T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 37  Davida.

1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;

2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.

3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.

5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.

6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.

7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.

8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.

9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.

10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.

11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.

12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.

13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.

14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.

15 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.

16 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.

17 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.

18 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.

19 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.

20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.

21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]

22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.

23 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.

24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.

25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.

26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.

27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.

28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,

29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay

30 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.

31 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.

32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.

33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.

34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.

35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;

36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.

37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]

38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.

39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.

40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.

 

Psalm 37  By David.
1 Don’t fret because of evildoers,
neither be envious against those who work unrighteousness.
2 For they shall soon be cut down like the grass,
and wither like the green herb.
3 Trust in Yahweh, and do good.
Dwell in the land, and enjoy safe pasture.
4 Also delight yourself in Yahweh,
and he will give you the desires of your heart.
5 Commit your way to Yahweh.
Trust also in him, and he will do this:
6 he will make your righteousness go forth as the light, and your justice as the noon day sun.
7 Rest in Yahweh, and wait patiently for him.
Don’t fret because of him who prospers in his way, because of the man who makes wicked plots happen.

8 Cease from anger, and forsake wrath.
Don’t fret, it leads only to evildoing.

9 For evildoers shall be cut off,
but those who wait for Yahweh shall inherit the land.
10 For yet a little while, and the wicked will be no more.
Yes, though you look for his place, he isn’t there.
11 But the humble shall inherit the land,
and shall delight themselves in the abundance of peace.
12 The wicked plots against the just,
and gnashes at him with his teeth.
13 The Lord will laugh at him,
for he sees that his day is coming.
14 The wicked have drawn out the sword, and have bent their bow,
to cast down the poor and needy,
to kill those who are upright in the way.
15 Their sword shall enter into their own heart.
Their bows shall be broken.
16 Better is a little that the righteous has,
than the abundance of many wicked.
17 For the arms of the wicked shall be broken,
but Yahweh upholds the righteous.
18 Yahweh knows the days of the perfect.
Their inheritance shall be forever.
19 They shall not be disappointed in the time of evil.
In the days of famine they shall be satisfied.
20 But the wicked shall perish.
The enemies of Yahweh shall be like the beauty of the fields.
They will vanish—
vanish like smoke.
21 The wicked borrow, and don’t pay back,
but the righteous give generously.
22 For such as are blessed by him shall inherit the land.
Those who are cursed by him shall be cut off.
23 A man’s goings are established by Yahweh.
He delights in his way.
24 Though he stumble, he shall not fall,
for Yahweh holds him up with his hand.
25 I have been young, and now am old,
yet I have not seen the righteous forsaken,
nor his children begging for bread.
26 All day long he deals graciously, and lends.
His seed is blessed.
27 Depart from evil, and do good.
Live securely forever.
28 For Yahweh loves justice,
and doesn’t forsake his saints.
They are preserved forever,
but the children of the wicked shall be cut off.
29 The righteous shall inherit the land,
and live in it forever.
30 The mouth of the righteous talks of wisdom.
His tongue speaks justice.
31 The law of his God is in his heart.
None of his steps shall slide.
32 The wicked watches the righteous,
and seeks to kill him.
33 Yahweh will not leave him in his hand,
nor condemn him when he is judged.
34 Wait for Yahweh, and keep his way,
and he will exalt you to inherit the land.
When the wicked are cut off, you shall see it.
35 I have seen the wicked in great power,
spreading himself like a green tree in its native soil.
36 But he passed away, and behold, he was not.
Yes, I sought him, but he could not be found.
37 Mark the perfect man, and see the upright,
for there is a future for the man of peace.
38 As for transgressors, they shall be destroyed together.
The future of the wicked shall be cut off.
39 But the salvation of the righteous is from Yahweh.
He is their stronghold in the time of trouble.
40 Yahweh helps them, and rescues them.
He rescues them from the wicked, and saves them,
Because they have taken refuge in him.

 

Chapitre 37  De David.

1. Ne t'irrite pas contre les méchants, N'envie pas ceux qui font le mal.

2 Car ils sont fauchés aussi vite que l'herbe, Et ils se flétrissent comme le gazon vert.

3 Confie-toi en l'Éternel, et pratique le bien; Aie le pays pour demeure et la fidélité pour pâture.

4 Fais de l'Éternel tes délices, Et il te donnera ce que ton coeur désire.

5 Recommande ton sort à l'Éternel, Mets en lui ta confiance, et il agira.

6 Il fera paraître ta justice comme la lumière, Et ton droit comme le soleil à son midi.

7 Garde le silence devant l'Éternel, et espère en lui; Ne t'irrite pas contre celui qui réussit dans ses voies, Contre l'homme qui vient à bout de ses mauvais desseins.

8 Laisse la colère, abandonne la fureur; Ne t'irrite pas, ce serait mal faire.

9 Car les méchants seront retranchés, Et ceux qui espèrent en l'Éternel posséderont le pays.

10 Encore un peu de temps, et le méchant n'est plus; Tu regardes le lieu où il était, et il a disparu.

11 Les misérables possèdent le pays, Et ils jouissent abondamment de la paix.

12 Le méchant forme des projets contre le juste, Et il grince des dents contre lui.

13 Le Seigneur se rit du méchant, Car il voit que son jour arrive.

14 Les méchants tirent le glaive, Ils bandent leur arc, Pour faire tomber le malheureux et l'indigent, Pour égorger ceux dont la voie est droite.

15 Leur glaive entre dans leur propre coeur, Et leurs arcs se brisent.

16 Mieux vaut le peu du juste Que l'abondance de beaucoup de méchants;

17 Car les bras des méchants seront brisés, Mais l'Éternel soutient les justes.

18 L'Éternel connaît les jours des hommes intègres, Et leur héritage dure à jamais.

19 Ils ne sont pas confondus au temps du malheur, Et ils sont rassasiés aux jours de la famine.

20 Mais les méchants périssent, Et les ennemis de l'Éternel, comme les plus beaux pâturages; Ils s'évanouissent, ils s'évanouissent en fumée.

21 Le méchant emprunte, et il ne rend pas; Le juste est compatissant, et il donne.

22 Car ceux que bénit l'Éternel possèdent le pays, Et ceux qu'il maudit sont retranchés.

23 L'Éternel affermit les pas de l'homme, Et il prend plaisir à sa voie;

24 S'il tombe, il n'est pas terrassé, Car l'Éternel lui prend la main.

25 J'ai été jeune, j'ai vieilli; Et je n'ai point vu le juste abandonné, Ni sa postérité mendiant son pain.

26 Toujours il est compatissant, et il prête; Et sa postérité est bénie.

27 Détourne-toi du mal, fais le bien, Et possède à jamais ta demeure.

28 Car l'Éternel aime la justice, Et il n'abandonne pas ses fidèles; Ils sont toujours sous sa garde, Mais la postérité des méchants est retranchée.

29 Les justes posséderont le pays, Et ils y demeureront à jamais.

30 La bouche du juste annonce la sagesse, Et sa langue proclame la justice.

31 La loi de son Dieu est dans son coeur; Ses pas ne chancellent point.

32 Le méchant épie le juste, Et il cherche à le faire mourir.

33 L'Éternel ne le laisse pas entre ses mains, Et il ne le condamne pas quand il est en jugement.

34 Espère en l'Éternel, garde sa voie, Et il t'élèvera pour que tu possèdes le pays; Tu verras les méchants retranchés.

35 J'ai vu le méchant dans toute sa puissance; Il s'étendait comme un arbre verdoyant.

36 Il a passé, et voici, il n'est plus; Je le cherche, et il ne se trouve plus.

37 Observe celui qui est intègre, et regarde celui qui est droit; Car il y a une postérité pour l'homme de paix.

38 Mais les rebelles sont tous anéantis, La postérité des méchants est retranchée.

39 Le salut des justes vient de l'Éternel; Il est leur protecteur au temps de la détresse.

40 L'Éternel les secourt et les délivre; Il les délivre des méchants et les sauve, Parce qu'ils cherchent en lui leur refuge.