T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 29

Psaume de David.

1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.

2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.

3 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.

4 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.

5 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8 Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.

9 Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10 Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.

 

Psalm 29
A Psalm by David.
1 Ascribe to Yahweh, you sons of the mighty,
ascribe to Yahweh glory and strength.

2 Ascribe to Yahweh the glory due to his name.
Worship Yahweh in holy array.
3 Yahweh’s voice is on twaters.
The God of glory thunders, even Yahweh on many waters.
4 Yahweh’s voice is powerful.
Yahweh’s voice is full of majesty.
5 The voice of Yahweh breaks the cedars.
Yes, Yahweh breaks in pieces the cedars of Lebanon.
6 He makes them also to skip like a calf;
Lebanon and Sirion like a young, wild ox.
7 Yahweh’s voice strikes with flashes of lightning.
8 Yahweh’s voice shakes the wilderness.
Yahweh shakes the wilderness of Kadesh.
9 Yahweh’s voice makes the deer calve,
and strips the forests bare.
In his temple everything says, “Glory!”
10 Yahweh sat enthroned at the Flood.
Yes, Yahweh sits as King forever.
11 Yahweh will give strength to his people.
Yahweh will bless his people with peace.

 

Chapitre 29
1 Psaume de David. Fils de Dieu, rendez à l'Éternel, Rendez à l'Éternel gloire et honneur!

2 Rendez à l'Éternel gloire pour son nom! Prosternez-vous devant l'Éternel avec des ornements sacrés!

3 La voix de l'Éternel retentit sur les eaux, Le Dieu de gloire fait gronder le tonnerre; L'Éternel est sur les grandes eaux.

4 La voix de l'Éternel est puissante, La voix de l'Éternel est majestueuse.

5 La voix de l'Éternel brise les cèdres; L'Éternel brise les cèdres du Liban,

6 Il les fait bondir comme des veaux, Et le Liban et le Sirion comme de jeunes buffles.

7 La voix de l'Éternel fait jaillir des flammes de feu.

8 La voix de l'Éternel fait trembler le désert; L'Éternel fait trembler le désert de Kadès. 9 La voix de l'Éternel fait enfanter les biches, Elle dépouille les forêts. Dans son palais tout s'écrie: Gloire!

10 L'Éternel était sur son trône lors du déluge; L'Éternel sur son trône règne éternellement. 11 L'Éternel donne la force à son peuple; L'Éternel bénit son peuple et le rend heureux.