T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 34

De David, quand il dissimula sa raison devant Abimélec, qui le chassa, et il s’en alla.

1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.

3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.

5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.

6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.

7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.

9 Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.

12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,

13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.

14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.

15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.

17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.

18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.

22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

 

Psalm 34
By David; when he pretended to be insane before Abimelech, who drove him away, and he departed.*

1 I will bless Yahweh at all times.
His praise will always be in my mouth.
2 My soul shall boast in Yahweh.
The humble shall hear of it, and be glad.
3 Oh magnify Yahweh with me.
Let us exalt his name together.
4 I sought Yahweh, and he answered me,
and delivered me from all my fears.
5 They looked to him, and were radiant.
Their faces shall never be covered with shame.
6 This poor man cried, and Yahweh heard him,
and saved him out of all his troubles.
7 The angel of Yahweh encamps around those who fear him,
and delivers them.
8 Oh taste and see that Yahweh is good.
Blessed is the man who takes refuge in him.
9 Oh fear Yahweh, you his saints,
for there is no lack with those who fear him.
10 The young lions do lack, and suffer hunger,
but those who seek Yahweh shall not lack any good thing.
11 Come, you children, listen to me.
I will teach you the fear of Yahweh.
12 Who is someone who desires life,
and loves many days, that he may see good?
13 Keep your tongue from evil,
and your lips from speaking lies.
14 Depart from evil, and do good.
seek peace, and pursue it.
15 Yahweh’s eyes are toward the righteous.
His ears listen to their cry.
16 Yahweh’s face is against those who do evil,
to cut off their memory from the earth.
17 The righteous cry, and Yahweh hears,
and delivers them out of all their troubles.
18 Yahweh is near to those who have a broken heart,
and saves those who have a crushed spirit.
19 Many are the afflictions of the righteous,
but Yahweh delivers him out of them all.
20 He protects all of his bones.
Not one of them is broken.
21 Evil shall kill the wicked.
Those who hate the righteous shall be condemned.
22 Yahweh redeems the soul of his servants.
None of those who take refuge in him shall be

condemned.

 

Chapitre 34
1 (34:1) De David. Lorsqu'il contrefit l'insensé en présence d'Abimélec, et qu'il s'en alla chassé par lui. (34:2) Je bénirai l'Éternel en tout temps; Sa louange sera toujours dans ma bouche.

2 (34:3) Que mon âme se glorifie en l'Éternel! Que les malheureux écoutent et se réjouissent!

3 (34:4) Exaltez avec moi l'Éternel! Célébrons tous son nom!

4 (34:5) J'ai cherché l'Éternel, et il m'a répondu; Il m'a délivré de toutes mes frayeurs.

5 (34:6) Quand on tourne vers lui les regards, on est rayonnant de joie, Et le visage ne se couvre pas de honte.

6 (34:7) Quand un malheureux crie, l'Éternel entend, Et il le sauve de toutes ses détresses. 7 (34:8) L'ange de l'Éternel campe autour de ceux qui le craignent, Et il les arrache au danger.

8 (34:9) Sentez et voyez combien l'Éternel est bon! Heureux l'homme qui cherche en lui son refuge!

9 (34:10) Craignez l'Éternel, vous ses saints! Car rien ne manque à ceux qui le craignent.

10 (34:11) Les lionceaux éprouvent la disette et la faim, Mais ceux qui cherchent l'Éternel ne sont privés d'aucun bien.

11 (34:12) Venez, mes fils, écoutez-moi! Je vous enseignerai la crainte de l'Éternel.

12 (34:13) Quel est l'homme qui aime la vie, Qui désire la prolonger pour jouir du bonheur?

13 (34:14) Préserve ta langue du mal, Et tes lèvres des paroles trompeuses;

14 (34:15) Éloigne-toi du mal, et fais le bien; Recherche et poursuis la paix.

15 (34:16) Les yeux de l'Éternel sont sur les justes, Et ses oreilles sont attentives à leurs cris.

16 (34:17) L'Éternel tourne sa face contre les méchants, Pour retrancher de la terre leur souvenir.

17 (34:18) Quand les justes crient, l'Éternel entend, Et il les délivre de toutes leurs détresses;

18 (34:19) L'Éternel est près de ceux qui ont le coeur brisé, Et il sauve ceux qui ont l'esprit dans l'abattement.

19 (34:20) Le malheur atteint souvent le juste, Mais l'Éternel l'en délivre toujours.

20 (34:21) Il garde tous ses os, Aucun d'eux n'est brisé.

21 (34:22) Le malheur tue le méchant, Et les ennemis du juste sont châtiés.

22 (34:23) L'Éternel délivre l'âme de ses serviteurs, Et tous ceux qui l'ont pour refuge échappent au châtiment.