T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 28

De David.

1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.

2 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.

3 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.

4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.

5 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.

7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]

 

Psalm 28
By David.
1 To you, Yahweh, I call. My rock, don’t be deaf to me; lest, if you are silent to me, I would become like those who go down into the pit.
2 Hear the voice of my petitions, when I cry to you,
when I lift up my hands toward your Most Holy Place.
3 Don’t draw me away with the wicked, with the workers of iniquity who speak peace with their neighbors, but mischief is in their hearts.
4 Give them according to their work, and according to the wickedness of their doings. Give them according to the operation of their hands.Bring back on them what they deserve.
5 Because they don’t respect the works of Yahweh,
nor the operation of his hands, he will break them down and not build them up.
6 Blessed be Yahweh, because he has heard the voice of my petitions.
7 Yahweh is my strength and my shield. My heart has trusted in him, and I am helped. Therefore my heart greatly rejoices. With my song I will thank him.

8 Yahweh is their strength. He is a stronghold of salvation to his anointed.
9 Save your people, and bless your inheritance.
Be their shepherd also, and bear them up forever.

 

Chapitre 28
1 De David. Éternel! c'est à toi que je crie. Mon rocher! ne reste pas sourd à ma voix, De peur que, si tu t'éloignes sans me répondre, Je ne sois semblable à ceux qui descendent dans la fosse.

2 Écoute la voix de mes supplications, quand je crie à toi, Quand j'élève mes mains vers ton sanctuaire.

3 Ne m'emporte pas avec les méchants et les hommes iniques, Qui parlent de paix à leur prochain et qui ont la malice dans le coeur. 4 Rends-leur selon leurs oeuvres et selon la malice de leurs actions, Rends-leur selon l'ouvrage de leurs mains; Donne-leur le salaire qu'ils méritent.

5 Car ils ne sont pas attentifs aux oeuvres de l'Éternel, A l'ouvrage de ses mains. Qu'il les renverse et ne les relève point! 6 Béni soit l'Éternel! Car il exauce la voix de mes supplications.

7 L'Éternel est ma force et mon bouclier; En lui mon coeur se confie, et je suis secouru; J'ai de l'allégresse dans le coeur, Et je le loue par mes chants.

8 L'Éternel est la force de son peuple, Il est le rocher des délivrances de son oint.

9 Sauve ton peuple et bénis ton héritage! Sois leur berger et leur soutien pour toujours!