T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 31

Au chef de musique. Psaume de David.

1 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.

2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.

3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.

4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.

5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.

6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]

7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,

8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.

9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.

10 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.

11 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.

12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.

13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.

14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.

15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.

16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]

18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.

19 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!

20 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.

21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.

22 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.

23 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.

24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

 

Psalm 31
For the Chief Musician. A Psalm by David.

1 In you, Yahweh, I take refuge.
Let me never be disappointed.
Deliver me in your righteousness.
2 Bow down your ear to me.
Deliver me speedily.
Be to me a strong rock,
a house of defense to save me.
3 For you are my rock and my fortress,
therefore for your name’s sake lead me and guide me.
4 Pluck me out of the net that they have laid secretly for me,
for you are my stronghold.
5 Into your hand I commend my spirit.
You redeem me, Yahweh, God of truth.
6 I hate those who regard lying vanities,
but I trust in Yahweh.
7 I will be glad and rejoice in your loving kindness,
for you have seen my affliction.
You have known my soul in adversities.
8 You have not shut me up into the hand of the enemy.
You have set my feet in a large place.
9 Have mercy on me, Yahweh, for I am in distress.
My eye, my soul, and my body waste away with grief.
10 For my life is spent with sorrow,
my years with sighing.
My strength fails because of my iniquity.
My bones are wasted away.
11 Because of all my adversaries I have become utterly contemptible to my neighbors,
A fear to my acquaintances.
Those who saw me on the street fled from me.
12 I am forgotten from their hearts like a dead man.
I am like broken pottery.
13 For I have heard the slander of many, terror on every side,
while they conspire together against me,
they plot to take away my life.
14 But I trust in you, Yahweh.
I said, “You are my God.”
31:15 My times are in your hand.
Deliver me from the hand of my enemies, and from those who persecute me.
16 Make your face to shine on your servant.
Save me in your loving kindness.
17 Let me not be disappointed, Yahweh, for I have called on you.
Let the wicked be disappointed.
Let them be silent in Sheol.
18 Let the lying lips be mute,
which speak against the righteous insolently, with pride and contempt.
19 Oh how great is your goodness,
which you have laid up for those who fear you,
which you have worked for those who take refuge in you,
before the sons of men!
20 In the shelter of your presence you will hide them from the plotting of man.
You will keep them secretly in a dwelling away from the strife of tongues.
21 Praise be to Yahweh,
for he has shown me his marvelous loving kindness in a strong city.
22 As for me, I said in my haste, “I am cut off from before your eyes.”
Nevertheless you heard the voice of my petitions when I cried to you.
23 Oh love Yahweh, all you his saints!
Yahweh preserves the faithful,
and fully recompenses him who behaves arrogantly.
24 Be strong, and let your heart take courage,
all you who hope in Yahweh.

 

Chapitre 31
1 (31:1) Au chef des chantres. Psaume de David. (31:2) Éternel! je cherche en toi mon refuge: Que jamais je ne sois confondu! Délivre-moi dans ta justice!

2 (31:3) Incline vers moi ton oreille, hâte-toi de me secourir! Sois pour moi un rocher protecteur, une forteresse, Où je trouve mon salut!

3 (31:4) Car tu es mon rocher, ma forteresse; Et à cause de ton nom tu me conduiras, tu me dirigeras.

4 (31:5) Tu me feras sortir du filet qu'ils m'ont tendu; Car tu es mon protecteur.

5 (31:6) Je remets mon esprit entre tes mains; Tu me délivreras, Éternel, Dieu de vérité!

6 (31:7) Je hais ceux qui s'attachent à de vaines idoles, Et je me confie en l'Éternel.

7 (31:8) Je serai par ta grâce dans l'allégresse et dans la joie; Car tu vois ma misère, tu sais les angoisses de mon âme,

8 (31:9) Et tu ne me livreras pas aux mains de l'ennemi, Tu mettras mes pieds au large.

9 (31:10) Aie pitié de moi, Éternel! car je suis dans la détresse; J'ai le visage, l'âme et le corps usés par le chagrin.

10 (31:11) Ma vie se consume dans la douleur, Et mes années dans les soupirs; Ma force est épuisée à cause de mon iniquité, Et mes os dépérissent.

11 (31:12) Tous mes adversaires m'ont rendu un objet d'opprobre, De grand opprobre pour mes voisins, et de terreur pour mes amis; Ceux qui me voient dehors s'enfuient loin de moi.

12 (31:13) Je suis oublié des coeurs comme un mort, Je suis comme un vase brisé.

13 (31:14) J'apprends les mauvais propos de plusieurs, L'épouvante qui règne à l'entour, Quand ils se concertent ensemble contre moi: Ils complotent de m'ôter la vie.

14 (31:15) Mais en toi je me confie, ô Éternel! Je dis: Tu es mon Dieu!

15 (31:16) Mes destinées sont dans ta main; Délivre-moi de mes ennemis et de mes persécuteurs!

16 (31:17) Fais luire ta face sur ton serviteur, Sauve-moi par ta grâce!

17 (31:18) Éternel, que je ne sois pas confondu quand je t'invoque. Que les méchants soient confondus, Qu'ils descendent en silence au séjour des morts!

18 (31:19) Qu'elles deviennent muettes, les lèvres menteuses, Qui parlent avec audace contre le juste, Avec arrogance et dédain!

19 (31:20) Oh! combien est grande ta bonté, Que tu tiens en réserve pour ceux qui te craignent, Que tu témoignes à ceux qui cherchent en toi leur refuge, A la vue des fils de l'homme!

20 (31:21) Tu les protèges sous l'abri de ta face contre ceux qui les persécutent, Tu les protèges dans ta tente contre les langues qui les attaquent. 21 (31:22) Béni soit l'Éternel! Car il a signalé sa grâce envers moi, Comme si j'avais été dans une ville forte.

22 (31:23) Je disais dans ma précipitation: Je suis chassé loin de ton regard! Mais tu as entendu la voix de mes supplications, Quand j'ai crié vers toi.

23 (31:24) Aimez l'Éternel, vous qui avez de la piété! L'Éternel garde les fidèles, Et il punit sévèrement les orgueilleux.

24 (31:25) Fortifiez-vous et que votre coeur s'affermisse, Vous tous qui espérez en l'Éternel!