T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 19

Au chef de musique. Psaume de David.

1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr' Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.

2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.

3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]

4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]

5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.

6 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.

7 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.

8 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.

9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.

10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.

11 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.

12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.

13 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.

14 Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.

 

Psalm 19
For the Chief Musician. A Psalm by David.
1 The heavens declare the glory of God. The expanse shows his handiwork.
2 Day after day they pour forth speech, and night after night they display knowledge.
3 There is no speech nor language, where their voice is not heard.
4 Their voice has gone out through all the earth, their words to the end of the world.
In them he has set a tent for the sun,
5 which is as a bridegroom coming out of his room, like a strong man rejoicing to run his course.
6 His going forth is from the end of the heavens, his circuit to its ends; There is nothing hidden from its heat.
7 Yahweh’s law is perfect, restoring the soul. Yahweh’s testimony is sure, making wise the simple.
8 Yahweh’s precepts are right, rejoicing the heart.
Yahweh’s commandment is pure, enlightening the eyes.
9 The fear of Yahweh is clean, enduring forever. Yahweh’s ordinances are true, and righteous altogether.
10 More to be desired are they than gold, yes, than much fine gold; sweeter also than honey and the extract of the honeycomb.
11 Moreover by them is your servant warned. In keeping them there is great reward.
12 Who can discern his errors? Forgive me from hidden errors.
13 Keep back your servant also from presumptuous sins. Let them not have dominion over me. Then I will be upright. I will be blameless and innocent of great transgression.
14 Let the words of my mouth and the meditation of my heart be acceptable in your sight,
Yahweh, my rock, and my redeemer.

 

Chapitre  19
1 (19:1) Au chef des chantres. Psaume de David. (19:2) Les cieux racontent la gloire de Dieu, Et l'étendue manifeste l'oeuvre de ses mains.

2 (19:3) Le jour en instruit un autre jour, La nuit en donne connaissance à une autre nuit. 3 (19:4) Ce n'est pas un langage, ce ne sont pas des paroles Dont le son ne soit point entendu:

4 (19:5) Leur retentissement parcourt toute la terre, Leurs accents vont aux extrémités du monde, Où il a dressé une tente pour le soleil.

5 (19:6) Et le soleil, semblable à un époux qui sort de sa chambre, S'élance dans la carrière avec la joie d'un héros; 6 (19:7) Il se lève à une extrémité des cieux, Et achève sa course à l'autre extrémité: Rien ne se dérobe à sa chaleur.

7 (19:8) La loi de l'Éternel est parfaite, elle restaure l'âme; Le témoignage de l'Éternel est véritable, il rend sage l'ignorant. 8 (19:9) Les ordonnances de l'Éternel sont droites, elles réjouissent le coeur; Les commandements de l'Éternel sont purs, ils éclairent les yeux.

9 (19:10) La crainte de l'Éternel est pure, elle subsiste à toujours; Les jugements de l'Éternel sont vrais, ils sont tous justes.

10 (19:11) Ils sont plus précieux que l'or, que beaucoup d'or fin; Ils sont plus doux que le miel, que celui qui coule des rayons.

11 (19:12) Ton serviteur aussi en reçoit instruction; Pour qui les observe la récompense est grande.

12 (19:13) Qui connaît ses égarements? Pardonne-moi ceux que j'ignore.

13 (19:14) Préserve aussi ton serviteur des orgueilleux; Qu'ils ne dominent point sur moi! Alors je serai intègre, innocent de grands péchés.

14 (19:15) Reçois favorablement les paroles de ma bouche Et les sentiments de mon coeur, O Éternel, mon rocher et mon libérateur!