T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 39

Au chef de musique, à Jeduthun. Psaume de David.

1 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.

2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan'ny tsara fanahy aza]

3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.

4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.

5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]

6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.

7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.

8 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.

9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.

10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.

11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.

12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.

13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto

intsony.

 

Psalm 39
For the Chief Musician. For Jeduthun. A Psalm by David.
1 I said, “I will watch my ways, so that I don’t sin with my tongue.
I will keep my mouth with a bridle while the wicked is before me.”
2 I was mute with silence.
I held my peace, even from good.
My sorrow was stirred.
3 My heart was hot within me.
While I meditated, the fire burned:
I spoke with my tongue:
4 “Yahweh, show me my end,
what is the measure of my days.
Let me know how frail I am.
5 Behold, you have made my days handbreadths.
My lifetime is as nothing before you. Surely every man stands as a breath.”
Selah.
6 “Surely every man walks like a shadow.
Surely they busy themselves in vain.
He heaps up, and doesn’t know who shall gather.
7 Now, Lord, what do I wait for? My hope is in you.
8 Deliver me from all my transgressions.
Don’t make me the reproach of the foolish.
9 I was mute. I didn’t open my mouth, because you did it.
10 Remove your scourge away from me.
I am overcome by the blow of your hand.
11 When you rebuke and correct man for iniquity,
You consume his wealth like a moth.
Surely every man is but a breath.”
Selah.
12 “Hear my prayer, Yahweh, and give ear to my cry. Don’t be silent at my tears.
For I am a stranger with you,
a foreigner, as all my fathers were.
13 Oh spare me, that I may recover strength,
before I go away, and exist no more.”

 

Chapitre 39
1 (39:1) Au chef des chantres. A Jeduthun, Psaume de David. (39:2) Je disais: Je veillerai sur mes voies, De peur de pécher par ma langue; Je mettrai un frein à ma bouche, Tant que le méchant sera devant moi.

2 (39:3) Je suis resté muet, dans le silence; Je me suis tu, quoique malheureux; Et ma douleur n'était pas moins vive.

3 (39:4) Mon coeur brûlait au dedans de moi, Un feu intérieur me consumait, Et la parole est venue sur ma langue.

4 (39:5) Éternel! dis-moi quel est le terme de ma vie, Quelle est la mesure de mes jours; Que je sache combien je suis fragile.

5 (39:6) Voici, tu as donné à mes jours la largeur de la main, Et ma vie est comme un rien devant toi. Oui, tout homme debout n'est qu'un souffle. -Pause.

6 (39:7) Oui, l'homme se promène comme une ombre, Il s'agite vainement; Il amasse, et il ne sait qui recueillera. 7 (39:8) Maintenant, Seigneur, que puis-je espérer? En toi est mon espérance.

8 (39:9) Délivre-moi de toutes mes transgressions! Ne me rends pas l'opprobre de l'insensé!

9 (39:10) Je reste muet, je n'ouvre pas la bouche, Car c'est toi qui agis.

10 (39:11) Détourne de moi tes coups! Je succombe sous les attaques de ta main.

11 (39:12) Tu châties l'homme en le punissant de son iniquité, Tu détruis comme la teigne ce qu'il a de plus cher. Oui, tout homme est un souffle. -Pause. 12 (39:13) Écoute ma prière, Éternel, et prête l'oreille à mes cris! Ne sois pas insensible à mes larmes! Car je suis un étranger chez toi, Un habitant, comme tous mes pères.

13 (39:14) Détourne de moi le regard, et laisse-moi respirer, Avant que je m'en aille et que ne sois plus!