Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.

2 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.

3 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.

4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.

5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.

6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.

7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.

8 Miora sy hazo manitra* ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota]

9 Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.

10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;

11 Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.

12 Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.

13 Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.

14 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.

15 Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.

16 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.

17 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.

 

Psalm 45
For the Chief Musician. Set to “The Lilies.” A contemplation by the sons of Korah. A wedding song.
1 My heart overflows with a noble theme.
I recite my verses for the king.
My tongue is like the pen of a skillful writer.
2 You are the most excellent of the sons of men.
Grace has anointed your lips,
therefore God has blessed you forever.
3 Strap your sword on your thigh, mighty one:
your splendor and your majesty.
4 In your majesty ride on victoriously on behalf of truth, humility, and righteousness.
Let your right hand display awesome deeds.
5 Your arrows are sharp.
The nations fall under you, with arrows in the heart of the king’s enemies.
6 Your throne, God, is forever and ever.
A scepter of equity is the scepter of your kingdom.
7 You have loved righteousness, and hated wickedness.
Therefore God, your God, has anointed you with the oil of gladness above your fellows.
8 All your garments smell like myrrh, aloes, and cassia.
Out of ivory palaces stringed instruments have made you glad.
9 Kings’ daughters are among your honorable women.
At your right hand the queen stands in gold of Ophir.
10 Listen, daughter, consider, and turn your ear.
Forget your own people, and also your father’s house.
11 So the king will desire your beauty,
honor him, for he is your lord.
12 The daughter of Tyre comes with a gift.
The rich among the people entreat your favor.
13 The princess inside is all glorious.
Her clothing is interwoven with gold.
14 She shall be led to the king in embroidered work.
The virgins, her companions who follow her, shall be brought to you.
15 With gladness and rejoicing they shall be led.
They shall enter into the king’s palace.
16 Your sons will take the place of your fathers.
You shall make them princes in all the earth.
17 I will make your name to be remembered in all generations.
Therefore the peoples shall give you thanks forever and ever.

 

Psaume 45
1 (45:1) Au chef des chantres. Sur les lis. Des fils de Koré. Cantique. Chant d'amour. (45:2) Des paroles pleines de charme bouillonnent dans mon coeur. Je dis: Mon oeuvre est pour le roi! Que ma langue soit comme la plume d'un habile écrivain!

2 (45:3) Tu es le plus beau des fils de l'homme, La grâce est répandue sur tes lèvres: C'est pourquoi Dieu t'a béni pour toujours.

3 (45:4) Vaillant guerrier, ceins ton épée, -Ta parure et ta gloire,

4 (45:5) Oui, ta gloire! -Sois vainqueur, monte sur ton char, Défends la vérité, la douceur et la justice, Et que ta droite se signale par de merveilleux exploits!

5 (45:6) Tes flèches sont aiguës; Des peuples tomberont sous toi; Elles perceront le coeur des ennemis du roi.

6 (45:7) Ton trône, ô Dieu, est à toujours; Le sceptre de ton règne est un sceptre d'équité.

7 (45:8) Tu aimes la justice, et tu hais la méchanceté: C'est pourquoi, ô Dieu, ton Dieu t'a oint D'une huile de joie, par privilège sur tes collègues.

8 (45:9) La myrrhe, l'aloès et la casse parfument tous tes vêtements; Dans les palais d'ivoire les instruments à cordes te réjouissent.

9 (45:10) Des filles de rois sont parmi tes bien-aimées; La reine est à ta droite, parée d'or d'Ophir.

10 (45:11) Écoute, ma fille, vois, et prête l'oreille; Oublie ton peuple et la maison de ton père.

11 (45:12) Le roi porte ses désirs sur ta beauté; Puisqu'il est ton seigneur, rends-lui tes hommages.

12 (45:13) Et, avec des présents, la fille de Tyr, Les plus riches du peuple rechercheront ta faveur.

13 (45:14) Toute resplendissante est la fille du roi dans l'intérieur du palais; Elle porte un vêtement tissu d'or.

14 (45:15) Elle est présentée au roi, vêtue de ses habits brodés, Et suivie des jeunes filles, ses compagnes, qui sont amenées auprès de toi;

15 (45:16) On les introduit au milieu des réjouissances et de l'allégresse, Elles entrent dans le palais du roi.

16 (45:17) Tes enfants prendront la place de tes pères; Tu les établiras princes dans tout le pays.

17 (45:18) Je rappellerai ton nom dans tous les âges: Aussi les peuples te loueront éternellement et à jamais.