T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 18

Au chef de musique. Du serviteur de l’Éternel, de David, qui adressa à l’Éternel les paroles de ce cantique, le jour où l’Éternel l’eut délivré de la main de tous ses ennemis, et de la main de Saül. Et il dit :

1 [Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.

2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.

3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.

4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.

5 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]

6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.

7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.

8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.

9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.

10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.

11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona matevina.[Heb: aizin-drano]

12 Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.

13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.

14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.

15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.

16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;

17 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny

18 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.

19 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

21 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin' Andriamanitro;

22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;

23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;

24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.

25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;

26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb: miolakolaka]

27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.

28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.

29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

30 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.

33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.

34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

35 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.

38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.

39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.

40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.

41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.

42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.

43 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.

44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]

45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.

46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,

47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.

48 Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.

49 Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.

50 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.

 

Psalm 18
For the Chief Musician. By David the servant of Yahweh, who spoke to Yahweh the words of this song in the day that Yahweh delivered him from the hand of all his enemies, and from the hand of Saul. He said,
1 I love you, Yahweh, my strength.
2 Yahweh is my rock, my fortress, and my deliverer;
my God, my rock, in whom I take refuge; my shield, and the horn of my salvation, my high tower.
3 I call on Yahweh, who is worthy to be praised; and I am saved from my enemies.
4 The cords of death surrounded me. The floods of ungodliness made me afraid.
5 The cords of Sheol were around me. The snares of death came on me.
18:6 In my distress I called on Yahweh, and cried to my God.
He heard my voice out of his temple. My cry before him came into his ears.
7 Then the earth shook and trembled. The foundations also of the mountains quaked and were shaken, because he was angry.
8 Smoke went out of his nostrils. Consuming fire came out of his mouth. Coals were kindled by it.
9 He bowed the heavens also, and came down. Thick darkness was under his feet.
10 He rode on a cherub, and flew. Yes, he soared on the wings of the wind.
11 He made darkness his hiding place, his pavilion around him, darkness of waters, thick clouds of the skies.
12 At the brightness before him his thick clouds passed,
hailstones and coals of fire.
13 Yahweh also thundered in the sky. The Most High uttered his voice: hailstones and coals of fire.
14 He sent out his arrows, and scattered them; Yes, great lightning bolts, and routed them.
15 Then the channels of waters appeared. The foundations of the world were laid bare at your rebuke, Yahweh, at the blast of the breath of your nostrils.
16 He sent from on high.
He took me. He drew me out of many waters.
17 He delivered me from my strong enemy, from those who hated me; for they were too mighty for me.

18 They came on me in the day of my calamity, but Yahweh was my support.
19 He brought me forth also into a large place.
He delivered me, because he delighted in me.
20 Yahweh has rewarded me according to my righteousness.
According to the cleanness of my hands has he recompensed me.

21 For I have kept the ways of Yahweh, and have not wickedly departed from my God.
22 For all his ordinances were before me. I didn’t put away his statutes from me.
23 I was also blameless with him. I kept myself from my iniquity.
24 Therefore Yahweh has rewarded me according to my righteousness, according to the cleanness of my hands in his eyesight.
25 With the merciful you will show yourself merciful. With the perfect man, you will show yourself perfect.
26 With the pure, you will show yourself pure.
With the crooked you will show yourself shrewd.
27 For you will save the afflicted people, but the haughty eyes you will bring down.
28 For you will light my lamp, Yahweh. My God will light up my darkness.
29 For by you, I advance through a troop. By my God, I leap over a wall.
30 As for God, his way is perfect. The word of Yahweh is tried. He is a shield to all those who take refuge in him.
31 For who is God, except Yahweh? Who is a rock, besides our God,
32 the God who arms me with strength, and makes my way perfect?
33 He makes my feet like deer’s feet, and sets me on my high places.
34 He teaches my hands to war, so that my arms bend a bow of bronze.
35 You have also given me the shield of your salvation. Your right hand sustains me. Your gentleness has made me great.
36 You have enlarged my steps under me, My feet have not slipped.
37 I will pursue my enemies, and overtake them.
Neither will I turn again until they are consumed.
38 I will strike them through, so that they will not be able to rise. They shall fall under my feet.
39 For you have armed me with strength to the battle. You have subdued under me those who rose up against me.
40 You have also made my enemies turn their backs to me, that I might cut off those who hate me.
41 They cried, but there was none to save;
even to Yahweh, but he didn’t answer them.

42 Then I beat them small as the dust before the wind.
I cast them out as the mire of the streets
43 You have delivered me from the strivings of the people.
You have made me the head of the nations. A people whom I have not known shall serve me.
44 As soon as they hear of me they shall obey me.
The foreigners shall submit themselves to me.
45 The foreigners shall fade away, and shall come trembling out of their close places.
46 Yahweh lives; and blessed be my rock. Exalted be the God of my salvation,
47 even the God who executes vengeance for me, and subdues peoples under me.
48 He rescues me from my enemies. Yes, you lift me up above those who rise up against me. You deliver me from the violent man.
49 Therefore I will give thanks to you, Yahweh, among the nations, and will sing praises to your name.
50 He gives great deliverance to his king, and shows loving kindness to his anointed, to David and to his seed, forevermore.

 

Chapitre  18
1 (18:1) Au chef des chantres. Du serviteur de l'Éternel, de David, qui adressa à l'Éternel les paroles de ce cantique, lorsque l'Éternel l'eut délivré de la main de tous ses ennemis et de la main de Saül. Il dit: (18:2) Je t'aime, ô Éternel, ma force!

2 (18:3) Éternel, mon rocher, ma forteresse, mon libérateur! Mon Dieu, mon rocher, où je trouve un abri! Mon bouclier, la force qui me sauve, ma haute retraite!

3 (18:4) Je m'écrie: Loué soit l'Éternel! Et je suis délivré de mes ennemis.

4 (18:5) Les liens de la mort m'avaient environné, Et les torrents de la destruction m'avaient épouvanté;

5 (18:6) Les liens du sépulcre m'avaient entouré, Les filets de la mort m'avaient surpris.

6 (18:7) Dans ma détresse, j'ai invoqué l'Éternel, J'ai crié à mon Dieu; De son palais, il a entendu ma voix, Et mon cri est parvenu devant lui à ses oreilles.

7 (18:8) La terre fut ébranlée et trembla, Les fondements des montagnes frémirent, Et ils furent ébranlés, parce qu'il était irrité.

8 (18:9) Il s'élevait de la fumée dans ses narines, Et un feu dévorant sortait de sa bouche: Il en jaillissait des charbons embrasés.

9 (18:10) Il abaissa les cieux, et il descendit: Il y avait une épaisse nuée sous ses pieds. 10 (18:11) Il était monté sur un chérubin, et il volait, Il planait sur les ailes du vent.

11 (18:12) Il faisait des ténèbres sa retraite, sa tente autour de lui, Il était enveloppé des eaux obscures et de sombres nuages.

12 (18:13) De la splendeur qui le précédait s'échappaient les nuées, Lançant de la grêle et des charbons de feu.

13 (18:14) L'Éternel tonna dans les cieux, Le Très-Haut fit retentir sa voix, Avec la grêle et les charbons de feu.

14 (18:15) Il lança ses flèches et dispersa mes ennemis, Il multiplia les coups de la foudre et les mit en déroute.

15 (18:16) Le lit des eaux apparut, Les fondements du monde furent découverts, Par ta menace, ô Éternel! Par le bruit du souffle de tes narines. 16 (18:17) Il étendit sa main d'en haut, il me saisit, Il me retira des grandes eaux;

17 (18:18) Il me délivra de mon adversaire puissant, De mes ennemis qui étaient plus forts que moi.

18 (18:19) Ils m'avaient surpris au jour de ma détresse; Mais l'Éternel fut mon appui.

19 (18:20) Il m'a mis au large, Il m'a sauvé, parce qu'il m'aime. 20 (18:21) L'Éternel m'a traité selon ma droiture, Il m'a rendu selon la pureté de mes mains; 21 (18:22) Car j'ai observé les voies de l'Éternel, Et je n'ai point été coupable envers mon Dieu.

22 (18:23) Toutes ses ordonnances ont été devant moi, Et je ne me suis point écarté de ses lois. 23 (18:24) J'ai été sans reproche envers lui, Et je me suis tenu en garde contre mon iniquité.

24 (18:25) Aussi l'Éternel m'a rendu selon ma droiture, Selon la pureté de mes mains devant ses yeux.

25 (18:26) Avec celui qui est bon tu te montres bon, Avec l'homme droit tu agis selon la droiture,

26 (18:27) Avec celui qui est pur tu te montres pur, Et avec le pervers tu agis selon sa perversité.

27 (18:28) Tu sauves le peuple qui s'humilie, Et tu abaisses les regards hautains.

28 (18:29) Oui, tu fais briller ma lumière; L'Éternel, mon Dieu, éclaire mes ténèbres.

29 (18:30) Avec toi je me précipite sur une troupe en armes, Avec mon Dieu je franchis une muraille.

30 (18:31) Les voies de Dieu sont parfaites, La parole de l'Éternel est éprouvée; Il est un bouclier pour tous ceux qui se confient en lui.

31 (18:32) Car qui est Dieu, si ce n'est l'Éternel; Et qui est un rocher, si ce n'est notre Dieu? 32 (18:33) C'est Dieu qui me ceint de force, Et qui me conduit dans la voie droite.

33 (18:34) Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me place sur mes lieux élevés.

34 (18:35) Il exerce mes mains au combat, Et mes bras tendent l'arc d'airain.

35 (18:36) Tu me donnes le bouclier de ton salut, Ta droite me soutient, Et je deviens grand par ta bonté.

36 (18:37) Tu élargis le chemin sous mes pas, Et mes pieds ne chancellent point.

 37 (18:38) Je poursuis mes ennemis, je les atteins, Et je ne reviens pas avant de les avoir anéantis.

38 (18:39) Je les brise, et ils ne peuvent se relever; Ils tombent sous mes pieds.

39 (18:40) Tu me ceins de force pour le combat, Tu fais plier sous moi mes adversaires.

40 (18:41) Tu fais tourner le dos à mes ennemis devant moi, Et j'extermine ceux qui me haïssent.

41 (18:42) Ils crient, et personne pour les sauver! Ils crient à l'Éternel, et il ne leur répond pas!

42 (18:43) Je les broie comme la poussière qu'emporte le vent, Je les foule comme la boue des rues.

43 (18:44) Tu me délivres des dissensions du peuple; Tu me mets à la tête des nations; Un peuple que je ne connaissais pas m'est asservi.

44 (18:45) Ils m'obéissent au premier ordre, Les fils de l'étranger me flattent;

45 (18:46) Les fils de l'étranger sont en défaillance, Ils tremblent hors de leurs forteresses.

46 (18:47) Vive l'Éternel, et béni soit mon rocher! Que le Dieu de mon salut soit exalté,

47 (18:48) Le Dieu qui est mon vengeur, Qui m'assujettit les peuples,

48 (18:49) Qui me délivre de mes ennemis! Tu m'élèves au-dessus de mes adversaires, Tu me sauves de l'homme violent. 49 (18:50) C'est pourquoi je te louerai parmi les nations, ô Éternel! Et je chanterai à la gloire de ton nom.

50 (18:51) Il accorde de grandes délivrances à son roi, Et il fait miséricorde à son oint, A David, et à sa postérité, pour toujours.