T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 41

Au chef de musique. Psaume de David,

1 [Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.

2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.

3 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.

4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.

5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?

6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.

7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.

8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.

9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.

10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.

11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.

12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.

13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.

 

Psalm 41
For the Chief Musician. A Psalm by David.


1 Blessed is he who considers the poor.
Yahweh will deliver him in the day of evil.
2 Yahweh will preserve him, and keep him alive.
He shall be blessed on the earth,
and he will not surrender him to the will of his enemies.
3 Yahweh will sustain him on his sickbed,
and restore him from his bed of illness.
4 I said, “Yahweh, have mercy on me!
Heal me, for I have sinned against you.”
5 My enemies speak evil against me:
“When will he die, and his name perish?”
6 If he comes to see me, he speaks falsehood.
His heart gathers iniquity to itself.
When he goes abroad, he tells it.
7 All who hate me whisper together against me.
They imagine the worst for me.
8 “An evil disease,” they say, “has afflicted him.
Now that he lies he shall rise up no more.”
9 Yes, my own familiar friend, in whom I trusted,
who ate bread with me,
has lifted up his heel against me.
10 But you, Yahweh, have mercy on me, and raise me up,
that I may repay them.
11 By this I know that you delight in me,
because my enemy doesn’t triumph over me.
12 As for me, you uphold me in my integrity,
and set me in your presence forever.
13 Blessed be Yahweh, the God of Israel,
from everlasting and to everlasting!
Amen and amen.

 

Chapitre 41
1 (41:1) Au chef des chantres. Psaume de David. (41:2) Heureux celui qui s'intéresse au pauvre! Au jour du malheur l'Éternel le délivre;

2 (41:3) L'Éternel le garde et lui conserve la vie. Il est heureux sur la terre, Et tu ne le livres pas au bon plaisir de ses ennemis.

3 (41:4) L'Éternel le soutient sur son lit de douleur; Tu le soulages dans toutes ses maladies.

4 (41:5) Je dis: Éternel, aie pitié de moi! Guéris mon âme! car j'ai péché contre toi.

5 (41:6) Mes ennemis disent méchamment de moi: Quand mourra-t-il? quand périra son nom?

6 (41:7) Si quelqu'un vient me voir, il prend un langage faux, Il recueille des sujets de médire; Il s'en va, et il parle au dehors. 7 (41:8) Tous mes ennemis chuchotent entre eux contre moi; Ils pensent que mon malheur causera ma ruine:

8 (41:9) Il est dangereusement atteint, Le voilà couché, il ne se relèvera pas!

9 (41:10) Celui-là même avec qui j'étais en paix, Qui avait ma confiance et qui mangeait mon pain, Lève le talon contre moi. 10 (41:11) Toi, Éternel, aie pitié de moi et rétablis-moi! Et je leur rendrai ce qui leur est dû. 11 (41:12) Je connaîtrai que tu m'aimes, Si mon ennemi ne triomphe pas de moi.

12 (41:13) Tu m'as soutenu à cause de mon intégrité, Et tu m'as placé pour toujours en ta présence.

13 (41:14) Béni soit l'Éternel, le Dieu d'Israël, d'éternité en éternité! Amen! Amen!