T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 33

1 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.

2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.

3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.

4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.

5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.

6 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.

8 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.

9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.

10 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.

11 Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.

12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.

13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak' olombelona rehetra Izy;

14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,

15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.

16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.

17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.

18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,

19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.

20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.

21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.

22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.

 

Psalm 33

33:1 Rejoice in Yahweh, you righteous!
Praise is fitting for the upright.
2 Give thanks to Yahweh with the lyre.
Sing praises to him with the harp of ten strings.
3 Sing to him a new song.
Play skillfully with a shout of joy!
4 For the word of Yahweh is right.
All his work is done in faithfulness.
5 He loves righteousness and justice.
The earth is full of the loving kindness of Yahweh.
6 By Yahweh’s word, the heavens were made;
all their army by the breath of his mouth.
7 He gathers the waters of the sea together as a heap.
He lays up the deeps in storehouses.
8 Let all the earth fear Yahweh.
Let all the inhabitants of the world stand in awe of him.
9 For he spoke, and it was done.
He commanded, and it stood firm.
10 Yahweh brings the counsel of the nations to nothing.
He makes the thoughts of the peoples to be of no effect.
11 The counsel of Yahweh stands fast forever,
the thoughts of his heart to all generations.
12 Blessed is the nation whose God is Yahweh,
the people whom he has chosen for his own inheritance.

13 Yahweh looks from heaven.
He sees all the sons of men.
14 From the place of his habitation he looks out on all the inhabitants of the earth,
15 he who fashions all of their hearts;
and he considers all of their works.
16 There is no king saved by the multitude of an army.
A mighty man is not delivered by great strength.
17 A horse is a vain thing for safety,
neither does he deliver any by his great power.
18 Behold, Yahweh’s eye is on those who fear him,
on those who hope in his loving kindness;
19 to deliver their soul from death,
to keep them alive in famine.
20 Our soul has waited for Yahweh.
He is our help and our shield.
21 For our heart rejoices in him,
because we have trusted in his holy name.
22 Let your loving kindness be on us, Yahweh,
since we have hoped in you.

 

Chapitre 33

1 Justes, réjouissez-vous en l'Éternel! La louange sied aux hommes droits.

2 Célébrez l'Éternel avec la harpe, Célébrez-le sur le luth à dix cordes. 3 Chantez-lui un cantique nouveau! Faites retentir vos instruments et vos voix!

4 Car la parole de l'Éternel est droite, Et toutes ses oeuvres s'accomplissent avec fidélité; 5 Il aime la justice et la droiture; La bonté de l'Éternel remplit la terre.

6 Les cieux ont été faits par la parole de l'Éternel, Et toute leur armée par le souffle de sa bouche. 7 Il amoncelle en un tas les eaux de la mer, Il met dans des réservoirs les abîmes. 8 Que toute la terre craigne l'Éternel! Que tous les habitants du monde tremblent devant lui!

9 Car il dit, et la chose arrive; Il ordonne, et elle existe.

10 L'Éternel renverse les desseins des nations, Il anéantit les projets des peuples;

11 Les desseins de l'Éternel subsistent à toujours, Et les projets de son coeur, de génération en génération.

12 Heureuse la nation dont l'Éternel est le Dieu! Heureux le peuple qu'il choisit pour son héritage!

13 L'Éternel regarde du haut des cieux, Il voit tous les fils de l'homme;

14 Du lieu de sa demeure il observe Tous les habitants de la terre,

15 Lui qui forme leur coeur à tous, Qui est attentif à toutes leurs actions.

16 Ce n'est pas une grande armée qui sauve le roi, Ce n'est pas une grande force qui délivre le héros;

17 Le cheval est impuissant pour assurer le salut, Et toute sa vigueur ne donne pas la délivrance.

18 Voici, l'oeil de l'Éternel est sur ceux qui le craignent, Sur ceux qui espèrent en sa bonté, 19 Afin d'arracher leur âme à la mort Et de les faire vivre au milieu de la famine.

20 Notre âme espère en l'Éternel; Il est notre secours et notre bouclier.

21 Car notre coeur met en lui sa joie, Car nous avons confiance en son saint nom.

22 Éternel! que ta grâce soit sur nous, Comme nous espérons en toi!