T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 30

Psaume. Cantique de dédicace de la maison. De David.

1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]

4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]

5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]

7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]

 

Psalm 30
A Psalm. A Song for the Dedication of the Temple. By David.


1 I will extol you, Yahweh, for you have raised me up,
and have not made my foes to rejoice over me.
2 Yahweh my God, I cried to you,
and you have healed me.
3 Yahweh, you have brought up my soul from Sheol.
You have kept me alive, that I should not go down to the pit.
4 Sing praise to Yahweh, you saints of his.
Give thanks to his holy name.
5 For his anger is but for a moment.
His favor is for a lifetime.
Weeping may stay for the night,
but joy comes in the morning.
6 As for me, I said in my prosperity,
“I shall never be moved.”
7 You, Yahweh, when you favored me, made my mountain stand strong;
but when you hid your face, I was troubled.
8 I cried to you, Yahweh.
To Yahweh I made supplication:
9 “What profit is there in my destruction, if I go down to the pit?
Shall the dust praise you?
Shall it declare your truth?
10 Hear, Yahweh, and have mercy on me.
Yahweh, be my helper.”
11 You have turned my mourning into dancing for me.
You have removed my sackcloth, and clothed me with gladness,
12 To the end that my heart may sing praise to you, and not be silent.
Yahweh my God, I will give thanks to you forever!

 

Chapitre  30
1 (30:1) Psaume. Cantique pour la dédicace de la maison. De David. (30:2) Je t'exalte, ô Éternel, car tu m'as relevé, Tu n'as pas voulu que mes ennemis se réjouissent à mon sujet.

2 (30:3) Éternel, mon Dieu! J'ai crié à toi, et tu m'as guéri.

3 (30:4) Éternel! tu as fait remonter mon âme du séjour des morts, Tu m'as fait revivre loin de ceux qui descendent dans la fosse.

4 (30:5) Chantez à l'Éternel, vous qui l'aimez, Célébrez par vos louanges sa sainteté!

5 (30:6) Car sa colère dure un instant, Mais sa grâce toute la vie; Le soir arrivent les pleurs, Et le matin l'allégresse.

6 (30:7) Je disais dans ma sécurité: Je ne chancellerai jamais!

7 (30:8) Éternel! par ta grâce tu avais affermi ma montagne... Tu cachas ta face, et je fus troublé.

8 (30:9) Éternel! j'ai crié à toi, J'ai imploré l'Éternel:

9 (30:10) Que gagnes-tu à verser mon sang, A me faire descendre dans la fosse? La poussière a-t-elle pour toi des louanges? Raconte-t-elle ta fidélité?

10 (30:11) Écoute, Éternel, aie pitié de moi! Éternel, secours-moi! -

11 (30:12) Et tu as changé mes lamentations en allégresse, Tu as délié mon sac, et tu m'as ceint de joie,

12 (30:13) Afin que mon coeur te chante et ne soit pas muet. Éternel, mon Dieu! je te louerai toujours.