T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 17

Prière de David.

1 [Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.

2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.

3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]

4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.

5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.

6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.

7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.

8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,

9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.

10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.

11 Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]

12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.

13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;

14 Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.

15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.

 

Psalm 17
A Prayer by David.
1 Hear, Yahweh, my righteous plea; Give ear to my prayer, that doesn’t go out of deceitful lips.
2 Let my sentence come forth from your presence. Let your eyes look on equity.
3 You have proved my heart.
You have visited me in the night. You have tried me, and found nothing. I have resolved that my mouth shall not disobey.
4 As for the works of men, by the word of your lips, I have kept myself from the ways of the violent.
5 My steps have held fast to your paths. My feet have not slipped.
6 I have called on you, for you will answer me, God. Turn your ear to me. Hear my speech.
7 Show your marvelous loving kindness, you who save those who take refuge by your right hand from their enemies.
8 Keep me as the apple of your eye. Hide me under the shadow of your wings,
9 from the wicked who oppress me, my deadly enemies, who surround me.
10 They close up their callous hearts. With their mouth they speak proudly.
11 They have now surrounded us in our steps. They set their eyes to cast us down to the earth.
12 He is like a lion that is greedy of his prey, as it were a young lion lurking in secret places.
13 Arise, Yahweh, confront him. Cast him down. Deliver my soul from the wicked by your sword;
14 from men by your hand, Yahweh,
from men of the world, whose portion is in this life.
You fill the belly of your cherished ones.
Your sons have plenty,
and they store up wealth for their children.
15 As for me, I shall see your face in righteousness. I shall be satisfied, when I awake, with seeing your form.

 

Chapitre  17
1 Prière de David. Éternel! écoute la droiture, sois attentif à mes cris, Prête l'oreille à ma prière faite avec des lèvres sans tromperie!

2 Que ma justice paraisse devant ta face, Que tes yeux contemplent mon intégrité!

3 Si tu sondes mon coeur, si tu le visites la nuit, Si tu m'éprouves, tu ne trouveras rien: Ma pensée n'est pas autre que ce qui sort de ma bouche. 4 A la vue des actions des hommes, fidèle à la parole de tes lèvres, Je me tiens en garde contre la voie des violents;

5 Mes pas sont fermes dans tes sentiers, Mes pieds ne chancellent point.

6 Je t'invoque, car tu m'exauces, ô Dieu! Incline vers moi ton oreille, écoute ma parole!

7 Signale ta bonté, toi qui sauves ceux qui cherchent un refuge, Et qui par ta droite les délivres de leurs adversaires!

8 Garde-moi comme la prunelle de l'oeil; Protège-moi, à l'ombre de tes ailes,

9 Contre les méchants qui me persécutent, Contre mes ennemis acharnés qui m'enveloppent.

10 Ils ferment leurs entrailles, Ils ont à la bouche des paroles hautaines.

11 Ils sont sur nos pas, déjà ils nous entourent, Ils nous épient pour nous terrasser.

12 On dirait un lion avide de déchirer, Un lionceau aux aguets dans son repaire.

13 Lève-toi, Éternel, marche à sa rencontre, renverse-le! Délivre-moi du méchant par ton glaive!

14 Délivre-moi des hommes par ta main, Éternel, des hommes de ce monde! Leur part est dans la vie, Et tu remplis leur ventre de tes biens; Leurs enfants sont rassasiés, Et ils laissent leur superflu à leurs petits-enfants.

15 Pour moi, dans mon innocence, je verrai ta face; Dès le réveil, je me rassasierai de ton image.