T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 16

Mictam de David.

1 [Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

2 Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;

3 Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]

4 Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.

5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.

6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.

7 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]

8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

9 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]

10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lò]

11 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

 

Psalm 16
A Poem by David.
1 Preserve me, God, for in you do I take refuge.
2 My soul, you have said to Yahweh, “You are my Lord. Apart from you I have no good thing.”
3 As for the saints who are in the earth, they are the excellent ones in whom is all my delight.
4 Their sorrows shall be multiplied who give gifts to another god. Their drink offerings of blood I will not offer,nor take their names on my lips.
5 Yahweh assigned my portion and my cup. You made my lot secure.
6 The lines have fallen to me in pleasant places. Yes, I have a good inheritance.
7 I will bless Yahweh, who has given me counsel.
Yes, my heart instructs me in the night seasons.
8 I have set Yahweh always before me. Because he is at my right hand, I shall not be moved.
9 Therefore my heart is glad, and my tongue rejoices. My body shall also dwell in safety.
10 For you will not leave my soul in Sheol,
neither will you allow your holy one to see corruption.
11 You will show me the path of life. In your presence is fullness of joy.
In your right hand there are pleasures forevermore.

 

Chapitre 16

1 Hymne de David. Garde-moi, ô Dieu! car je cherche en toi mon refuge.

2 Je dis à l'Éternel: Tu es mon Seigneur, Tu es mon souverain bien!

3 Les saints qui sont dans le pays, Les hommes pieux sont l'objet de toute mon affection.

4 On multiplie les idoles, on court après les dieux étrangers: Je ne répands pas leurs libations de sang, Je ne mets pas leurs noms sur mes lèvres. 5 L'Éternel est mon partage et mon calice; C'est toi qui m'assures mon lot;

6 Un héritage délicieux m'est échu, Une belle possession m'est accordée.

7 Je bénis l'Éternel, mon conseiller; La nuit même mon coeur m'exhorte.

8 J'ai constamment l'Éternel sous mes yeux; Quand il est à ma droite, je ne chancelle pas. 9 Aussi mon coeur est dans la joie, mon esprit dans l'allégresse, Et mon corps repose en sécurité.

10 Car tu ne livreras pas mon âme au séjour des morts, Tu ne permettras pas que ton bien-aimé voie la corruption.

11 Tu me feras connaître le sentier de la vie; Il y a d'abondantes joies devant ta face, Des délices éternelles à ta droite.