T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 38

Psaume de David, pour faire souvenir.

1 [Fivavak'izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,

3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.

4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.

5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.

6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.

7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.

8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.

9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.

11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.

13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]

19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.

21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.

22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

 

Psalm 38
A Psalm by David, for a memorial.


1 Yahweh, don’t rebuke me in your wrath,
neither chasten me in your hot displeasure.
2 For your arrows have pierced me,
your hand presses hard on me.
3 There is no soundness in my flesh because of your indignation,
neither is there any health in my bones because of my sin.
4 For my iniquities have gone over my head.
As a heavy burden, they are too heavy for me.
5 My wounds are loathsome and corrupt,
because of my foolishness.
6 I am pained and bowed down greatly.
I go mourning all day long.
7 For my waist is filled with burning.
There is no soundness in my flesh.
8 I am faint and severely bruised.
I have groaned by reason of the anguish of my heart.
9 Lord, all my desire is before you.
My groaning is not hidden from you.
10 My heart throbs.
My strength fails me.
As for the light of my eyes, it has also left me.
11 My lovers and my friends stand aloof from my plague.
My kinsmen stand far away.
12 They also who seek after my life lay snares.
Those who seek my hurt speak mischievous things
and meditate deceits all day long.
13 But I, as a deaf man, don’t hear.
I am as a mute man who doesn’t open his mouth.
14 Yes, I am as a man who doesn’t hear,
in whose mouth are no reproofs.
15 For in you, Yahweh, do I hope.
You will answer, Lord my God.
16 For I said, “Don’t let them gloat over me,
or exalt themselves over me when my foot slips.”
17 For I am ready to fall.
My pain is continually before me.
18 For I will declare my iniquity.
I will be sorry for my sin.
19 But my enemies are vigorous and many.
Those who hate me without reason are numerous.
20 They who also render evil for good are adversaries to me,
because I follow what is good.
21 Don’t forsake me, Yahweh.
My God, don’t be far from me.
22 Hurry to help me,
Lord, my salvation.

 

Chapitre 38
1 (38:1) Psaume de David. Pour souvenir. (38:2) Éternel! ne me punis pas dans ta colère, Et ne me châtie pas dans ta fureur.

2 (38:3) Car tes flèches m'ont atteint, Et ta main s'est appesantie sur moi.

3 (38:4) Il n'y a rien de sain dans ma chair à cause de ta colère, Il n'y a plus de vigueur dans mes os à cause de mon péché.

4 (38:5) Car mes iniquités s'élèvent au-dessus de ma tête; Comme un lourd fardeau, elles sont trop pesantes pour moi.

5 (38:6) Mes plaies sont infectes et purulentes, Par l'effet de ma folie.

6 (38:7) Je suis courbé, abattu au dernier point; Tout le jour je marche dans la tristesse.

7 (38:8) Car un mal brûlant dévore mes entrailles, Et il n'y a rien de sain dans ma chair.

8 (38:9) Je suis sans force, entièrement brisé; Le trouble de mon coeur m'arrache des gémissements.

9 (38:10) Seigneur! tous mes désirs sont devant toi, Et mes soupirs ne te sont point cachés.

10 (38:11) Mon coeur est agité, ma force m'abandonne, Et la lumière de mes yeux n'est plus même avec moi.

11 (38:12) Mes amis et mes connaissances s'éloignent de ma plaie, Et mes proches se tiennent à l'écart.

12 (38:13) Ceux qui en veulent à ma vie tendent leurs pièges; Ceux qui cherchent mon malheur disent des méchancetés, Et méditent tout le jour des tromperies.

13 (38:14) Et moi, je suis comme un sourd, je n'entends pas; Je suis comme un muet, qui n'ouvre pas la bouche.

14 (38:15) Je suis comme un homme qui n'entend pas, Et dans la bouche duquel il n'y a point de réplique.

15 (38:16) Éternel! c'est en toi que j'espère; Tu répondras, Seigneur, mon Dieu!

16 (38:17) Car je dis: Ne permets pas qu'ils se réjouissent à mon sujet, Qu'ils s'élèvent contre moi, si mon pied chancelle!

17 (38:18) Car je suis près de tomber, Et ma douleur est toujours devant moi.

18 (38:19) Car je reconnais mon iniquité, Je suis dans la crainte à cause de mon péché. 19 (38:20) Et mes ennemis sont pleins de vie, pleins de force; Ceux qui me haïssent sans cause sont nombreux.

20 (38:21) Ils me rendent le mal pour le bien; Ils sont mes adversaires, parce que je recherche le bien.

21 (38:22) Ne m'abandonne pas, Éternel! Mon Dieu, ne t'éloigne pas de moi!

22 (38:23) Viens en hâte à mon secours, Seigneur, mon salut!